«MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO
ALAHADY FAHAROA AMIN’NY KAREMY
IVOM-BOKATRY NY SAMPANA TANIKETSA
“……..” ? : 15-21
Ity no alahady faharoa amin’ny Karemy izay natao indrindra ho fandinihan-tena ho antsika Kristiana. Ho an’ny Fitandremana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena dia ivom-bokatra no sady famaranana ny herinandrom-bokatry ny Sampana TANIKETSA.
Ho an’ny sahan’ny FJKM manokana kosa dia ity no fotoana natao hitondrana amim-bavaka ny sampan’asa SAF FJKM.
Mbola ao anatin’ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : « MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO » isika ankehitriny.
Ny Filohan’ny Sampana Taniketsa, Randriambeloson Sitraka Fabrice no nitarika ny fanompoam-pivavahana ka ny Litorjia faharoa fampiasa eto anivon’ny FJKM no notanterahina tamin’izany.
Ny Mpitandrina eto an-toerana, Rakotomanana Herintsoa Tahiry, no nitory ny Tenin’Andriamanitra ary nanatanteraka ny vavaka fangatahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no notanterahin’ny Fiangonana nanehoany ny finoany an’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.
Ny Perikopa voalahatra : Hosea 14: 2-4; Marka 1: 14-15; 2Timoty 2: 19-21.
Ny Sampana Taniketsa moa no tompon’anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana ka Rakotoarisoa Donnah no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny, Rajaofetra Marine no namaky ny Testamenta Taloha ary Ranaivo Nathanaël no namaky ny Filazantsara sy ny Epistily.





Andriamizakason Ny Hasina – K1 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny hafatra dia nalaina araka izay hita ao amin’ny bokin’ny Ohabolana 3 : 5
« Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’ny fahalalanao. »
Toriteny an-kira no notanterahin’ny Sampana Taniketsa, izay nifarimbonany tamin’ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry
Ny hafatra dia nalaina araka izay hita ao amin’ny 2Timoty 2 : 19-21.
Alahady faharoa amin’ny Karemy anio koa araka izany dia ao anatin’ny fotoana fandinihan-tena isika.
Ny Karemy dia natao ifadian-kanina saingy mavesa-danja mialoha izany ny fandinihan-tena sy ny fifatoran’ny olombelona amin’Andriamanitra.
Isika dia ao anatin’ny fandinihana ny lohahevitra hoe « Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo » koa raha hampifandraisina amin’ny karemy izany dia mahatonga antsika handinika ity lohahevitra ity hoe : Efa nibebaka marina tamin’Andriamanitra tokoa ve aho ?
1- Ny olona mibebaka dia miezaka manadio ny tenany ka miala amin’ny ratsy fanaony.
Ny ratsy ambara eto dia ny tsy rariny eo anatrehan’ny fitsipika sy ny lalàn’Andriamanitra na « Injustice contre la loi de Dieu ».
Ny ratsy ambara eto ihany koa dia ny hoe : (and. 20) Mibedibedy foana, manao fampianaran-diso, fampianaram-pinoana tsy izy ka ilazana fa efa lasa ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.
Hira roa no nataon’ny STAF : « Dieu te cherche » – « Ray o inty ».
2- Ny olona mibebaka dia nohamasinina – voavoatra ho amin’ asa tsara
Ny olona mibebaka dia nohamasinina, voavoatra izany hoe ilain’ny Tompo ho amin’ ny asa tsara. Tsy izay tianao atao no atao hoe tsara, fa hoy ny Tompo ao amin’ny Jaona14 :12 « Izay mino Ahy ny asa ataoko no ataony koa » .Ny asa nataon’ny Tompo izany no tohizana.
Hira roa indray no nataon’ny STAF taorian’izany : « Hitarika » – « Dieu est la source de ma joie »
Andriamanitra Irery ny Voninahitra. Amen!
♫ Feo ♪



































Nisy ny zanaky ny Fiangonana izay nandray ny sakramentan’ny Batisa dia Razafindralambo Hanitra Iloniaina sy Razafindralambo Mandresy ny Aiko.
Nitendry orga : Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira fafana : Randriamasimanana Andrinavalona
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto
Sary : Fitia Andrinandrasanarinaivo
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery











