Zakaria 9. 9

«Mifalia indrindra ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro ny mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy Fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora.»

Fiantsoana sy Fiderana

Alahady fahadimy manaraka ny Karemy, ibanjinana hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM manao hoe : “ MITARIKA HO AMIN’NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO”.

Razanamparany Clément, mpikambana ao amin’ny FMKF, no nitarika ny fotoana. Rakotomanana Herintsoa Tahiry, Mpitandrina, no nitory ny Tenin’Andriamanitra.

Rakotovao Hanta, Diakona, no nanatanteraka ny vavaka mialoha ny vakiteny ary Rabeson Fidimalala, Diakona, no namaky ny Soratra Masina.

Litorjia amin’ny endriny faharoa no notanterahina, ary ny Fanekem-pinoana apostolika no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Perikopa voalahatra : Zakaria 9. 9-11; Lioka 19. 29-44; Hebreo 2. 5-9.

Ny Rantsana Fanantenana no nandray anjara hira taorian’ny toriteny.

Noho ny maha alahady fahadimy azy dia nisy ny Asa sy Fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rakotondramboa Hanitra, Mpampianatra K4, no tompon’anjara.

Ny Lioka 19. 31 : “ Ary raha misy manontany anareo hoe: nahoana no vahanareo io? Dia izao no holazainareo: misy raharaha analan’ny Tompo azy.” no nakany ny hafatra.

Tantara : Manana bisikilety i Joro, sady kilalaony io no fitondrany mianatra. I Santatra namany kosa dia nanana bisikilety, saingy simba. Nindramin’ i Santatra ny bisikiletin’ i Joro hanaovany Tafika Masina satria izy mpikambana ao amin’ny Sekoly Alahady. Faly be ny dadan’ i Joro satria nampindraminy an’i Santatra ny bisikiletiny.

Hafatra avy amin’ny tantara voalaza : rehefa manao zavatra dia hanontaniana i Jesoa Kristy raha mety Aminy na tsia. Raha tsy mety Aminy dia ajanony; raha mety Aminy kosa dia ataovy amim-pitiavana.

Toriteny

Maneho inona ny sampandrofia na ny niakaran’ i Jesoa Kristy tamim-boninahitra ho any Jerosalema?
Inona no ambaran’ny Soratra Masina?

1.- Maneho ny maha Mpanjaka an’ i Jesoa (Lioka 19. 37-38)

Manamafy ny maha Mpanjaka an’i Jesoa Kristy ny fihobian’ny olona Azy. Manamafy izany ny voalaza ao amin’ny Isaia 11. 10 : “Ary amin’izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra.”
Mitarika antsika tsy hanana mpanjaka hafa afa-tsy i Jesoa Kristy izany.

2.- Maneho ny maha Andriamanitra an’ i Jesoa (Lioka 19. 29-32)

Manambara eto fa Andriamanitra i Jesoa Kristy hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay; Andriamanitra Tompon’ny ankehitriny sy ny hoavy, ny fotoana sy ny toerana (omniprésent).
Toy izany ihany koa no nahafantaran’ i Jesoa Kristy fa handà Azy intelo i Petera (Matio 26. 34), mandram-panenon’ny akoho (Matio 26. 74).

Jesoa ve no Andriamanitra ekenao ?
Apetraho amin’Andriamanitra ary ny hoavinao. Aza mitady Andriamanitra hafa fa ampy ho anao i Jesoa.

3.- Maneho ny maha Mpanafaka sy Mpamonjy an’ i Jesoa (Lio. 19. 30) hamafisina indrindra izany ao amin’ny Zakaria 9. 9-10.

Rehefa i Jesoa Kristy no miteny dia vitany izany, tsy maintsy afaka izay vahany. Jesoa Kristy no fototra iaingan’ny fanafahana ny geja sy ny fatorana rehetra.
Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo, firy amin’ny kristianina milaza ho mpino no mpanara-dia an’i Jesoa Kristy, mitady Famonjena sy fanafahana ?
Maniry fiadanana, mandray an’ i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany?

Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra, Amen!

Fampahatsiahivana Raharaha-piangonana

Nohamafisin’ny Mpitandrina fa ny fotoana handraisany olona dia ny alatsinainy sy ny zoma manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 3 ora tolakandro eo ho eo.

Nisy ny fanentanana ny fanatrehana ny Herinandro Masina izay hanomboka ny alatsinainy 30 marsa.

Natomboka anio alahady 29 marsa ny vokadehibe izay hanaovana ezaka ho fanatsarana ny fanamafisam-peo eto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena sy hanamboarana ny trano fiangonana any Bevoay.

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Rajaofetra John Philippe

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Rajaofetra Arielle

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Ramahery Yves

Naka sary

Naka sary

Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Rahajarizafy Bakoly

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →