Alahady 02 Febroary 2025

«MAMONJY NY TENIN’ANDRIAMANITRA»
ALAHADY FAHEFATRA MANARAKA NY EPIFANIA
«Ao Aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao Aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana» Efesiana 1 : 13

Alahady voalohany ibanjinana ny lohahevitra «Mamonjy ny Tenin’Andriamanitra.»
Alahady fahefatra manaraka ny Epifania. Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia notanterahina ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahina no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA

Andrianarivo Holy no nanatanteraka ny fampianarana.
Ny Matio 7 : 12a «Koa amin’izany, na inona na inona tianareo ata aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany»
Tantara kely iray no entina manazava izany. Nisy ramatoa iray vaky ny kodiaran’ny fiarany Tsy nahay nanolo kodiarana anefa izy ka nisy ramose nandalo nanampy azy. Rehefa vita ny fiara dia nandeha nisakafo tamina trano fisakafoana iray ity ramatoa ity. Onena ny fony raha nahita vehivavy iray efa bevohoka be, mbola niasa mandroso sakafo. Rehefa laniny ny sakafony dia nomeny fankasitrahana be ilay mpandroso sakafo. Tsy iza anefa io mpandroso sakafo io fa vadin’ilay lehilahy nanolo ny kodiaran’ilay ramatoa.
Fehiny, manaova ny tsara hatrany fa izay ataonao amin’ny olona dia miverina aminao.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Perikopa : Zakaria 8 : 1-8 ; Jaona 5 : 39-47 ; Efesiana 1 : 7-14
Andrianjafitrimo Christian no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny.
Andrianjafitrimo Elia kosa no namaky ny Tenin’Andriamanitra. Samy Diakona ireo.

IMG_9509
IMG_9508
IMG_9537
IMG_9479
IMG_9482

TORITENY

Ny Efesiana 1 : 13 «Ao Aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao Aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana» no nangalana ny toriteny.
«Mamonjy ny Tenin’Andriamanitra»
Mipetraka ny fanontaniana hoe mamonjy ahoana moa ny Tenin’Andriamanitra ? Angaha moa tsy i Jesoa no Mpamonjy ? Azo eritreretina ihany izany satria Jesoa Ilay Teny tonga nofo.
Misy ireo dingam-pivoarana ilaina hahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho loharanom-pamonjena.
Araka ny Efesiana 1 : 13 dia misy dingana telo izany dingam-pivoarana izany.
1) Mandre ny Tenin’Andriamanitra
Amin’ny alalan’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra no ahafahana mandre ny Tenin’Andriamanitra ; ny fandehanana any amin’ny tranon’Andriamanitra ihany koa dia ahafahana mandre ny Teniny. Ny fidirana sampana dia tena manandanja amin’ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra.
Misy anefa ny olona mihaino fotsiny fa tsy tafalatsaka ao anatiny ny Teny.
2) Mino ny Tenin’Andriamanitra
Mila mandre ny Teny isika izay vao afaka mino. Ahafahan’ny Teny miasa amin’ny fiainantsika dia tokony handray izany isika. Tsy toy ny famakiana boky sy fianarana lesona ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra fa mila fitarihan’ny Fanahy Masina. Rehefa mino ny Tenin’Andriamanitra isika dia tokony hitandrina ny Teniny.
3) Asiana tombokase araka ny Teny fikasana
Ny Batisa izany tombokase izany. Ao amin’ny Genesisy 7 : 17-14 dia ny famorana no tombokase tandindon’ny Batisa. Araka ny Kolosiana 2 : 11-12 « ary tao Aminy no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy ; fa niara nilevina taminy hianareo tamin’ny Batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty. » Ny Batisa dia fikisahana ho zanak’Andriamanitra, fandraisana ny Fanahy Masina ary fanadiovana ny loton’ny nofo.
Ho fampiharana ary dia aiza ho aiza ianao amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra


♫ Feo ♪

IMG_9529
IMG_9549
IMG_9547
IMG_9546
IMG_9544
IMG_9543
IMG_9542
IMG_9541
IMG_9537
IMG_9526
IMG_9504

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO

Ny hafatra tamin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia nalaina tao amin’ny Romana 12 : 1-2 « Koa amin’izany, mangataka aminareo Aho, ry rahalahy, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao ; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, amantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady tsara sady ankasitrahana no marina.»

 

TOMPON’ANJARA
Nitendry orga
: Rajaofetra Anthonio sy Rakotondrabe Manjaka
Nikirakira fafana : Rakotonarivo Kaloina
Nikirakira fanamafisam-peo : <style=”text-align: left;”>Rabiazamaholy Hery Lanto sy Ramahery Yves
Naka sary : Andrianandrasanarinaivo Mihaja sy Andrianandrasanarinaivo Fitia
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

IMG_9604
IMG_9603
IMG_9602
IMG_9599
IMG_9597
IMG_9589
IMG_9560
IMG_9558
IMG_9555
IMG_9557
IMG_9559

 

IMG_9484
IMG_9476
IMG_9475
IMG_9474
IMG_9472
IMG_9466
IMG_9463
IMG_9465
IMG_9458
IMG_9455
IMG_9453
IMG_9450
IMG_9446
IMG_9442
IMG_9445
IMG_9438
IMG_9437
IMG_9436
IMG_9435
IMG_9419
IMG_9407
IMG_9401
IMG_9420