Alahady 16 Febroary 2025

«MAMONJY NY TENIN’ANDRIAMANITRA»
ALAHADY FAHA VI MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADIN’NY ARSIVA FJKM
ALAHADIM-BOKATRY NY VONDRONA MANAMBATRA FANOMEZAM-PAHASOAVANA (VMFP)
« Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Hianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra. » (Jaona 6. 68-69)

Alahady fahatelo amin’ny volana febroary ity alahady ity, izay mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mamonjy ny Tenin’Andriamanitra » eo amin’ny sahan’ny FJKM. Alahady izay itondrana amim-bavaka ny Arsiva FJKM, ary ankoatra ny maha Alahadin’ny fianakaviana dia misaotra ny Tompo noho ny vokatry ny Vondrona Manambatra Fanomezam-Pahasoavana (VMFP) izay Asa eto anivon’ny Fitandremana. Ny VMFP no nandrindra sy nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana. Andrianasy Fanja, Diakona, no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano. Ny Litorjia endriny voalohany no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Isaia 55. 6 -13 ; Jaona 6. 66-71 ; II Timoty 2. 8-13
Ny Diakona Rakotonarivo Olivia no nivavaka mialoha ny namakian-dRamanantsoa Domoina misesy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.
Ny Sampana Tanora Kristiana (STK) no nanao anjara hirany « Havaoziko » taorian’ny toriteny.
Nanao ny tatitry ny Asan’ny VFMP ny mpitantsoratra Ramahandry Hanitra. Rehefa dia noredonin’ny mpikambana rehetra ny hira faneva « Ny talenta anananao anasoavana ny namanao »
Asa Vavolombelona :
Fanaovam-Batisa ny zaza Radanielina Iloniaiko Niaratia sy Harentsoa Anaïs Mikalo an’i Avo.
Tenin’ny Mpitandrina :
Fanentanana ho amin’ny fotoanan’ny tanora : Alahady 23 febroary amin’ny 3 ora. Raha misy tokony ho hery sy tanjaky ny Fiangonana dia ny tanora.
Mbola tamana ao amin’ny Fiangonana ve ny tanora ? Ahoana ny fitaizana ny tanora ? Inona moa izany hoe “défi” ?
Iantsoana ny tanora rehetra tsy ankanavaka.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Lanto Fredine, mpampianatra K2, no tompon’anjara.
I Kor. 1. 27a « fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry »
Ny fampianarana sy hafatra nentiny dia niainga tamina tantara iray : Tao am-pianarana dia nisy nametaka etikety misy soratra hoe « adala » tao amin’ny lamosina ankizy iray, izay voatonona ho eny amin’ny solaitra be. Nifanaraka ny tsy hiteny izay nanao izany ireo mpianatra ary nihomehy. Noesorin’ny mpampianatra ilay etikety.
Ny hafatra dia hoe : Aza miasa saina amin’izay ataon’ny mpianatra. Jesoa no miaro na tsy eo aza Izy. Aza resin’ny etikety apetaky ny namanao. Adalan’izao tontolo izao izany.

TORITENY

Ny perikopa, Jaona 6 : 66-71 no noraisin’ny Mpitandrina.
Rehefa mamaky io Teny io dia mahita an’i Jesoa Kristy miatrika ny mpianany, misintona azy 12 lahy.

Ahoana moa izany hoe « Mamonjy ny Tenin’ Andriamanitra » ?

  1. Ny Tenin’Andriamanitra dia mitarika, mitondra any amin’ny fizahan-toetra
    Ny Tenin’Andriamanitra dia Jesoa, tonga nofo ary Fanahy Masina. Ilay telo izay iray.
    Jao. 1. 1 « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra » ; And.14 « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitany ny voninahiny »
    Noho ny amin’i Jesoa, noho ny Tenin’Andriamanitra dia tsy maintsy zahana toetra isika. Raha nilaza i Jesoa fa Izy no mofonaina dia nimonomonona ireo mpianany, tsy nahazaka. Nisy ireo nihemotra niala (Jao. 6. 41-47; 61; 66). Tsy nampaherezin’i Jesoa anefa izy 12 lahy fa nanontaniany hoe : « Iza koa no te hiala ? » (And. 67). Tsy mora ny manara-dia an’i Jesoa.
    Samy hafa ny atao hoe fizahan-toetra sy fakam-panahy na samy mivoaka ho mpandresy aza amin’ny farany. Ny fizahan-toetra dia zavatra mafy, sedra sy fitsapana, mamirapiratra amin’ny farany rehefa mivoaka ho mpandresy ; ny fakam-panahy kosa dia misy mahafinaritra, mamirapiratra, mahasarika fa rehefa tsy latsaka tao dia mivoaka ho mpandresy.
    Izy 12 lahy dia nandalo fisedrana. Ohatra iray hafa koa dia ny fiainan’i Joba izay fisedrana.

  2. Ny Tenin’Andriamanitra mampiorina amin’ny finoana sy faherezana
    Jao. 6. 67-68 : raha hiala dia ho aiza ? And. 69 : izahay dia mahalala fa tsy misy manana fiainana raha tsy ao Aminao.
    Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ihany no mahatonga ho mpandresy rehefa mandalo fizahan-toetra. Tsy maintsy manana ny Tenin’Andriamanitra isika. Io no tsy maintsy ampiorenantsika ny finoantsika.

  3. Ny Tenin’Andriamanitra mampitandrina antsika amin’ny fanoloran-tena
    « Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly ? » (Jao. 6. 70)
    Misy diso ve ny safidin’i Jesoa ? (teolojian’ny fiantsoana sy teolojian’ny safidy)
    Miantso olona Jesoa fa tsy manery olona. « Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy » (Jao. 1. 11) Nifidy azy 12 lahy Jesoa, tsy diso ny safidiny.
    Andriamanitra nifidy antsika nefa isika no nisafidy ny tsy hanaraka Azy. Ny Tenin’Andriamanitra tsy miampanga tsy akory, fa any amin’ny fiafaran’izao tontolo izao izany.
    Ny Tenin’Andriamanitra dia Jesoa koa aza gaga raha mandalo fisedrana. Ny hahafahana mivoaka ho mpandresy dia ny Tenin’Andriamanitra ihany. Tsy avela handalo ny Teny fa hitarika antsika hisafidy an’Andriamanitra.

♫ Feo ♪
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga
: Irimanana Eninkaja
Nikirakira fafana : Rakotondramboa Andry
Nikirakira fanamafisam-peo : Rajaofetra Cédric
Naka sary : Raharijaona Nirina
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy