“MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA”
ALAHADY FAHAROA MANARAKA NY PASKA
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
“Ary Jesoa feno ny Fanahy Masina…” Lioka 4:1a
Alahady voalohany amin’ny volana aprily ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy vaovao, eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : « Mitari-dalana ny Fanahy Masina».
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Ireo teraka ny volana aprily no nanatitra rakitra tsingerinandro teny amin’ny alitara.
Alahady voalohany amin’ny volana, koa nisy ny fiombonana latabatra amin’ny Fanasan’ny Tompo.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Diakona avy ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana no tompon’anjara. Rajaofetra Eric no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny. Rajaofetra Bakoly kosa no namaky ny Soratra masina.
Ny Perikopa voalahatra : Ezekiela 43 : 1-9 ; Lioka 4 : 1-13 ; Asan’ny Apostoly 16 : 6-10.
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Randrianjafitrimo Elia, no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Lioka 4 : 1-2a “Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ny Fanahy tany an’efitra” no nakany ny hafatra.
Any am-piangonana dia manafika amin’ny torimaso, tsy fifantohana ary tabataba ny devoly. Manoloana izany dia mila miambina isika.
Nalain’ny devoly fanahy i Jesoa. Isika ihany koa dia alain’ny devoly fanahy ka tokony miantso ny Fanahy Masina amin’ny fotoana rehetra, hiaro antsika.

TORITENY

Tao amin’ny Asan’ny Apostoly 16 : 6-10 no nakana ny fampianarana.
Niompana tamin’ny fampianarana momba ny Fanahy Masina ny toriteny.
Ny nitarihan’ny Fanahy Masina an’i Paoly sy Silasy mahakasika ny asan’ny Tompo no nitondrana ny fampianarana.
Navoitra tamin’izay ny mahasarobidy ny Fanahy Masina sy ny ataon’ny mpino manoloana ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Andriamanitra no namorona ny olombelona, Jesoa no mpamonjy ny olombelona ary ny anjara asan’ny Fanahy Masina kosa dia mampahery, mitari-dalana, manolo-tsaina ary misolo vava ny mpino.
Ho setrin’izany dia mila manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina isika amin’ny asan’ny Tompo sy izay rehetra ataontsika.
FAMARANANA
– Niarahana nanonona ny Tondrozotra :
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Rom.6 : 19d)
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b)
– Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
– Nohiraina teo am-piravana ny FFPM 625 : 5.
– Nitohy avy hatrany tamin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo ny fotoana.
IREO TOMPON’ANJARA

Rabiazamaholy Mahery
Nitendry orga
Rakotonarivo Kaloina
Nikirakira ny fafana
Rajaofetra Cédric
Nikirakira fanamafisam-peo
Rakotoarisoa Falimandimby
Naka sary
Zanaharitsimba Toky
Nandray an-tsoratra










































