Alahady 13 Aprily 2025

ALAHADY IVOM-BOKATRY NY SAMPANA DORKASY
“VELONA NY TOMPO”
ALAHADY SAMPANDROFIA
« Fiadanana ho anareo» Jaona 20:19b

Alahady faharoa amin’ny volana aprily, ibanjinana hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM: “Velona ny Tompo”. Alahady ivom-bokatry ny sampana Dorkasy ary alahadin’ny sampandrofia ihany koa. Razafindrakoto Voahangy, Loholona, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry nitondra ny hafatra. Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana. Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy. Ny Perikopa voalahatra : Salamo 84 :1-7 ; Marka 11 :15-17 ; Asan’ny Apostoly 14 :11-18. Raharisata Lalanirina, Filohan’ny sampan Dorkasy sy Rakotondramboa Hanitra, Diakona, no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra masina. Ny Sampana Taniketsa (STAF) no nanao anjara hirany: “You are my all in all”.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Rahalivaseheno Radanielina Noro, mpampianatra ao amin’ny K7, no tompon’anjara.
Ny Jaona 20 :29, manambara ny fisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.

TORITENY

Ny Salamo 84: 1-3 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra. Alahadin’ny sampandrofia izay manambara ny fotoana niakaran’i Jesoa nankany Jerosalema, ny fihobiana miezinezina izay nampifandraisina tamin’ny lohahevitra “Velona ny Tompo”.
Inona no andrasan’Andriamanitra amin’ny Fiangonana?
Hafatra telo no nasongadina ho an’ny mpianakavin’ny finoana :

  • Endrey ny hatsaran’ny tabernakelinao Jehovah, Tompon’ny maro o! (and.1)
    o Tsara ny tranonao Jehovah tompon’ny maro ;
    o Tianay ny mankao an-tranonao Jehovah : hifanerasera, hankato ny fitsipika ambarany, hifamatotra ;
    o Kristianina manompo ny Tompo.
  • Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko (and.2a)
    o Malahelo rehefa tsy mankany an-tranon’Andriamanitra;
    o Tsy andry intsony ny hankanesana any an-tranon’Andriamanitra.
  • Ny foko sy ny nofoko mihoby an’Andriamanitra velona (and.2b)
    o Ny “fo” eto dia milaza ny fifandraisana amin’Andriamanitra, Fanahy, fivavahana;
    o Ny “nofo” kosa dia milaza ny ivon’ny fisiana eto amin’izao tontolo izao;
    o Ny manontolonao izany no manompo an’Andriamanitra.

Raha atao ny pratika eto dia:

  • Zanak’Andriamanitra mihoby an’Andriamanitra amin’ny alahadin’ny sampandrofia;
  • Tia ny tranon’Andriamanitra, mahatsiaro fahasambarana ny Fiangonana, ny Tempoly, ny asan’ny Fiangonana;
  • Manina ny tranon’Andriamanitra rehefa ela tsy nihaona tamin’Andriamanitra;
  • Ny fiainana manontolo no entina mihoby sy midera an’Andriamanitra.

Ny tondrozotran’ny Fiangonana
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Rom.6 : 19d)
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b)

IREO TOMPON’ANJARA
Rajaofetra John – Rajaofetra Antonio
Nitendry orga

Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira ny fafana

Rabiazamaholy Hery Lanto
Nikirakira fanamafisam-peo

Rakotondramboa Andry
Naka sary

Raoliarizaka Bakoly
Nandray an-tsoratra