«« MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO »
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY KAREMY
ALAHADIM-BOKATRA
RANTSANA FANATANJAHANTENA SY FIALAMBOLY (RFF)
« … tsy avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka. » (Lioka 5. 32)
Alahady faharoa amin’ny volana marsa ity alahady ity, ary alahady voalohany amin’ny Karemy, mitondra ny loko litorjika volomparasy. Ny Karemy moa dia tsy fifadian-kanina sy fivavahana ihany fa midika ho fandinihan-tena, fisaintsainana sy fanolorantena.
« Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo » no lohahevitra banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana marsa ity.
Alahady miavaka noho ny fotoana fanateram-bokatry ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF). Ny RFF no nandrindra sy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana.
Rajaonarison Tokinarivo no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra, toriteny an-kira niaraka tamin’ny RFF.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : 2Mpanjaka 17: 6 – 13 ; Lioka 5 : 27 – 32 ; Apokalypsy 3 : 1 – 6.
Ny Diakona Razafindrakoto Vohangy no nivavaka mialoha ny namakiana ny Teny. Randriamanampisoa Mamitiana Fara namaky ny Testamenta Taloha ; Ifalianjanahary Ny Anay no namaky ny Testamenta Vaovao.
Ny Sampana Tanora Kristiana (STK) no nanao anjara hirany « Antso ho anao » taorian’ny toriteny.
Nanao ny tatitr’Asan’ny RFF ny mpitantsoratra Andriantseheno Rantotiana. Rehefa dia noredonin’ny mpikambana rehetra ankehitriny sy teo aloha ny hira « Mandehana, manaràna ».
Tenin’ny Mpitandrina
Fanentanana : Araka ny Synoda Lehibe natao tany Sambava ny volana aogositra 2020 dia hijery manokana ny fianakaviana isika FJKM (FFTT). Fitodihana manokana amin’ny ankizy sy tanora : Mikarakara famelabelaran-kevitra ny Sampana Taniketsa eto amin’ny Fitandremana ny alarobia 12 marsa izao, amin’ny 6 ora hariva. Iantsoana ny tanora rehetra tsy ankanavaka, ny mpanabe sy ny rehetra.
Nisy Asa sy fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.










Andriantseheno Hanitra, mpampianatra K1, no tompon’anjara.
Lioka 5 : 32 « tsy avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka » no nandraisany ny hafatra sy fampianarana.
Nanontany izy hoe inona no hita niova eo amin’ny alitara. Niova loko ho volomparasy, hoy izy, ny lamba sy ny zioga saloran’ny Mpitandrina satria mandia ny fotoanan’ny Karemy izay midika fa fifonana sy fibebahana.
Hoy Jesoa hoe « tsy avy hiantso ny marina Aho ». Miantso antsika hibebaka i Jesoa koa meteza mamaly ny antsony. Mila manana fiainam-pinoana, mila mibebaka, manome toky Azy fa tsy hiverina amin’ny ratsy fanao. Ario ny hakiviana manoloana ny ratsy ka mampihemotra. Jesoa no banjino. Atolory Azy ny fonao ; tongava mianatra Sekoly Alahady fa miantso anao Jesoa, maneke ny antsony.
TORITENY
Toriteny an-kira no notanterahin’ny Mpitandrina sy ny RFF. Ny Jaona 5 : 27-32 no noraisiny tamin’izany.
Mpandray anjara fototra (acteur principal) telo no hita notanisain’ny Mpanoratra (chroniqueur) eto : Levy, ny fariseo sy ny mpanora-dalàna ary Jesoa.
1) Levy (And. 27, 28)
Ny mampiavaka azy dia ny fibebahana nataony teo am-pamorianketra. Tsy nisy fanontaniana fa raha vao nantsoin’ny Tompo izy dia nanaraka avy hatrany:
- – Nahafoy ny zavatra rehetra
- – Nitsangana
- – Nanaraka an’i Jesoa
Izay no nataon’i Levy rehefa nantsoin’i Jesoa ho amin’ny fibebahana izy.
Rehefa miantso ny Tompo dia mibebaha ianao, mahafoeza ny zavatra rehetra (vola, asa, toetra ratsy, andavanandrom-piainana, mahafoy tena)
Nanao fanasana i Levy (And. 29)
Manao ahoana isika ? Mba manao tahaka an’i Levy ve ?
Hira roa : « Ry Tompo, omeo hery aho » sy « Ao Izy e »
2) Ny fariseo sy ny mpanora-dalàna (And. 30)
Inona ny nataon’izy ireo rehefa nibebaka i Levy ?
- – Nimonomonona
- – Nitsara sy nanome tsiny
- – Nitabataba
Manao ahoana anefa ny fijerin’ny olona mibebaka ? Fifaliana ve sa fitsarana ?
Fifaliana any an-danitra, raha marina ny fibebahana (Lioka 15 : 7)
Ny Tenin’Andriamanitra tsy tonga hitsara fa hitarika hoe ahoana ny fitondrako ny fiainako rehefa misy mibebaka.
Tsy misy mendrika, madio na marina isika rehetra, fa angatahina ny Tompo dia aoka hanana fifaliana amin’ny fibebahana.
Hira roa : « Voavela heloka » sy « Saingy tsy foinao »
3) Jesoa (And. 31, 32)
Ny Zanaka lahitokana no namonjy antsika. Izy no miteny eto, mamarana ny fitenenana, miantso antsika rehetra hiala amin’ny fahotana, manome fanasitranana.
Io no iraka nalehany tety amin’izao tontolo izao.
Mampieritreritra ilay ambaran’i Jesoa eto :
- – Fanasitranana : misy marary izany
- – Marina : misy mpanota izany
Fanontaniana : Iza ilay marary, ilay mpanota antsoin’ny Tompo ? i Levy ve ?
Tsy diso izany. Ny fariseo sy mpanora-dalàna koa, hoy ny teolojiana iray izay, noho izy ireo nimonomonona.
Impiry moa Jesoa no niteny tao amin’ny Filazantsara hoe : taranaky ny menarana, mpihatsara ivelatsihy, mpandainga. Tena tafiditra ao tsara ireo fariseo.
Raha fintinina dia isika rehetra no mila izany. Ho antsika no nahatongavan’i Jesoa koa hihazakazaka hahatsapa ny iraka nampanaovina an’i Jesoa isika.
« Miantso amin’ny fibebahana ny Tompo »
Hira iray : « Anao no nindramiko »
Rehefa raisina ny Perikopa androany dia mampieritreritra antsika ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpandray anjara fototra telo, koa :
- – Mibebaha, aza miandry, aza mangataka andro
- – Rehefa mibebaka dia fifaliana no hitsenana Azy fa tsy amin’ny fimonomononana
- – Saino mandrakariva ny hoe : tsy ho avy ho an’ny marina fa ho an’ny mpanota mibebaka Izy.
♫ Feo ♪


































Nitendry orga : Rakotanarivo Hery sy ireo mpitendry zava-manenon’ny RFF
Nikirakira fafana : Raharijaona Nirina
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto sy Harentsoa Rova
Naka sary : Ramahery Hasina sy RFF
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy























