Alahady 23 Marsa 2025

««MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHABNA NY TOMPO»
ALAHADY FAHATELO AMIN’NY KAREMY
« Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo. » Asan’ny Apostoly 3 :19

Alahady fahatelo amin’ny Karemy, fotoana natokana handinihan-tena sy hanatonana an’Andriamanitra mialoha ny andro Paska.
Ny lohahevitra fitaizam-panahy « MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO » no mbola banjinina mandritra izao volana marsa izao.
Ny Diakona Razafindrasata Lalaina no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Litorjia amin’ny endriny faharoa no nentina nanatontosa ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekempinoana laharana faharoa no nentin’ny mpianakavin’ny finoana naneho ny finoany.
Ny Rantsana Fialamboly sy Fanatanjahantena (RFF) no nanana anjara hira.
Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia notanterahina ny Fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA

Rabezandrina Lalaina no nanatanteraka ny fotoana.
Ny Jakoba 5 : 16b « Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » no nangalany ny hafatra.
Nisy evanjelistra iray tratry ny orana rehefa avy nanao asan’Andriamanitra. Nialoka tao anaty trano haolo izy ary nanararaotra nivavaka ho an’ireo mpanota ratsy fanahy sy nifona ho azy ireo. Afaka iray volana dia namangy fonja ity mpanompon’Andriamanitra ity. Nisy voafonja iray nanatona azy ka niteny taminy nanambara taminy fa nahakasika ny fony ny vavak’ity evanjelistra ity ka nampibebaka azy. Ity voafonja ity dia mpangalatra avy nanao ny asa ratsiny ka niafina tao anatin’ilay trano haolo nialofan’ilay evanjelistra. Tao no nahenoany ny vavak’ilay evanjelistra izay nitarika azy hibebaka nanosika azy hitolo-batana tany amin’ny mpitandro filaminana. Nambarany fa na voafonja aza izy dia mahatsiaro tena ho afaka satria efa nandray ny Tompo.
Fehiny, mila mahery mivavaka isika, mila mifona sy mibebaka ary mivavaka ho an’ny hafa.
Ny HIRA FFPM 354 : 4 no noredomina taorian’ny vavaka.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny perikopa voalahatra : II Tantara 30 : 1-9 ; Lioka 13 : 1-5 ; Asan’ny Apostoly 3 : 17-21.
Ireo Diakona tompon’anjara : Rabiazamaholy Léa no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny, Rajaonarison Zo kosa no namaky ny Tenin’Andriamanitra.

TORITENY

Ny Mpitandrina Tahiry Rakotomanana no nitory ny Teny.
Mahakasika ny fibebahana no ivon’ny toriteny.
Ny Asan’ny Apostoly 3 : 17-21 no nakany ny toriteny. Ao amin’ity andalan-tSoratra masina ity, manoloana ny asa famonjena amin’ny alalan’ny fibebahana dia samy manana ny anjara andraikiny ny olombelona sy Andriamanitra.
Ny Asan’ny Apostoly 3 : 18 sy 20 no ahitana ny anjara asan’andriamanitra izay maniraka an’i Jesoa Kristy hamonjy antsika. Manoloana izany asa famonjena izany dia minia tsy mijery ny andron’ny tsy fahalalana Andriamanitra.
Ny Asan’ny Apostoly 3 : 19 kosa no mampiseho ny anjara asan’ny zanak’olombelona izay mandidy azy ireo hibebaka. Ny atao hoe mibebaka dia miala amin’ny fanao ratsy ka miverina mandeha any amin’ny lala-marina miara-dalana amin’i Kristy.
Manoloana ny famonjena antsika, ny anjaran’Andriamanitra dia efa tanteraka tamin’ny nandefasany an’i Jesoa hamonjy antsika. Ny anjarantsika dia ny mibebaka sy mitodika mandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny fiainantsika.

♫ Feo ♪
IREO TOMPON’ANJARA:
Nitendry orga : Randriambeloson Sitraka
Nikirakira ny fafana : Rajaofetra Arielle
Nikirakira ny fanamafisam-peo : Andriamahatana Rija
Naka sary : Andrianandrasanarinaivo Mihaja sy Andrianandrasanarinaivo Fitia
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky