« VELONA NY TOMPO » « ALAHADY FAHADIMY AMIN’NY KAREMY » « ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO » « ALAHADY NANOKANANA LOHOLONA » « »Velona Jehovah, isaorana anie ny vatolampiko ». II Samoela 22 :47a
Alahady voalohany amin’ny volana aprily ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy vaovao eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : « VELONA NY TOMPO ». Alahady fahadimy amin’ny Karemy, handinihan-tena sy hanatonana an’Andriamanitra mialoha ny andro Paska.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Ireo teraka ny volana marsa no nanatitra rakitra tsingerinandro teny amin’ny alitara.
Nisy ny fanokanana ho Loholona tao anatin’ny Asa Vavolombelona.
Alahady voalohany amin’ny volana, koa nisy ny fiombonana latabatra amin’ny Fanasan’ny Tompo.
Nanomboka anio ny fanaterana ny Vokadehibe ary haharitra hatramin’ny alahady 4 may 2025 izany.

Andriamampianina Naivo, mpampianatra K9, no nanatanteraka ny fotoana.
Ny 2 Samoela 22 : 47a « Velona Jehovah, isaorana anie ny vatolampiko » no nakany ny hafatra.
Nidera ny Tompo i Davida rehefa novonjeny tamin’ny fahavalony
Nofaranana tamin’ny hira manao hoe : Velona ny Tompo ; Deraina Jesoa ny fampianarana.
TORITENY
Ny Ny 2 Korintiana 3 : 2 « Hianareo no Episitilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakian’ny olona rehetra »no nakana ny fampianarana.
Amin’ny Karemy dia volomparasy ny lokon’ny Litorjia. Rehefa Paska kosa dia ovaina fotsy izany, ho mariky ny fahaveloman’ny Tompo.
Velona ny Tompo, velona ho an’ny Fiangonana sy ho an’ny olona rehetra Izy.
- Satria Velona ny Tompo dia velona ihany koa ny Fiangonana ka manana fifamatoram-piainana ny mpianakavin’ny Tompo. Araka ilay voalaza hoe « Hianareo no Episitilinay voasoratra ato am-ponay »
- Velona ny Tompo, velona ny Fiangonana sady velona ho an’ny hafa sy ny fiaraha-monina araka ilay voalaza manao hoe «sady fantatra sy vakian’ny olona rehetra ».
Fehiny, karemy sy fotoana mifandray amin’ny fiainam-pinoana sy fandinihan-tena, fisaintsainana izao. Mila mivavaka, mandini-tena.
♫ Feo ♪




– Fanokanana an-dRamatoa Ravoniarimino Faramalala ho Loholon’ny Fiangonana.
– Nitohy avy hatrany tamin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo ny fotoana.







Nikirakira ny fafana : Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova sy Ramahery Yves
Naka sary : Ravelojaona Harentsoa sy Rakotoary Mirado
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky
























