«MAMONJY NY TENIN’ANDRIAMANITRA»
ALAHADY FAHA 7 MANARAKA NY EPIFANIA
“…fa amin’ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo…” Lioka 4: 31-37
Ity no alahady farany amin’ity volana febroary ity, izay mbola hibanjinantsika ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : « MAMONJY NY TENIN’ANDRIAMANITRA».
Ny Vaomieran’ny Aim-panahy (VAP), niaraka tamin’ny Mpitandrina eto amin’ny Fitandremana, Rakotomanana Herintsoa Tahiry no niara-nisalahy nitantana sy nitarika ity fanompoam-pivavahana ity.
Rabezandrina Lalaina ao amin’ny VAP sady mpikambana ao amin’ny FMKF no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanatanteraka ny vavaka fangatahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana fahaefatra no nanambaran’ny Mpianakavin’ny finoana ny finoany an’Andriamanitra.
Ny Perikopa voalahatra dia ny Josoa 10: 8-11; Lioka 4: 31-37; 1 Jaona 2: 12-14.
Rakotoarimana Mijoro, Filoha VAP, no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny.
Ralalaharivony Hanta kosa no namaky manontolo ireo perikopa voalahatra hovakiana androany. Samy Diakona ireo.




Rajaofetra Bakoly, mpampianatra Sekoly alahady ao amin’ny K5 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Lioka 18: 19b « Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra »
Ny nakana ny hafatra dia ny Filazantsara araka ny Lioka 4 : 31 – 37 ary notsoahina avy amin’izany ny lohahevitra hoe : « Ny hery sy fahefan’ny tenin’Andriamanitra ».
Ity perikopa ity dia manambara indrindra ny nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy demoniaka.
Eto dia nisy ny fifandirana, teo amin’i Jesoa, andaniny, sy ny devoly tao anatin’ilay demoniaka, ankilany.
Rehefa mifanandrina amin’ny fahavalo isika, dia mila mahafantatra ny mombamomba azy na amin’ny ampahany ihany aza. Eto Jesoa dia mahafantatra ny momba ilay devoly ; fa satana ihany koa anefa dia mahafantatra an’Andriamanitra.
Mila fantatra ihany koa fa satana dia fahavalo efa resy.
Ho an’Andriamanitra Irery Ny voninahitra. Amen!

♫ Feo ♪



Nitendry orga : : Rajaofetra john
Nikirakira fafana : : Randriamasimanana Antenaina
Nikirakira fanamafisam-peo : : Andriamahatana Rija
Naka Sary : : Rakotoarisoa Falimandimby
Nandray an-tsoratra : : Rabako Tovohery