ALAHADIM-BOKATRY NY FIKAMBANAN’NY DIAKONA SY LOHOLONA (FDL)
“MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA”
ALAHADY FAHADIMY MANARAKA NY PASKA
«Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.» Jaona 16. 13
Alahady farany amin’ny volana mey ity alahady ity, mamarana ny fibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitari-dalana ny Fanahy Masina ».
Alahady miavaka noho ny ivom-bokatry ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona (FDL). Ny FDL no nandrindra sy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana. Alahady miavaka koa noho ny fankalazana ny Fetin’ny reny.
Ny Filoha an’ny FDL, Rajaonarison Rivo, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny RFF no nanao anjara hirany « Isaorako Ianao » taorian’ny toriteny.
Nanao ny tatitr’Asan’ny FDL ny mpitantsoratra.
Tenin’ny Mpitandrina
Fanentanana : Fanompoam-pivavahana ny alakamisy 29 mey, andro “hiakarana” (ascension), miditra amin’ny 8 ora sy sasany. Hofaranana amin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo.
Fampahatsiahivana: isika rehetra no FDL. Mifanome tanana sy fanoloran-tena amin’ny Asan’Andriamanitra.
Nisy ny ankatoky ny Fandraisana, fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, taorian’ny fanompoam-pivavahana.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra : Mika 3. 5 – 8 ; Jaona 16. 12 – 15 ; 2 Korintiana 3. 12 – 18.
Ny Diakona Rajoharison Hanta Oliva no nivavaka mialoha ny namakiana ny Teny. Ny Diakona Ramiadamanana Josiane kosa no namaky misesy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Razafindrasata Lalaina, mpampianatra K1, no tompon’anjara.
Jaona 16. 13a «Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra;» no nitondrany fanazavana sy fampianarana.
Manambara ny maha Andriamanitra an’i Jesoa io andinin-tSoratra Masina io. Andriamanitra dia mahalala ny miafina sy ny zava-misy rehetra. Jesoa dia Fanahy Masina. Fanambarana ny maha Ray, Zanaka sy Fanahy Masina an’Andriamanitra.
Ny hafatra ho antsika dia hoe rehefa vita Batisa dia nandray ny Fanahy Masina. Hitandrina sy hitory ny Filazantsara izany, izay atao amin’ny alalan’ny fihetsika, ny fiteny (fizarana fifaliana, fitiava-namana…).
Ka inona no tokony atao ary ? Mivavaka hatrany mba hitoeran’ny Fanahy Masina.
Teo am-pamaranana dia niara namerina namaky ny Jaona 16. 13a ary nanao vavaka, rehefa miteny ny mpitarika ka miato dia miara-mamerina izay noteneniny.

TORITENY

Ny Jaona 16. 13, izay ao amin’ny Perikopa voalahatra, no noraisin’ny Mpitandrina. Nanamarika izy fa tsy nisy akory ny fifampiresahana tamin’ny nanao ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora nefa dia samy nandray io andinin-tSoratra Masina io. Mifameno sy mifanampy amin’ny efa voambara ny toriteny, izany hoe momba ny marina lazain’i Jesoa fa Andriamanitra dia Ray, Zanaka sy Fanahy Masina.
Io and.13 io dia fotoana nilazan’i Jesoa ny handehanany sy ny hanirahany ny Fanahy Masina.
Misy hafatra telo (3) ny amin’ny asan’ny Fanahy Masina.
– And. 13a : Mitari-dalana antsika ho amin’ny fahamarinana
Ny fahamarinana dia misy heviny roa (2)
– fahamarinana araka ny lalana, ny fitsipika, lojikan’olombelona
– marina ao amin’Andriamanitra (tsy voazavan’ny saina)
Romana 1. 17 : « Fa amin’izany no anehoana fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ny finoana no ho velona »
1 Korintiana 12. 3 : « Koa mampahafantatra anareo Aho fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesoa; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina »
Ny fanahin’ny fahamarinana no mitondra any amin’Andriamanitra. Ny fanahin’ny fahamarinana no mitondra amin’ny marina rehetra.
Ny olana ankehitriny dia ny fiovaovana finoana. Mitady ny Tompo any amin’ny antokom-pinoana isan-karazany. Aiza no misy ny Tompo e ?
Aiza marina ny finoanao ?
Tena mila miorina amin’ny finoana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Tsy miankina amin’ny « théologie de la prospérité » fa manaraka ny « théologie de la vie éternelle ».
Ny Tompo no mitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
-And. 13b : Mampahatsiaro sy mampahatsiahy antsika ny sitrapony Andriamanitra
Tsy hiteny amin’ny anaran’ny tenany Izy fa izay efa nolazain’Andriamanitra.
Hita ao amin’ny Jaona 14. 25-26 ny fanambarana ny Trinite, ary ny Jaona 14 sy 16 dia mampahatsiahy ny sitrapon’Andriamanitra. Isika dia tsy mamaky ny Soratra Masina raha tsy efa nivavaka, nangataka ny Fanahy Masina Izay mitarika sy mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra.
-And. 13b : Mampiomana antsika ho amin’ny ho avy ny Fanahy Masina
Ny zanak’Andriamanitra manana ny Fanahy Masina dia ampiomanin’Andriamanitra amin’ny lalana hizorany. Jesoa miteny hoe : miambena mandrakariva ary mivavaha ka aza mitsahatra.
Hafatra ho an’ny FDL : nantsoin’ny Tompo ho amin’ny Asany ianareo. Sarobidy izany.
– Diakona tarihan’ny Fanahy Masina ianareo, miaina amin’ny fahamarinana sy finoana.
– Diakona mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra.
– Diakona vonona hiomana sy hiambina mandrakariva.
ASA VAVOLOMBELONA
Fiarahabana ireo reny noho ny Fetin’ny reny. Ny VMFP no nanatanteraka izany.
Tsodarano nataon’i Mosesy no natolotra azy ireo : « Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao. » Deotoronomia 33. 25
Notolorana lahateny sy hira koa ary nizarana fahatsiarovana ho sombim-pifaliana.
Nitondra ny teny fiarahabana koa ny SLK. « Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.» Galatiana 6. 10. Izany teny izany no novakian’ny solotenan’ny SLK, ho fampaherezana ireo reny.
Natao ny vavaka famaranana ary nangataka an-dRamatoa Ramino Vololona ny Mpitandrina handray fitenenana fisaorana, misolotena ny reny rehetra.
Nanao ny teny fisaorana ary namaky ny tononkalo « Sambara » nosoratan’Ny Ilo Jihy Raminoarinosy sy nivavaka izy.
IREO TOMPON’ANJARA

Raharinoa Fenitra
Nitendry orga
Rakotondramboa Andry
Nikirakira ny fafana
Harentsoa Rova
Nikirakira fanamafisam-peo
Ramiadamanana Lova
Naka sary
Rabako Tovohery –
Andriamahatana Rado
Nandray an-tsoratra

























































