« LEHIBE NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA »
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY TAONA
ALAHADIN’NY EPIFANIA
« Ary amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra… » Hebreo 8. 1-6
Ity no alahadin’ny EPIFANIA, alahady voalohany amin’ity taona vaovao 2025 ity. Fotoana lehibe tokoa izay natokan’ny Fiangonana ho fiombonam-bavaka sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahatratrana ny taona vaovao. Nifampiarahaba araka izany ny Mpianakavin’ny Finoana, mba ho aminy mandrakariva ny « FIADANAN’NY TOMPO ». Lohahevitra fitaizam-panahy vaovao indray no banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKM amin’izao volana vaovao izao dia ny hoe : « LEHIBE NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA » Asa vavolombelona roa sosona no natrehan’ny Fiangonana. Ny voalohany dia ny Fiarahabana ireo Mpitandrina nitondra teto amin’ny Fitandremana, dia ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry mivady, ny Mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady ary ny vadin’ny Mpitandrina Ramino Paul, Ramatoa Ramino Vololona . Ny faharoa dia ny fiarahabana ireo Zokiolona nahatratra ny fitopolo taona noho mihoatra. Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary izy rahateo no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanatanteraka ny vavaka fangatahana. Ny Fanekem-pinoana Apostolika no notanterahin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’Andriamanitra .Ireto ny Perikopa voalahatra : Deoteronomia 10: 12 – 19; Matio 23: 16 – 28; Hebreo 8: 1 – 6 Andriamasinoro Tantely no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny sy namaky ny Testamenta Taloha. Andriamasinoro Erika no namaky ny Testamenta Vaovao. Samy Diakona eto amin’ny Fitandremana ireo.







Harentsoa Mamy, mpampianatra K10 B no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny hafatra dia nalaina araka izay hita ao amin’ny Efesiana 4. 25a « Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra. «
TORITENY
Nalaina araka izay hita ao amin’ny Hebreo 8 : 1 – 6.
Lohahevitra vaovao no banjinin’ny Fiangonana dia ny hoe « Lehibe ny Fiandrianan’Andriamanitra ».
Mahitsihitsy sy entitra ny fomba n
ilazan’i Jesoa ny Tabernakely sy ny Tempoly raha araka ny Matio 23 :16-28 io no jerena, kanefa rehefa mijery sy mamaky ny Hebreo isika dia mahita fa mbola ambony lavitra ny Fiandrianan’i Jesoa Kristy miohatra amin’ny Tabernakely io sy ny Tempoly.
1) Jesoa Kristy no Mpisoronabe (and. 1)
Nanambarana ny foto-pinoana ho an’ny Jiosy izay nandray an’i Kristy saingy mbola tsy niorina tsara ny epistily ho an’ny Hebreo.
Teo amin’ny Jiosy dia ny mpisorona no manatitra ny fanatitra eo amin’ny alitara masina
ho famelana ny heloky ny olona mitondra ilay sorona hovonoina. Rehefa tonga kosa anefa Jesoa Kristy dia Izy mihitsy no ilay Mpisorona nanatitra ny Sorona eo anatrehan’Andriamanitra ho famelana ny helotsika.
Izy ihany koa anefa no nanolotra ny tenany ho Sorona teo amin’ny hazo fijaliana ho famelana ny helotsika. Miavaka loatra araka izany ny Maha Mpisoronabe an’i Jesoa Kristy, dia Izy Ilay MPISORONA no sady SORONA ho antsika.
Rehefa tonga Kristy dia tsy misy fanatitra hafa intsony azo hasolo ny ran’i Kristy izay latsaka teo amin’ny hazo fijaliana, fa izay manao izany dia fahavetavetana na blasfemia eo anatrehan’Andriamanitra.
Tsy misy miampanga ny olomboafidin’Andriamanitra intsony fa Kristy efa mifona ho antsika eo an-kavanan’ny Ray.
2°) Jesoa Kristy no Mpanalalana (and. 6)
Jesoa Kristy no Mpanalalana. Jesoa Kristy Irery ihany no Mpanelanelana antsika eo amin’Andriamanitra, mitarika sy misava lalana , mandeha eo aloha.
Tsy mandeha irery intsony isika fa Izy no mitari-dalana antsika.
Iaino amin’ny fifaliana ary ny taona vaovao fa Jesoa Kristy no miaraka amintsika sy mitari-dalana antsika.
Ho an’Andriamanitra Irery ny Voninahitra. Amen!


♫ Feo ♪
ASA VAVOLOMBELONA















Nikirakira fafana : Razafimaharo Kanto
Nikirakira fanamafisam-peo :
Naka sary :
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery
















