Alahady 08 Jona 2025

PENTEKOSTA

“AN’NY TOMPO NY FAHEFANA”

«Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany.» Jaona 15. 26-27

Alahady faharoa amin’ny volana jona ity alahady ity. Fotoan-dehibe noho ny maha Pentekosta azy, izay manambara ny nilatsahan’ny Fanahy Masina.
« An’ny Tompo ny fahefana » no lohahevitra banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ny volana jona.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra, nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano. Ramatoa Rakotomanana Andy kosa no nivavaka mialoha ny namakiany misesy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.
Ny Litorjia endriny voalohany no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Ezekiela 39. 25-29 ; Jaona 15. 26-27 ; Asan’ny Apostoly 2. 14-21.
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena (HaFa) no nanao anjara hirany « Mihirà fihiram-baovao » taorian’ny toriteny.

Tenin’ny Mpitandrina :
Amin’ity andro Pentekosta ity dia fifaliana no iarahana miombom-bavaka koa nanao fifampiarahabana ny mpianakavin’ny finoana, nandray ny tanan’ny teo ankavia sy ankavanana ary niteny hoe: “Ho aminao ny Fanahin’ny Tompo”.
Fampahatsiahivana :
-125 taona niorenana’ny Sampana Dorkasy
-Taon-jobily ho an’ny Hasin’ny Famonjena izay mankalaza ny faha 55 taona, andro Pentekosta mihitsy no niorenany.
Fanentanana :
-Alahady 29 jona, andro miavaka, Fetin’ny taranaka. Hisy fampianarana fohy ny amin’ny hoe: inona no atao hoe taranaka ? Misy fanavahana ny taranaka sy ny fianakaviana.
Ny Gen. 17. 7 no mampiasa ny voambolana “taranaka”. Ny teny Hebreo BEN (taranaka, zanaka, fara mandimby) sy BEIT (ny mpivady niteraka ny zanany rehetra) no manazava izany.
Ny taranaka dia ireo rehetra nateraky ny ray aman-dreny teo aloha .
“Ny tanora reharehan’ny taranaka, ny taranaka tsy azo atao tsinontsinona”.
Koa samia miomana ny amin’izany, ho voninahitr’Andriamanitra.

Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana.
Ny hafatra dia noraisina tao amin’ny Jao. 14. 25-23, izay niarahana novakiana.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
TORITENY

Ny perikopa, Jaona 15. 26-27 no noraisin’ny Mpitandrina.
Ny Pentekosta dia manambara ny nilatsahan’ny Fanahy Masina, nanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina, nirahan’i Jesoa Kristy ho an’ny Fiangonana.

Milaza inona izany hoe : nirahana ny Fanany Masina, nomena Fanahy Masina ny Fiangonana ?

1) Fanahin’ny fahamarinana (Jao. 15. 26)
Tsapan’ny Fiangonana ve izany ?
Fotoana tena lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny nanomezana ny Fanahy Masina. Raha tononina sy ekena ny hoe : « amin’ny anaran’ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina » (Trinite), nahoana no tsy tsapan’ny Fiangonana ny lanjan’ny Fanahy Masina, nefa mahatsapa ny maha Zanaka ny Zanaka ?
Rehefa tsy ireo telo ireo no miara-miasa, dia tsy voavonjy ianao.
Fitiavana ny nanomezana ny Fanahy Masina, ka raha mahatratra izany Pentekosta izany ianao dia tian’Andriamanitra.
Zanak’Andriamanitra aho ; tian’Andriamanitra aho ; novonjen’Andriamanitra aho ; nomeny ny Fanahy Masina aho.

2) Mampiray ny Fiangonana ny Fanahy Masina
Roa sosona ny asan’ny Fanahy Masina :
-Miasa, omena ny tsirairay
-Miasa ao anatin’ny Fiangonana ho fampiraisana
Ny Asa. 2. 1, 2, 3 dia miresaka momba ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana.
Ny maha zava-dehibe ny Pentekosta dia ny fiombonana. Ny Fiangonana tsy mivaky, tsy miparitaka. Iray ny Fiangonana fa tsy voazarazara.

3) Vavolombelona (Jao. 15. 26b-27)
« dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany. »
Ny Fanahy Masina aloha no vavolombelona hanambara. Nomena ny Fanahy Masina ianareo dia ianareo indray no vavolombelona hanambara Azy.
Ny Fiangonana ve tena vavolombelona manambara an’i Jesoa Kristy ? Mitory ny Filazantsara amin’ny endriny rehetra, amin’ny lafiny rehetra ?

Hafatra ho an’ny Fiangonana :
Fiangonana irahana hitory ny Filazantsara, hitory ny Vaovao Mahafaly.
Vanimpotoana lehibe anehoana fa tian’Andriamanitra ianao, nanirahany ny Fanahy Masina

Maneho ny fiombonana sy fifankatiavan’ny Fiangonana, fifamatoran’ny Fiangonana amin’ny fanompoana.

ASA VAVOLOMBELONA

Fandraisana ireo Katekomena mianadahy ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo :
Razafimbelo Tess Bianca sy Ryan.

IREO TOMPON’ANJARA
Raharinoa Fenitra sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nitendry orga

Raharijaona Nantenaina
Nikirakira ny fafana

Rabemananoro Jonathan
Nikirakira fanamafisam-peo

????
Naka sary

Rajaofetra Voahangy
Nandray an-tsoratra