ALAHADIN’NY TARANAKA SY HETSIKA GASIGASY
“AN’NY TOMPO NY FAHEFANA”
ALAHADY FAHAROA MANARAKA NY TRINITE
«Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, « fanjaka-mpisorona, firenena masina », olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga ;» 1 Petera 2. 9
Alahady farany amin’ny volana jona izay ibanjinana hatrany ny lohahevitra hoe: « An’ny Tompo ny fahefana » ity alahady ity ary koa alahady faharoa manaraka ny Trinite.
Fotoan-dehibe natokana ho an’ny hetsika gasigasy izay fanao isan-taona, manodidina ny 26 jona, fanamarihana ny maha Malagasy sy fitondrana amim-bavaka ny firenena. Samy manao akanjo gasigasy avokoa ny mpianakavin’ny finoana ary arahana hetsika isan-karazany aorian’ny fanompoam-pivavahana. Hetsika izay atao eo an-tokotanim-piangonana (Trano heva misy sakafo malagasy, hirahira, dihy…). Voaravaka avokoa, na ny tao anaty trano fiangonana na teny ivelany, nanehoana ny maha Malagasy.
Fotoan-dehibe ihany koa noho ny maha Alahadin’ny taranaka azy.
1.338 ny isan’ny mpianakavin’ny finoana nanatrika an’ity alahady ity.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana Apostolika, laharana voalohany, no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Soratra Masina novakiana : 1 Samoela 2. 1-10 ; Jaona 10. 11-21 ; 1 Petera 2. 1-10.
Ny Diakona Andriamampianina Naivo no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testamenta Taloha ary ny Diakona Rabenasolo Landimalala kosa no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny Rantsana Fanantenana no nanao ny anjara hirany, taorian’ny toriteny.
Nisy fanoloran-jaza taorian’ny filazana ny vaovaom-piangonana : ny zaza Amboara Ny Finoana
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rajaofetra Eric no tompon’anjara.
Ny Salamo 67. 1a : « Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay » no Teny noraisiny.
Tantara no nandravahany sy nisintomany hafatra : Ankizy 10 taona eo ho eo, tsy dia manam-bola. Marary any amin’ny hôpitaly ny reniny. Nandeha nitety fivarotana izy ka niteny hoe : « Sao dia misy Andriamanitra ao aminao hovidiana ? ». 40 teo eo ny mpivarotra nalehany ary rehefa tonga teo amin’ny farany izy dia nanontanian’ilay mpivarotra hoe : « Maninona no hividy an’Andriamanitra ? ». Izany, hoy izy, satria hoe tsinona Andriamanitra Irery ihany no manasitrana. « An’Andrimanitra ny fahefana ».
Raha misy marary ao amintsika na manodidina antsika dia hoentintsika amim-bavaka ary hitenenantsika hoe « An’ny Tompo ny fahefana ».

TORITENY

Tenin’Andriamanitra ifampiarahabana amin’izao Fetin’ny taranaka izao no noraisin’ny Mpitandrina ho vatsim-panahy. Isika taranak’Amparibe Famonjena no handray ny Tenin’Andrimanitra. Niara-novakiana ny 1 Petera 2. 9.
Ny Teny niaingana dia ny tapany voalohany ihany « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, ». Inona ny hevitr’izany hoe « Taranaka voafidy » ?
Roa no hafatra ampitaina :
– Mifalia fa taranaka voafidy ianareo.
– Mandehana ka mitoria ny hatsaran’Ilay nifidy anareo.
1-. Mifalia fa taranaka voafidy ianareo :
Nosoratan’i Petera ho an’ny firenena any Asie Mineure (Turquie ankehitriny) io. Firenena dimy miparitaka sy miely patrana.
Misy teboka telo ny fifidianan’Andriamanitra :
* Tian’Andriamanitra matoa nofidiany, navahany tao anatin’ny maro. (Asa. 5. 2)
Raha mifidy anao ny Tompo dia navahany ianao satria tiany. Sarobidy Aminy ianao.
* Olona voavonjy, nantsoina ho amin’ny famonjena (Jao. 3. 16).
Ny taranaka voafidy dia taranaka voavonjy : niala tamin’ny maizina, namindrana fo, notiavina.
* Taranaka tsy foin’Andriamanitra, sarobidy, notahiana (« Bénédiction ») ary mbola handray fitahiana mitobaka.
2-. Mandehana ka mitoria ny hatsaran’Ilay nifidy anareo :
Voambara hoe olona nalain’Andriamanitra hilaza (« proclamer »), hitory ny Filazantsara, hijoro ho vavolombelon’Ilay niantso sy nifidy.
Misy heviny roa ny hoe « Mitoria » :
*Mandehana mitory ny hatsaran’Andriamanitra any anaty firenena jentilisa, mijoro ho vavolombelon’ny fahamasinana.
Mijoro ho vavolombelona marina ve ilay taranaka nofidian’Andriamanitra ?
*Fanjakam-pisorona
Midika koa hoe : firenena masina (Eks. 19. 6) manao asam-pisoronana ao anatin’ny Tempoly sy ny kianjan’ny Tempoly. Ny taranaka voafidy dia mampandroso ny Fiangonana.
Ny taranaka voafidy, fanjakam-pisorona dia mivavaka, mamelo-maso ny Fiangonana ho fanohizana ny finoana an’Andriamanitra.
Fanjakam-pisorona ato am-piangonana ary firenena masina any amin’ny firenena rehetra.
Ry taranak’Amparibe Famonjena !
Mifalia fa tian’Andriamanitra, novonjeny, mandray fitahiana sy fahasoavana.
Mitoria. Mijoroa ho vavolombelon’ny finoana.
Miasà, ampandrosoy ny Fiangonana
FEO – Toriteny
ASA VAVOLOMBELONA
– Batisa : ny zaza Randrianandrasana Maharo Ny Fitia Ilohajanavalona.
– Fanamarihana ny Alahadin’ny taranaka.
Nohiraina ny FFPM 760 : 2 « Aza mba manadino » ary ny 1 Petera 2. 4-5-9 no Tenin’ny Soratra Masina nomena.
Novakiana ny anaran’ireo taranaka sy fianakaviana nisoratra anarana izay niisa 110.
IREO TOMPON’ANJARA

Ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nitendry orga
Rakotonarivo Kaloina
Nikirakira ny fafana
Ramahery Yves
Nikirakira fanamafisam-peo
Ramiadamanana Lovatiana sy Ramahery Hasina
Naka sary
Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra
TARANAKA
Hetsika Gasigasy





























































































































































































































































































