Alahady 12 Janoary 2025

“LEHIBE NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA”
ALAHADY VOALOHANY MANARAKA NY EPIFANIA
ALAHADY NITONDRANA TAMIM-BAVAKA NY MPANAO RAHARAHAN’NY FIANGONANA
“Koa amin’izany,…dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbany ota izay malaky mahazo antsika…” Hebreo12 : 1a

Alahady itondrana amim-bavaka ny mpanao raharahan’ny Fiangonana androany. Rabako Miora no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Tahiry Rakotomanana no nitory ny Teny. Ny Litorjia amin’ny endriny faharoa no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.


FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Raharitsalama Hantanirina mpampianatra Sekoly Alahady K3 no nanatanteraka ny fotoana.
Tao amin’ny Lioka 11 : 28 no nangalana ny hafatra.
Amin’izao taona vaovao izao dia mifampirary soa ny olona. Maro ny faniriana tsara. Eo anatrehan’izany dia manatrika antsika mandrakariva Jesoa. Sady mampianatra antsika Izy no manohana antsika. Noho izany dia tokony hankato ny Tenin’andriamanitra ampianarina antsika isika.
FANKALAZANA NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : II Tantara 20 : 5-9 ;
Matio 5 : 33-37 ;
Hebreo 12 : 1-3
Rakotonirina Tsiry no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny
Rakotonirina Tiana kosa no namaky ny Filazantsara sy ny Epistily

TORITENY

Ny Hebreo toko faha 12 no nakana ny fampianarana.
Eo anatrehan’ny fahalehibiazan’ny fiandrianan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy dia ireto telo ireto no miandry antsika Kristiana :
– Manaisotra ny ota mora mahazo
– Manatanteraka ny hazakazaka masina
– Mibanjina an’i Jesoa Kristy


♫ Feo ♪

ASA VAVOLOMBELONA

Fandraisan-tanana sy fiarahabana ny mpanao raharahan’ny Fiangonana.

IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Harentsoa Rova
Nikirakira fafana : Harentsoa
Nikirakira fanamafisam-peo : Andriamahatana Rija
Naka sary : Andrianandrasanarinaivo Mihaja
sy Andrianandrasanarinaivo Fitia
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

IMG_8783
IMG_8781
IMG_8780
IMG_8745
IMG_8737
IMG_8734
IMG_8728
IMG_8724
IMG_8722
IMG_8716
IMG_8717
IMG_8701