ALAHADIN’NY MPIASA EO AMIN’NY FOIBE FJKM
“MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA”
“Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany…” 1 Korintiana 12: 1-11
Alahady fahaefatra manaraka ny Paska. Alahady natao hitondrana amim-bavaka ny mpiasa eo anivon’ny Foibe FJKM.
Mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe « MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA» isika.
Ny Vaomieran’ny Aim-panahy no nisahana izao fanompoana masina izao. Raharijaona Rasetamanana Solofonirina no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny litorjia endriny fahatelo no nanatanterahina izany.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanatanteraka ny vavaka fangatahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no nanambaran’ny Fiangonana ny finoany an’Andriamanitra.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra: 2 Samoela 23: 1 – 7; Matio 12: 22 – 30; 1 Kotintiana 12: 1 – 11.
Ny Diakona Rakotosalama Déborah sy Rasolonjanahary Fidy no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny sy namaky manontolo ireo perikopa voalahatra hovakiana androany.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Raverombolamanana Fanja, mpampianatra Sekoly Alahady K7 no nanatanteraka ny fotoana.
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Jaona 14:1 : ” Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa “.

TORITENY

Ny Epistily ho an’ny Korintiana, 1 Kor 12 : 1-11 no nitondrana ny hafatra.
Korinto dia tanana ivezivezen’ny varotra sy karazan’olona maro ka maro ny hevitra nifamoivoy tao.
Nila ho tafiditra teo amin’ny Fiangonana aza ireny karazan-kevitra ireny ka izany indrindra no nanosika an’i Paoly hanoratra izao taratasy izao, ho an’ny Fiangonana tao Korinto.
Ny epistily ho an’ny Korintiana dia manambara ny asan’ny Fanahy Masina ranoiray.
Manana seranan-tsambo 2 lehibe i Korinto (Avaratra sy Atsimo), nifamahofaho ny olona, ny firehan-kevitra, ny varotra, ny vola, ny fampianarana ary anisan’ny voakasika tanatin’izany ny “pneumatologie”: fianarana momba ny Fanahy Masina, fiezahana mamantatra izay tian’ny Tompo ampahafantarina mahakasika Azy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Mizara roa ny velankevitra :
1. Ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny isam-batan’olona ( I Kor.12:1-4):
Ny fanazavan’i Paoly voalohany an’izany asan’ny Fanahy Masina izany dia hita ao amin’ny I Korintiana 3:16.
Ny I Korintiana 12:3, no nanitsian’i Paoly, fa tsy misy olona mahay manaiky an’i Jesoa ho Tompo raha tsy tarihan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mitarika ny olona ho resy lahatra ary hanatona an’i Jesoa, mitarika ny olona hanana fiainana ao amin’i Jesoa.
Ny maha samihafa ny fitenenan-dratsy sy ny fahotana dia resaka finoana ny fitenenan-dratsy ary resaka fahalemena ny fahotana.
Raha mitodika amin’ny Fiangonana, dia ny vita Batisa no mandray ny Fanahy Masina, eo izy no tarihan’ny Fanahin’Andriamanitra; tsy tokony hisy fihozongozonana ny finoana na mety hisy ary ny fahalemena.
Misy ny olona efa vita Batisa sy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, nefa na ny finoany aza mbola hametrahany fanontaniana : “Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ahy izany?”
Raha tena nandray ny Fanahy Masina ianao dia tsarovy fa tena i Jesoa no Tompo sy Mpamonjy anao; aza manahy na matahotra andriamanitra hafa intsony, ary ampioreno ao amin’i Jesoa ny Finoanao.
2. Ny asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny fiombonana dia ny Fiangonana (I Korintiana 12:4-11)
Ny asan’ny Fanahy Masina eto dia mitarika ho amin’ny fiombonana, ho amin’ny fifamatorana, ho amin’ny firaisam-po, ho amin’ny firaisan-tsaina. Izany hoe ny olona tsirairay, izay efa nandray ny Tompo ka marina amin’ny finoany, no miaraka ao amin’ny Fiangonana izay tarihan’ny Fanahy iray. (tarihana ianao hamaky ny I Korintiana 12:4-6).
“Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany”.
Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.” I Korintiana 12:4-6
Misy karazana fanomezam-pahasoavana maro hitantsika manomboka eo amin’ny andininy faha-7. (tarihana ianao hamaky azy).
and. 12 : “Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.”
Eo amin’ny and.12 dia noharin’i Paoly amin’ny tenan’ny olona iray ny asan’ny Fanahy Masina. (eo koa ny Gal. 3:28).
Famaranana :
Ny Batisa dia iray ihany, ny Fanahy dia iray ihany, ny Tompo dia iray ihany, Andriamanitra dia iray ihany, izany hoe ny momba ny Finoana dia iray ihany fa ny fanomezam-pahasoavana no zarazaraina.
Samy hampiasa ny fanomezam-pahasoavany hampandrosoana ny fiombonana no hitarihan’ny Tompo ny Fiangonana.
Fanontaniana : Inona moa ny fanomezam-pahasoavana manokana nitarihan’ny Fanahy ahy?
Nomen’ny Tompo fanomezam-pahasoavana ianao satria nomeny ny Fanahin’Andriamanitra, manana ny finoana an’i Jesoa.
Iaino sy ivelomy ao anatin’ilay fiombonana izany, hahatonga anao hampandroso ny Fiangonana, hampandroso ny fitoriana ny Filazantsara, hampandroso ny Famonjena.
Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra fa ho amintsika kosa ny asan’ny Fanahy Masina.
ASA VAVOLOMBELONA
Nisy ny fampahafantarana ny Tranombakoka sy Arsiva eo anivon’ny FJKM nataon’ny solontenan’izany ivon-toerana izany.
Nanentana ny Fiangonana izy ireo mba hampiditra izany ho isan’ny tetikasan’ny Fitandremana.
IREO TOMPON’ANJARA

Raharinoa Fenitra
Nitendry orga
Rakotondramboa Andry
Nikirakira ny fafana
Harentsoa Rova
Nikirakira fanamafisam-peo
Ramiadamanana Lova
Naka sary
Rabako Tovohery –
Andriamahatana Rado
Nandray an-tsoratra















































