Alahady 30 Marsa 2025

« MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO »
Alahady nitondrana amim-bavaka ny Asa FIfandraisana sy FAmpahalalamBaovao (AFIFAB)
« Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava ». Jaona 12 :36a

Alahady fahaefatra amin’ny Karemy, handinihan-tena mialoha ny andro Paska. Alahady farany amin’ny volana marsa. «Miantso ho amin’ny Fibebahana ny Tompo» no mbola fitaizam-panahy.
Alahady koa natokan’ny FJKM itondrana amim-bavaka ny AFIFAB.
Ny Vaomieran’ny Aim-panahy no nandrindra ny fanompoam-pivavahana. Andrianary Rambolamasoandro, Diakona, no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra: Joela 2:12-17; Jaona 12:34-36 ; Apokalypsy 2 : 1-7.
Ny Diakona Andriamasinoro Ianjambola sy Andriamasinoro Nantenaina no nifarimbona tamin’ny vavaka sy famakiana ny Soratra Masina.
Ny Rantsana Fanantenana no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.

 

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andrianifahanana Hantarisoa, mpampianatra K4, no tompon’anjara.
Ny Jaona 12 : 36a no nakany ny hafatra sy nisintonany lesona. Ny teny hoe « mazava » izay misy ifandraisana amin’ny Trinite Masina : Ray, Zanaka, Fanahy Masina, no nentina nampifandraisina tamin’ny andinint-Soratra Masina. Ny Fanahy masina no manazava antsika. Rehefa manana ny mazava dia mino an’i Jesoa Kristy izay mitarika antsika ho tonga zanak’Andriamanitra. Niarahan’ny fianakaviamben’ny Sekoly Alahady niredona ny hira FFPM 434 :1.

TORITENY

Ny Apokalypsy 2: 1-7 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra izay niompana amin’ny Karemy sy ny fandinihan-tena. Inona moa ny “Karemy” ? Foto-pampianarana katolika no niaingan’ny Karemy, mifamatotra amin’ny asa fanaovan-tsoa. Fampianaram-pinoana, fandinihan-tena ary fifamatorana amin’Andriamanitra, fisaintsainana (réflexion) ho an’ny Protestanta. Hafatra telo no nasongadina ho an’ny mpianakavin’ny finoana.

  • Mahafantatra sy mahita anao ny Tompo (And. 1-7)
    • Tena mahafantatra ny fiainan’ny Fiangonana sy ny olona ny Tompo.
    • Ny Fiangonana tsy afaka miala fa fantatry ny Tompo.
    • Aza mihevitra ny hiala amin’ny Tompo.
    • Misy ny mialokaloka amin’ny “bonnes oeuvres”.
    • Fandinihan-tena no laharam-pahamehana fa tsy mialoka amin’ny zavatra hafa.
  • Mitarika sy manoro hevitra ny Tompo
    • Manoro ny lalana tokony alehan’ny Kristiana Andriamanitra.
    • Ny Soratra Masina sy ny Tenin’Andriamanitra no hitaridalana antsika.
    • Mitondra amin’ny lalan’ny fahamarinana.
  • Manome safidy Andriamanitra
    • Izay manan-tsofina aoka izy hihaino (option , choix) (And. 7)
    • “Choix” sy “Option” manana ny maha izy azy ho an’ny Protestanta “réformés”.
    • Ny Tompo tsy manery anao, misafidy ny olona na hamoha na tsia.

Fehiny, karemy sy fotoana mifandray amin’ny fiainam-pinoana sy fandinihan-tena, fisaintsainana izao. Mila mivavaka, mandini-tena.

♫ Feo ♪

ASA VAVOLOMBELONA

– Fanoloran-jaza: Razafimbelo Hanambinantsoa Warren, teraka tamin’ny 22/01/2025.

  • – Nandray ny Sakramentan’ny Batisa :
  • – Randrianandrasana Ilainavalona Yunah ;
  • – Ramilison Annais Hasimbola.

Fanentanana: mahakasika ny iray volan’ny voka-dehibe.

  • -Asa sy fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra John
Nikirakira ny fafana : Rakotonarivo Kaliana
Nikirakira fanamafisam-peo :
Naka sary :
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly