Alahady 01 Jona 2025

“AN’NY TOMPO NY FAHEFANA”
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO


“Ho vy sy varahina ny hidinao. Ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao“ Deotoronomia 33. 25

Alahady voalohany amin’ny volana jona ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy vaovao eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : “AN’NY TOMPO NY FAHEFANA”.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitondra ny hafatry ny Tompo.
Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Ireo teraka ny volana may no nanao rakitra tsingerinandro naterina ety amin’ny alitara.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra dia ny II Tantara 25. 1-12 ; Matio 10. 26-27 ; Jakoba 4. 11-17 .

Ireo Diakona tompon’anjara: Razafindratsima Lalaina no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny.
Razafindrasata Abel no namaky manontolo ireo perikopa voalahatra.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
TORITENY

Ny Matio 10. 26-31 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra.
Ary nampifandraisina tamin’ny lohahevitra “An’ny Tompo ny Fahefana”.

Mitarika ny Fiangonana amin’ny ahoana moa ny fanarahana ny Tompo?

Roa ny singa mandrafitra ny Fiangonana :
– Maniraka ny Fiangonana hitory ny famonjena, ny vaovao mahafaly;
– Manome toky ny Fiangonana izay irahana : aza matahotra fa Andriamanitra momba anao.
Araka izany :

Maniraka ny Fiangonana hitory ny famonjena, ny Vaovao mahafaly :
– Maniraka ny mpianany hanome fahefana, hanao ny asa (And.27)
– Manao tafika masina, izay iraka sy asa ataon’ny Fiangonana
– Misy ny teolojian’ ny fanirahana sy ny olona irahana :
o Miantso ny mpifidy
o Manangana ny toerana andehanana
o Mandeha maniraka ny mpifidy
– Omena ny hery sy fahefana sy ampianarina.

Manome toky ny Fiangonana izay irahana :
– Manome toky sy fitiavana ho antsika izay irahana
– Aza matahotra fa Andriamanitra momba anao

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.

Ny tondrozotran’ny Fiangonana
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Rom.6 : 19d)
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b)

IREO TOMPON’ANJARA
Irimanana Eninkaja
Nitendry orga

Andrinavalona
Nikirakira ny fafana

Andriamahatana Rija
Nikirakira fanamafisam-peo

Andrianandrasanarinaivo Mihaja / Andrianandrasanarinaivo Fitia
Naka sary

Raoliarizaka Bakoly
Nandray an-tsoratra