Alahady 02 Marsa 2025

«MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO»
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
“Koa mibebaha hianareo dia ho velona“. Ezekiela 18 : 32b

Alahady voalohany amin’ny volana marsa ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy vaovao eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : « MIANTSO HO AMIN’NY FIBEBAHANA NY TOMPO ». Alahady fahavalo manaraka ny Epifania.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitondra ny hafatry ny Tompo.
Ny Litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra dia ny Ohabolana 1:20-33 ; Matio 3: 7-12 ; Asan’ny Apostoly 26 : 19-23.
Ireo Diakona tompon’anjara: Andrianifahanana Hantarisoa no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny. Rakotonarivo Tsiry no namaky manontolo ireo perikopa voalahatra.
Ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Ireo teraka ny volana febroary no nanao rakitra tsingerinandro naterina ety amin’ny alitara.


FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Ramanandraibe Haingo no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny andinin-tSoratra Masina Ezekiela 18 : 32b : « Koa mibebaha hianareo dia ho velona » no nanatsoahany ny hafatra ho azy ireo.
TORITENY

« Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo » Matio 3 : 8

1-Inona marina ny atao hoe Fibebahana ao amin’ny Tompo?
« ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany » Matio 3 : 6
Batisa :

  • Diovina ny fahotan’ny nofo
  • Fikisahana mandray ny Fanahy Masina.

Fibebahana: Fikisaham-piainana ny hoe « Mibebaha. »

  • Fialana amin’ny faharatsiana ka fanadiovana ny fahotana
  • Tsy fiverenana amin’izany intsony
  • Fandraisana ny Fanahy Masina ka hidirana amin’ny fiainan’ny Finoana

Mibebaka: Fialana amin’ny lalana diso ka teraka vaovao tsy miverina aminy lalana ratsy.
« Tandremo mandeha mafy loatra ka diso lalana » hoy ny Filoha FJKM Irako Andriamahazosoa Ammi.

2-Inona ny hevitra diso na lalana diso mandrakariva iainan’ny olona ?

  • Fandosirana ny fahatezeran’Andriamanitra :
    « Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’i Jordana dia nivoaka nankany amin’i Jaona, ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? » Matio 3 : 5 – 7
    « Ary Jesoa namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty Amiko izy. » Matio 17 : 17
  • Tsara ary ilaina ny anaran’ny Ray, Abrahama, ny razambe, ny taranaka fa miampy mila mino sy mibebaka tokoa, mandray an’i Jesoa Kristy ary miala amin’ny ratsy fanao.
    « Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. » Matio 3 : 8 – 9

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra.

♫ Feo ♪


IMG_9099
IMG_9100
IMG_9101
IMG_9096
IMG_9094
IMG_9093
IMG_9092
IMG_9091
IMG_9090
IMG_9087
IMG_9083
IMG_9082
IMG_9080
IMG_9173
IMG_9171
IMG_9166
IMG_9165
IMG_9103
IMG_9104
IMG_9105
IMG_9106
IMG_9107
IMG_9108
IMG_9109
IMG_9110
IMG_9111
IMG_9112
IMG_9113
IMG_9114
IMG_9153
IMG_9151
IMG_9149
IMG_9147
IMG_9146
IMG_9143
IMG_9142
IMG_9140
IMG_9139
IMG_9138
IMG_9137
IMG_9136
IMG_9131
IMG_9130
IMG_9125
IMG_9121
IMG_9118
IMG_9116
IMG_9115



IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Harentsoa Rova
Nikirakira fafana : Andrinavalona
Nikirakira fanamafisam-peo : Jonathan Rabemananoro
Naka sary : Ramahery Hasina
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly

IMG_9156
IMG_9157
IMG_9159
IMG_9160
IMG_9161
IMG_9163
IMG_9167
IMG_9168
IMG_9169
IMG_9170