Alahady 15 Jona 2025

ALAHADIM-BOKATRY NY HASIN’NY FAMONJENA (HA.FA)
“AN’NY TOMPO NY FAHEFANA”
ALAHADY TRINITE


«Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.» Lioka 10. 20

Alahady fahatelo amin’ny volana jona ity alahady ity, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny fahefana ».

Alahady miavaka noho ny ivom-bokatry ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena (Ha.Fa), ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 55 taonany. Ny Ha.Fa no nandrindra sy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana. Miavaka koa ity alahady ity noho ny Fetin’ny ray.

Ny Filohan’ny Ha.Fa, Randriambelomanana Hery, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra. « Toriteny an-kira » niarahany tamin’ny Hasin’ny Famonjena.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Genesisy 1. 1-13 ; Lioka 10. 17-20 ; Apokalypsy 1. 1-8.
Ny Diakona Irimanana Eninkaja no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testamenta Taloha ary ny Diakona Robel Hanitra kosa no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny STK no nanao anjara hirany taorian’ny toriteny.

Nanao ny tatitr’Asany ny HaFa. Notohizany tamin’ny tsiahy fohy izany.

Nisy fanoloran-jaza taorian’ny filazana ny vaovaom-piangonana : ny zaza Andriambelomanana Itsikiana Soa sy Razafimandimby Tiana Adriana Hasinjazamarolahy.

Tenin’ny Mpitandrina :
Rehefa avy nanonona ny fiadanan’ny Tompo ho an’ireo ray rehetra izy sy nanantitra ny fiarahabana ny Ha.Fa dia nanohy ny fampianarana momba ny atao hoe taranaka. Ny Genesisy 12 sy ny Salamo 127 dia mifamatotra, hoy izy. Ny Genesisy 12. 2 dia teny tsotra nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama izay midika hoe “hanome anao taranaka sy faramandimby”. Ny taranaka dia avy amin’Andriamanitra. Ny ray aman-dreny manao fanekena amin’Andriamanitra dia fitahiana ho an’ny taranaka. Raha raisina ny Salamo 127. 3 dia manambara ny fifamatoran’ny zanaka sy ny taranaka ary ny ray aman-dreny. Voasoratra hoe : « Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. »
Nampahatsiahy ny Mpitandrina fa amin’ny alahady 29 jona ny Fetin’ny taranaka sady hetsika gasigasy.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
TORITENY

Ny Toriteny an-kira no notanterahin’ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena niaraka tamin’ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry.
Ny Perikopa, Lioka 10. 17-20 no noraisina.
Ao anatin’ny taom-pankalazana ny Ha.Fa izay hira no zara fanompoany manokana. Ao anatin’izany no ahitana fa rehefa irahin’ny Tompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay omeny dia :
-Manome fifaliana ny mpanompony Izy
-Manome fandresena
-Manome antoka sy valimpitia.

o Manome fifaliana ny mpanompony ny Tompo
Hira : Ô Ingao !
Hiram-pifaliana masina ity hira ity. Manome fifaliana ho an’ny zanany izay mitory ny Filazantsara ny Tompo.
Hita ao amin’ny and. 17 fa rehefa niverina izy 70 lahy, nanao tatitry ny asany, dia feno fifaliana. Ny mampieritreritra anefa dia tsy mora ny zavatra natao. Hita eo amin’ny and. 3 hoe nankeo afovoan’ny amboadia nefa zanak’ondry. Nefa nahita fifaliana ihany. Manaraka izany dia nisy fepetra henjana tsy maintsy narahina : tsy nahazo nitondra na vola na sakafo, tsy nahazo nanao kapa, tsy maintsy nandeha tsiroaroa… Niverina avy tany anefa dia nahita fifaliana.
Isika rehefa mandeha dia izay metimety no tadiavina.
Ny Tompo rehefa maniraka dia manome fifaliana na dia tsy mora aza. Nahatsapa izany ny HaFa.
Voasoratra ao amin’ny Filipiana 4. 4 hoe : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia . » Ny fifaliana dia ao amin’ny Tompo, avy amin’ny Tompo, ho an’ny Tompo.
Rehefa mifaly ny mpanompon’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana dia mila mitandrina fa misy ny fifaliana mampihataka amin’Andriamanitra
Hira : Aza misy anie izay

