Alahady 09 Febroary 2025

“MAMONJY NY TENIN’ANDRIAMANITRA”
ALAHADY FAHADIMY MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADIN’NY BAIBOLY
«Koa amin’izany mivavaha toy izao ianareo» Matio 6 :9a

Alahady faharoa amin’ny volana febroary izay nibanjinana hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy: “Mamonjy ny Tenin’Andriamanitra”. Alahadin’ny Baiboly teto amin’ny sahan’ny FJKM.
Raharijaona Rasetamanana Solofonirina, Diakona, no nitarika ny fotoana.
Ny Mpitandrina Rakotoarimanana Ndriamanantena no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana faharoa no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Salamo 119 : 41-48 ; Lioka 6 : 46-49 ; II Korintiana 6 : 1-10.
Ny Diakona Andriantseheno Hanitra no nivavaka mialoha ny famakiana ny Soratra masina. Ny Diakona Rabenasolo Rija no nanohy izany tamin’ny vakiteny. Ny Sampana Taniketsa (STAF) no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Andriamasinoro Manjaka no tompon’anjara.
Ny Matio 22 :21b “Dia hoy Jesosy taminy : Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra” no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.

 

TORITENY

Ny Salamo 119 : 41-48 no nitondran’ny Mpitandrina Rakotoarimanana Ndriamanantena ny hafatra. Hafatra efatra (4) no nampitaina ho an’ny mpianakavin’ny finoana izay milaza ny teny fanomezan-toky manambara ny famonjen’ Andriamanitra. Ny Tenin’Andriamanitra dia mitantara, milaza, manambara ny famonjen’Andriamanitra, izany hoe ny famindrampon’Andriamanitra. “Aoka ho tonga amiko ny famindramponao Jehovah o, dia ny famonjenao araka ny Teninao”. Ny famindrampon’Andriamanitra dia isika voavela heloka. Isika izay afaka amin’ny sazy ary vita fihavanana amin’Andriamanitra, ka manana ny zo feno hisitraka ny famindrampony, tonga olomboavonjy. Inona avy ireo hafatra efatra?

  • Manana ny Tenin’Andriamanitra ao anatiny ny olombonjena (and. 42-43). Manana havaly izy, afaka mijoro vavolombelona izy, hamaly izay miteny ratsy azy, amin’ny maha kristiana. Mahatoky ny Tenin’Andriamanitra (and.41-43). Manana fifandraisana amin’Andriamanitra ny olomboavonjy, miasa ao aminy ny Teniny. Ny Tenin’Andriamanitra no hamaliana ireo fiantsiana rehetra, satria azo hianteherana, hitokiana, mahavonjy, afaka handresena. Izany no hamakiana sy hianarana ny Baiboly manomboka any amin’ny Sekoly alahady.

  • Ny olombonjena dia mitandrina ny lalàny (and.44-45): ny Tenin’Andriamanitra dia mirakitra ny didy, ny lalàna sy ny sitrapon’Andriamanitra. Ny antom-pisiantsika dia ny hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Teniny. Lasa arofanina mihazona antsika ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny fahamarinana, ao amin’ny fiainana, ny lalana, ny didin’Andriamanitra, hahatonga ny fiainantsika ho fanomezam-boninahitra mandrakariva Azy.

  • Ny olombonjena dia manambara ny teni-vavolombelona (and. 46): milaza ny famonjen’Andriamanitra, mitory ny Filazantsaran’ Andriamanitra. Izy tenany mihitsy no niaina ilay famonjen’Andriamanitra dia teren’ny Tenin’Andriamanitra izy hanambara ilay famonjena. Vavolombelona izy amin’ny asany, ny teniny, ny fiainany.

  • Ravoravo ny olombonjena (and. 47-48): Tiany ny didin’Andriamanitra ary miteraka firavoravoana ao anatiny. Mitondra fifaliana sy hery ary “motivation” ho azy izany. Miroso hatrany izy na inona na inona midona.

Fehiny: Mivavaha, mangataha amin’Andriamanitra ny famonjena. Ny Tenin’Andriamanitra no hahazoantsika ireo teboka efatra ireo.

♫ Feo ♪

Ny Tondrozotra : “Ary ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana”. (Jaona 6 : 63) “Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo dia mandehana ao Aminy araka izany koa ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana”(Kolosiana 2 : 6-7).

TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Harentsoa Rova
Nikirakira ny fafana : Raoliarizaka Bakoly
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto
Naka sary : Andriamampianina Faneva
Nandray an-tsoratra : Raoliarizaka Bakoly