“MANETRY TENA NY MPINO”
ALAHADY FARANY AMIN’NY TAONA 2024
ALAHADIN’NY SEFALA SY NY FIANTSOANA
FAMARANANA NY FANKALAZANA NY FAHA 45 TAONAN’NY VFL
“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe : Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.” (Salamo 2:7)
Alahady manaraka ny Krismasy ity alahady ity ary famaranana ny iray volana fibanjinana ny lohahevitra hoe : “Manetry tena ny mpino”. Ankoatra ny maha alahady fitondrana amim-bavaka ny SEFALA sy ny maha alahadin’ny FIANTSOANA dia fotoana miavaka, izay natokana ho famaranana ny taom-pankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny Vondrona Fototra Laika (VFL).
Rakotoarimanana Mijoro (FMKF) no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra :
Salamo 2 : 7-12 ; Matio 23 : 1-12 ; Hebreo 1 : 5-14
Ny Diakona Rakotoarisoa Faralahy no nivavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina ary ny Diakona Rakotoarisoa Tanteraka no namaky misesy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao.
Ny RFF no nanao anjara hira « Andriamanitra Fitiavana » taorian’ny toriteny.
Asa Vavolombelona :
Famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny VFL. Natao ny fitokanana ny efitrano « Fahamarinana », izay navaozina, ho tsangambato fahatsiarovana.
Tenin’ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry
Taorian’ny filazan-draharaha dia nanentana ny Mpitandrina ny amin’ny 31 desambra tolakandro, fiarahana mamarana ny taona eto am-piangonana, iarahana misaotra ny Tompo sy ny fitsenana ny taona ny 1 janoary maraina, fanompoam-pivavahana manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina.
Manaraka izany dia namafisiny fa mitohy ny Sekolin’ny ray aman-dreny, manomboka ny alahady 5 janoary ary izy no hanomboka ny fampianarana.
Ary farany dia namaky ny hafatra SEFALA Foibe izy.








FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
Andriamasinoro Erika, mpampianatra K10A, no tompon’anjara.
Kolosiana 3:13 « Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.»
Izany no nakany lesona fampianarana sy hafatra.
Mariky ny fanetrentena, hoy izy, ny famelan-keloka. Tokony hifandefitra sy hifamela heloka. Eny, mavesatra ny fontsika rehefa betsaka ny zavatra mampalahelo nefa tokony hifamela heloka toa ny ataon’i Jesoa isika. Jesoa no tena modely. Na tsy diso aza dia manetry tena, mamela heloka.



TORITENY
Ny Salamo 2. 7-12 no noraisin’ny Mpitandrina. Amin’ny maha alahadin’ny FIANTSOANA dia hisaina indray maka indray isika ny amin’ny hoe « Manao ahoana ny antson’ny Tompo ? ».
Ny Bokin’ny Salamo dia mizara 5 ka ity Salamo 2. ity no atao hoe “Psaume messianique”.
Miantso anao ho amin’ny fahateraham-baovao ny Tompo raha handia taom-baovao ianao afaka telo andro. Ka inona ary izany fahateraham -baovao izany ? Ary fiainana hoatra ny ahoana izany ?
1) Ny fahateraham-baovao
Hita ao amin’ny Salamo 2. 7 fa fanantenana mesianika ho an’ny Zanak’Isiraely.
Ao amin’ny Jaona 3. 3-4 kosa dia fahaterahana mihitsy fa tsy tandindona mesianika intsony.
Ary ao amin’ny 2 Korintiana 5. 17 dia ny antom-pisiana : « olona ao amin’i Kristy ». Olom-baovao raha ao amin’i Kristy. Olon’Andriamanitra feno fanahy, mivelona amin’ny sitrapon’Andriamanitra, mitandrina sy mankato ny sitrapon’Andriamanitra.
2) Ahoana no hiainana izany ?
Hita ao amin’ny Salamo 2. 10-11-12 izany : hendry, mino, manompo, manam-pifaliana sy misaotra.
Ka iainanao sy ivelomanao sy tanterahinao ve ireo ?
Raha tsy mbola tanterakao ireo dia fotoana fandinihan-tena izao, ho avy ny taona vaovao. Tsy miampanga ny Tenin’Andriamanitra fa mitarika antsika handini-tena.


♫ Feo ♪
https://vimeo.com/manage/videos/1049361829/41cacf735a
ASA VAVOLOMBELONA
Famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 45 taonan’ny VFL. Natao ny fitokanana ny efitrano “Fahamarinana”, izay navaozina, ho tsangambato fahatsiarovana.








IREO TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rajaofetra John sy Irimanana Eninkaja
Nikirakira fafana : Rajaofetra Arielle
Nikirakira fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova
Naka sary : Ramiadamanana Lovatiana
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy





































































