o Manome fandresena ny mpanompony ny Tompo
Hita ao amin’ny and. 18 fa oharin’i Jesoa amin’ny varatra latsaka avy tany an-danitra i satana. Satana dia tonga hamely, hamotika, handrava…. Tena loza be mihitsy izany latsahan’ny varatra izany.
Eo amin’ny and. 19 anefa dia manome ny fahefana handresy ny hery rehetra i Jesoa. « handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. » Manome toky ny Tompo.
Ho antsika mitory, tsy mora ny atrehina, saingy Jesoa manome toky. Tsy nateraka ho resy ny zanak’Andriamanitra amin’ny asa fanompoana. « Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika… » ; « … indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao »
Rehefa mivavaka isika , rehefa handeha hanao asa dia mangataka mba tsy hisy sarotra ny làlana, fa raha mifantoka amin’ny Lioka 10. 17 dia tokony hoe « Tompo ô, omeo hery handresena » no tokony hatao. Ohatra i Joba, tsy ny fakam-panahy no resena fa nomena hery izy. Ny Tompo efa nanome fandresena.
Ry Hasin’ny Famonjena, tao anatin’izay 55 taona izay, tsaroanao ve fa efa nomen’i Jesoa fandresena ianao ?
Hira : Satrinao ve ?
Manome fandresena tokoa ny Tompo.

o Manome antoka sy valimpitia ho an’ny zanany izay irahiny ny Tompo
Inona ilay antoka ?
Lioka 10. 20b « …; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. »
Tsy mifaly satria manaiky anareo ny fanahy ; tsy mifaly fotsiny satria manao ny asan’Andriamanitra.
Aza mifaly ny amin’ny eto ambonin’ny tany satria efa mandova ny fanjakan’Andriamanitra.

Isika mitory ve mahatsiaro fa marina amintsika ilay Lioka 10. 20 ? Izany hoe mahatsiaro fa voasoratra any an-danitra ny anarantsika.
Jesoa manome antoka.

Hira : Voninahitra

« An’ny Tompo ny fahefana » Andriamanitra tompontsika dia tompon’ny fahefana. Izy no
-Manome fifaliana.
-Manome fandresena.
-Manome antoka sy valimpitia.
Isika zanak’Andriamanitra rehetra mahatsiaro tena ho mpitory dia hamarinin’Andriamanitra amintsika izany.

ASA VAVOLOMBELONA

Fiarahabana ireo raim-pianakaviana noho ny Fetin’ny ray. Ny VMFP no nanatanteraka izany, niaraka tamin’ny Sampana Dorkasy.
Ny tsodrano nomena ireo ray dia noraisina tao amin’ny Nomeria 23. 21 ka niaraka novakiana, nasiana fanovana kely : « Tsy mijery faharatsiana eo aminao Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo aminao ; Jehovah Andriamaniny no nomba anao, Ary hoby fanao amin’andriana no re eo aminao… »

Notolorana lahateny sy hira nataon’ny zaza misolotena zanaka ho an’ny Ray ary nizarana fanomezana ho sombim-pifaliana.
Ny Mpitandrina no nandray fitenenana fisaorana, misoloteny ny ray rehetra. Niaraka novakiana ny Jaona 3. 4 ary nofaranany tamin’ny hira « Dada » izay niarahany tamina mpanakanto mpianakavin’ny finoana eto Amparibe Famonjena ihany.

IREO TOMPON’ANJARA
Ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nitendry orga

???
Nikirakira ny fafana

???
Nikirakira fanamafisam-peo

Ravelojaona Harentsoa
Naka sary

Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra