ALAHADIN’NY SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA (SLK)
“MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA”
“fa mitandrema ianareo….” Marka 13:9-11
Alahady fahatelo manaraka ny Paska androany. Ity koa no alahady iarahana miombom-bavaka amin’ny Sampana Lehilahy Kristiana eto amin’ny sahan’ny FJKM ary ho an’ny Fitandremana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena dia ivon’ny fanateram-bokatry ny SLK.
Mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe “MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA” isika ankehitriny.
Ny Sampana Lehilahy Kristiana no nisahana ny fitarihana izao fanompoana masina izao ka ny Filoha Rakotovololona Lovanosy no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny litorjia faharoa no nanatanterahina izany.Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra ary izy ihany koa no nanatanteraka ny vavaka fangatahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa na ny fanekem-pinoana nikeana no nanambaran’ny Fiangonana ny finoany.
Nisy ny tatitry ny asan’ny Sampana izay notanterahan’ Andriamahatana Rija ary ny Filoha no nanohy izany tamin’ny tatitry ny SLK Foibe.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra dia ny Zakaria 4: 1 – 7; Marka 13: 9 – 11; 1 Petera. 1: 10 – 12.
Rakotomalala Johary no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny.
Ralibera Andriambelomanana no namaky ny Testamenta Taloha.
Ramananjoelina Naina no namaky ny Filazantsara sy ny Epistily.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ratiarison Vall, mpampianatra K2 no nanatanteraka ny fotoana.
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Isaia 40 : 31 :
“fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa ; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery ; hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka”.
TORITENY

Ny Filazantsara araka ny Marka 13 : 9 -11 no nakan’ny Mpitandrina ny hafatra.
Raha vakiana manontolo ny Marka 13 dia milaza indrindra ny fanambaran’i Jesoa Kristy ny amin’ny handravana ny rafitra ao amin’ny tananan’i Jerosalema. Milaza ihany koa Izy ny amin’ny hiavian’ny Tompo aorian’ny handravana izany tanàna izany ary isan’izany ny handravana ny tempoly.
Rehefa nanambara izany ny Tompo dia nanatona Azy i Petera sy Jakoba ary Jaona sy Andrea ka nanontany ny fotoana hiavian’izany.
Kanjo tsy fotoana no nomen’i Jesoa ho valin’ny fanontanian’ny mpianatra fa hoy izy : « MITANDREMA » ary miverina hatrany izany ao amin’ny and.5, and. 9, and 23 ary ny and. 33.
Ny teny hoe MITANDREMA dia milaza fampiomanana.
Eto ny Tompo dia mampahafantatra mialoha ka miteny hoe miomana ianareo. Mampilaza mialoha ny mpianatra ny amin’izay mety hiseho sy hitranga.
Ny hoe mitandrema dia midika koa hoe miambena.
Ny hoe miambina dia mivonona mandrakariva amin’izay rehetra mety hitranga sy hiseho.
Manambara amin’ny mpianatra ary eto ny Tompo fa aoka ny fivavahana sy ny finoana no ao amin’ny fiainan’izy ireo ka raha mitranga izay voalazan’ny Tompo dia efa vonona izy ireo.
Amin’izany koa anefa no anambaran’i Jesoa fa Izy dia Andriamanitra,
Izy Izay tsy voafetran’ny habaka na ny fotoana na ny zavamisy.
Nampiomana ny mpianatra ny Tompo ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy fa ankehitriny kosa dia ny Tenin’Andriamanitra ialohavan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina no mampitandrina sy mampiomana antsika amin’izay sedra mety hatrehantsika amin’ny finoana.
Ny teny hoe MITANDREMA dia mifono fanomezan-toky ataon’i Jesoa ho an’ny mpianatra.
Amin’ny fotoana hitrangan’izay efa nampiomanana ny mpianatra dia hiasa ny Fanahy Masina ka homba azy sy hanome ny teny izay havaliny.
Ny Fanahy Masina no hanolo-tsaina sy hitari-dalana.
Eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona dia manahy izay hitranga izy ary mitady ny hevitra hiatrehana izany. Mazava ny fampianaram-pinoana atolotry ny Fiangonana manao hoe ny Tompo ihany no hanome anareo amin’ny fotoana, izay hiatrahanareo izany fa mila miambina ianareo zanak’Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina no efa mampiomana ka tsy ho tampoka aminareo ny zavatra rehetra.
Mila miaina amin’ny Tenin’Andriamanitra ary mila manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina miaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ary amin’izay dia voaomana amin’ny fisedrana sy ny mafy izay atrehana.
Rehefa tonga izany dia Ilay Fanahy Masina izay efa nampiomana antsika io ihany no hiasa ka manome antsika ny valiteny sy ny fomba hiatrehana, ary hanome ny vahaolana.
Ho an’Andriamanitra Irery ny Voninahitra. Amen!
ASA VAVOLOMBELONA
Nanao ny fampahafantarana ny Gideon International ny solontenan’izany fikambanana izany.
Nambara fa miara-miasa amin’ny FJKM izy ireo ka ny antom-pisiany dia mizara sy manaparitaka ny Baiboly amin’ny toerana samihafa toy ny hotely, ny hopitaly, ny toby miaramila na koa ny fonja ary toerana hafa ihany koa.
IREO TOMPON’ANJARA

Rajaofetra Philippe
Nitendry orga
Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira ny fafana
Andriamahatana Rija
Nikirakira fanamafisam-peo
Rakotoarisoa Falimandimby
Naka sary
Rabako Tovohery
Nandray an-tsoratra




















































