Alahady 26 Janoary 2025

« LEHIBE NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA »
ALAHADY FAHA-III MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADIN’NY MARARY HODITRA

ALAHADIN’NY FIRAISAN’NY SAMPANA, SAMPAN’ASA, ASA
« …Raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.  Ary Jesoa dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe : Mety Aho ; Madiova Ianao. » Marka 1:40b-41

Alahady farany amin’ny volana janoary ity alahady ity, mamarana ny fibanjinana ny lohahevitra hoe «Lehibe ny fiandrianan’Andriamanitra» eo amin’ny sahan’ny FJKM. Alahady koa izay ahatsiarovana manokana ireo marary hoditra, ary misaotra ny Tompo noho ny vokatry ny Firaisan’ny Sampana, Sampan’Asa, Asa eto anivon’ny Fitandremana izay mandrindra sy manatanteraka ny fanompoam-pivavahana.
Andrianary Rado no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana fahaefatra no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Levitikosy 13. 9-17 ; Matio 1. 40-45 ; Jakoba 5. 13-18
Ny Diakona Rakotovololona Malalatiana no nivavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina.
XXX no namaky ny Testamenta Taloha ary ny Diakona Rakotovololona Zinaha no namaky misesy ny Testamenta Vaovao.
Ny RFF no nanao anjara hira taorian’ny toriteny.
Nanao ny tatitra Asa ny Firaisan’ny SSAA. Rehefa dia nanamafy ny fanentanana ho an’ireo tsy mbola anaty Sampana ny Mpitandrina ary nanolotra Teny ao amin’ny Soratra Masina sy nitondra amim-bavaka.
« Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray Amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona…Raha miray Amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. »
«Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.  Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. »

«Tokim-panompoana» no hira noredonin’ny mpikambana rehetra anaty Sampana, Sampan’Asa ary Asa.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Randriamiarana Lalao, mpampianatra K4, no tompon’anjara.
Oha. 8.  17 «Tiako izay tia Ahy; ary izay fatra-pitady Ahy dia hahita Ahy» Izany no nakany lesona fampianarana sy hafatra.
Ny tantaran’i Zakaiosy, mpamory hetra, no nentiny. Te hahita an’Jesoa i Zakaiosy izay fohy kely ka nihanika teny ambony hazo. Hitan’i Jesoa izy ka nasainy nidina ka hiantrano ao aminy. Olona manankarena i Zakaiosy nefa vonona ny nanolotra ny fananany. 
Raha te hanahaka an’i Zakaiosy dia zavatra telo no ilaina :
  • Misahirana
  • Manaraka ny baikon’i Jesoa
  • Mahafoy ho an’i Jesoa
TORITENY

Ny Mar. 1. 40-45 no noraisin’ny Mpitandrina. Nifanena tamina marary hoditra Jesoa. Naneho fahasoavana sy fitahiana ary nahasitrana azy Jesoa, noho ny toetra nananan’ity boka ity teo anatrehan’ny fiandrianan’ Andriamnitra. Toetra, na fihetsika efatra no nasehon’ilay boka, hita ao amin’ny And. 40 :

1) Nanatona an’i Jesoa izy: «nanatona» : Ny olona mila vonjy no manatona, mila miseho eo amin’ny Tompo mba ho akaiky Azy. Miantso anao ny Tompo ho Mpanatona (mpianatra Katekomena). Ny alahady androany moa no farany fidirana Katekomena ka manentana ny Mpitandrina.

2) Mila mangataka amin’ny Tompo: «nitaraina» : mitantara izay mahazo azy, maneho izay mavesatra. Rehefa mifanena amin’ny Tompo ianao dia aza misalasala, lazao Aminy daholo izay mahazo anao, angataho Aminy izay ilainao

3) Mila manaiky ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra isika:
«nandohalika». Misy heviny roa io :

  • Fanekena fa be voninahitra ;
  • Manana hery sy fahefana ny olona handohaliana sy hiankohofana (ohatra ny nataon’ireo Magy) ;
  • Rehefa mivavaka amin’ Andriamanitra dia ekeo ny hery sy ny fahefany.

4) Manana fahatsoram-po:
«Raha mety Ianao». Hanaiky ve Jesoa ? Ny fanekeny aloha, vao any amin’ny manadio. Rehefa mangataka amin’ny Tompo dia avy dia tsory, tsy mila sasi-teny. Miteny tsotra, fohy, mazava. Tsy mihodinkodina toy ny fitenenan’ny zaza.

♫ Feo ♪

ASA VAVOLOMBELONA

Fanaovam-Batisa ny zaza RAMAHERY Rota.
Nisy ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana.
IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Mahery sy ny SMZM
Nikirakira fafana : Rakotonarivo Vatsy
Nikirakira fanamafisam-peo : Rajaofetra Cédric
Naka sary : Ravelojaona Harentsoa
Nandray an-tsoratraRajaofetra Voahangy