Alahady 27 Aprily 2025

ALAHADIM-BOKATRY NY SAMPANA TANORA KRISTIANA ZOKINY
“VELONA NY TOMPO”
ALAHADY FAHAROA MANARAKA NY PASKA
ALAHADY NITONDRANA AMIM-BAVAKA NY ASAN’NY TOPAZA FJKM (TOERAM-PAMONJENA ZAZA)
«Miorena tsara, aza miova» 1 Korintiana 15 :58

Alahady faharoa manaraka ny Paska ity alahady ity ary koa alahady farany amin’ny volana aprily, mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Velona ny Tompo”.
Alahady nitondrana amim-bavaka ny asan’ny Topaza manerana ny sahan’ny FJKM.
Alahady ivom-bokatra sy niarahana niombom-bavaka tamin’ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny teto amin’ny Fitandremana. Ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny no nanatanteraka ny fotoana.
Rabarijaona Lantoniaina, Filohan’ny Sampana, no nitarika ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry, no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny fahatelo no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana fahatelo no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Jeremia 10:6-16 ; Lioka 8:49-56 ; Romana 6:8-14.
Ny Diakona Randriamasinoro Diamondra sy Andriambelo Voahangy no nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Ny Rantsana Fanantenana sy Fialamboly (RFF) no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Nanao anjara hirany “Olona afaka” ny STKZo taorian’ny tatitry ny asa izay notanterahin’Andriamasinoro Erika.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
TORITENY

Ny Lioka 8:49-56 sy Romana 6:8-14 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra.
Ary nampifandraisina tamin’ny lohahevitra “Velona ny Tompo”.
Midika inona amintsika ny hoe “Velona ny Tompo”?

  • Mitondra Famonjena ho an’izay mino Azy (Lioka 8: 49-56)
    o Famonjena tahaka ny ahoana?
    o Hatraiza ny herin’ny finoana sy ny hatran’ny Famonjena?
    o “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy”(and. 50)
    o Namorona ny olona Jehovah Andriamanitra (Gen. 2:7). Io no fototra nihariana ny olona. Andriamanitra raha nahary ny olona : “physique”, fanahy (fofon’aina), finoana. Ny famonjena ny olona dia tsy ara-panahy ihany fa ara-nofo ihany koa.
    o Mahakasika ny ara-nofo ny Tenin’Andriamanitra (Oha. 4:22), misy maharary ve eo aminareo? (Jak. 5)
  • Tokony ho fahavelomana ho an’Andriamanitra Izay namonjy azy (Rom. 6:8:10)
    o Misy ifandraisana ny fahavelomana sy ny fiainana
    o “Fahavelomana” : nofo aman-drà (existence terrestre)
    o “Fiainana” : mitodika amin’ny mandrakizay (vision escatologique); “spirituel” kokoa
    o Velona isika ho an’I Kristy.

Ny tondrozotran’ny Fiangonana
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Rom.6 : 19d)
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b)

IREO TOMPON’ANJARA
Rakotondrabe Manjaka
Nitendry orga

Rakotonarivo Vatsy
Nikirakira ny fafana

Rabemananoro Jonathan
Nikirakira fanamafisam-peo

Raharijaona Nirina
Naka sary

Raoliarizaka Bakoly
Nandray an-tsoratra