ALAHADY PASKA
« VELONA NY TOMPO »
NANAOVANA VOKA-DEHIBE
« Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay » Daniela 6 : 27b
Alahady Paska, Andro fandresena sy fahavelomana ary ivon’ny Voka-dehibe.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ramatoa Rakotomanana Andy no nanao ny vavaka ary notohizany tamin’ny famakiana ny Soratra masina.
Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatontosaina ny fanompoampivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nanana anjara hira androany.
Ny sampana mpihira rehetra no niara-niredona nihira nandritra ny fanatanterahan’ny Fiangonana ny Rakitra alitara.
Nofaranana tamin’ny fiaraha-niombona latabatra masina tamin’ny Tompo ny fotoana.









FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA

Rakotonirina Voahangy no tompon’anjara. Ny Daniela 6 : 27b « fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay » no nangalana ny hafatra.
Tsy misy maharitra ny zavatra rehetra. Raha nisy fahamaizana nandoro tany Californie, Etazonia tamin’ny fiantombohan’ny taona 2025 tany dia tsy naharitra izany fa levon’ny rano ; ny rano dia mety ho ritran’ny masoandro, ny masoandro dia takon’ny zavona, ny zavona aelin’ny rivotra, ny rivotra voasakan’ny havoana, ny havoana mety trongisin’ny olombelona ary ny olombelona mety maty. Jesoa Irery ihany no maharitra mandrakizay, efa resiny ny fahafatesana. Resiny ny fahafatesana, mpandresy izy ary izy no ivelomantsika.
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny Perikopa voalahatra : Daniela 6 : 26-29 ; Matio 28 : 1-17 ; Apokalypsy 2 : 8-11.



TORITENY

Amin’ity Paska ity dia manana hafatra ho antsika ny Tompo ka ny Matio 28. 1-17 no nakana izany.
Nandresy ny fahafatesana ny Tompo. Velona Jesoa Kristy ka miteny amin’ny Fiangonana hoe :
1. « Finaritra, Fiadanana »
« Ary indro Jesoa nifanena tamin’ny mpianany ka nanao hoe : Finaritra » Matio 28. 1a.
Midika izany fa miombona fo sy fanahy amintsika Jesoa. Manatona anao Andriamanitra ka velomy ny fifamatoranao Aminy.
2. « Aza matahotra »
« Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ny vehivavy hoe : Aza matahotra hianareo » Matio 28. 5
« Dia hoy Jesoa taminy : Aza matahotra« Matio 28. 10
Io teny « aza matahotra » io matetika dia misy tohiny manao hoe « Indro Aho momba anareo ». Araka izany dia sady momba antsika Andriamanitra no mampandresy antsika.
3. « Mandehana ka mitenena »
« Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy. » Matio 28. 7a
Maniraka ny olom-boavonjy ny Tompo. Mandehana ambarao ny Filazantsara sy ny famonjena ary ny fandresena.
FAMARANANA
Niarahana nanonona ny Tondrozotra.
Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
Nitohy avy hatrany tamin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo ny fotoana.
IREO TOMPON’ANJARA

Rabiazamaholy Mahery, Ranaivoson Jacky
Nitendry orga
Raharijaona Nantenaina
Nikirakira ny fafana
Harentsoa Rova, Rabemananoro Jonathan
Nikirakira fanamafisam-peo
Andriamampianina Faneva
Naka sary