ALAHADY IVOM-BOKATRY NY SAMPANA VOKOVOKOMANGA SY NY RANTSANA FANANTENANA
“AN’NY TOMPO NY FAHEFANA“
ALAHADY VOALOHANY MANARAKA NY TRINITE
«Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko! Tompoko! Nefa tsy manatanteraka izay lazaiko?» Lioka 6. 46
Alahady voalohany manaraka ny Trinite ary ibanjinana ny lohahevitra manao hoe «An’ny Tompo ny fahefana».
Rakotosalama Deborah, Diakona, no nitarika ny fotoana.
Ramanandafy Hariniaina Yvon, Mpitandrina, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny litorjia amin’ny endriny fahatelo no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny fanekem-pinoana laharana fahatelo no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Diakona avy ao amin’ny Vaomieran’ny Fananana no tompon’anjara. Randrianary Ony (SVM) no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny.
Razafimbelo Andoniaina (SVM) no namaky ny Testamenta Taloha,
Ramahery Yves (SVM)” no namaky ny Filazantsara sy ny Epistily.
Ny Perikopa voalahatra : Ezekiela 43. 1-9 ; Lioka 4. 1-13 ; Asan’ny Apostoly 16. 6-10
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Rakotondramboa Saholy, mpampianatra K10, no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Lioka 6. 46 : “Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko! Tompoko! Nefa tsy manatanteraka izay lazaiko? “ no nakany ny hafatra.
Raha tsy mitoetra ao am-pon’ny olona i Jesoa, dia manao izay tiany ny olona.
Ny mampandroso an’i Jesoa ao am-pony sy manaiky Azy ho tompon’ny fiainany dia manao izay tian’i Jesoa sy ankasitrahany.

TORITENY

Tao amin’ny I Korintiana 10. 31 – 11 : 11 no nakana ny fampianarana.
Nanana ny lazany sy tena nandroso tokoa ny Fiangonana tao Korinto. Ny fampianarana nataon’i Paoly ho an’ity Fiangonana ity dia ny mba hahafahan’izy ireo mijoro vavolombelona amin’ny fiteny, ny asa ary amin’ny fifankatiavana.
Afaka aseho amin’ny endriny efatra izany fijoroana vavolombelona izany :
•Manome voninahitra ny Tompo isika :
«Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.»
I Korintiana 10. 31
Araka izany dia Andriamanitra no atao laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana.
•Tsy tokony hitsaratsara olona fahatany isika :
«Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra»
I Korintiana 10. 32
Manoloana ny tsy fitoviana dia tsy tokony hifampitsaratsara ny Kristiana fa hihevitra ny fampandrosoana ny ara-panahy.
•Mila manasoa ny hafa isika :
«Dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.»
I Korintiana 10 : 33
Mila manao soa amin’ny hafa isika. Anisan’ny adidin’ny Fiangonana ny mijery ny hafa na ny lafiny ara-panahy io na ny lafiny ara-nofo.
•Tokony hanahaka an’i Kristy isika.
« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy. » I Korintiana 11 : 1
Mila mahay mamela heloka sy mamindra fo isika ary mifady ny ratsy rehetra.
FEO – Toriteny
FAMARANANA
Niarahana nanonona ny Tondrozotra.
Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
Nohiraina teo am-piravana ny Fihirana SVM 61: 4
IREO TOMPON’ANJARA

Rajaofetra John
Nitendry orga
Rajaofetra Arielle
Nikirakira ny fafana
Rakotovololona Lova
Nikirakira fanamafisam-peo
Rakotondramboa Andry
Naka sary
Zanaharitsimba Toky
Nandray an-tsoratra







































