ALAHADIN’NY SAMPANASA FAMPANDROSOANA SAF FJKM
IVOMBOKATRY NY FAHA-35 TAONA NY SAMPANA TANINKETSA
« MITARIKA HO AMIN’NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO »
Alahady 15 Marsa 2026
Marka 4. 23
«Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hiaino..»

Fiantsoana sy Fiderana
Isaorantsika Andriamanitra noho ny nahafahana niombom-bavaka indray eto amin’ny Tempoliny Masina.
Alahady fahefatra amin’ny Karemy. Alahadin’ny SAF FJKM na SampanAsa Fampandrosoana. Alahady ivon’ny jobily fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-35 taonan’ny Sampana TANINKETSA, eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena.
Mbola mibanjina ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe: “Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena Ny Tompo” isika.
Rabiazamaholy Léa, Filohan’ny Komity fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 35 taonan’ny Sampana Taninketsa, no nitarika ny fotoana.
Ny litorjia tamin’ny endriny faharoa no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana, ary volomparasy ny loko litorjika.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Famakiana ny Soratra Masina
Mialoha ny nirosoana tamin’ny hafatra sy ny toriteny dia nohirain’ny Fiangonana ny hira FFPM 190:1 “ Ry Fanahy Mpanazava”.
Ranaivo Nathanael no nanao ny vavaka mialoha ny famakiana ny Tenin’ny Soratra Masina. Namaky ny Testamenta Taloha Andrianandrasanarinaivo Manambina. Namaky ny Testamenta Vaovao Andriamialinjara Faniry sy Robel Irina.
Ny Perikopa voalahatra : Testamenta Taloha: Ezra 9. 3-7. Testamenta Vaovao: Marka 54. 21-25 ary ny Apokalypsy 21. 1-8.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Razafindrasata Lalaina, mpampianatra K1 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny Efesiana 5. 16 no nanompanany ny hafatra: “ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.”
Tantaran’ingahy Rabeza mpanankarena no nakana ny lesona. Aza variana mankafy izao tontolo izao, atolory an’i Jesoa ny fonareo, atokany ny fotoana amin’ny fanompona an’Andriamanitra hanehoana ny fitiavana Azy. Sarobidy ny fotoana ka araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa, aza mangataka andro lava.
Fotoana izao handinihantsika tena ny amini’ny fomba nandaniantsika ny fotoanantsika. Noredonina ny hira FFPM 452 “Tompo ô, ovay ny foko”.
Toriteny

Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra. Fotoana manokana ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 35 taona nanorenana ny Sampana TANINKETSA STAF androany, ka toriteny an-kira no notanterahin’izy ireo.
Noraisina avokoa ny perikopa telo voalahatra. “Mitarika antsika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo”.
Inona avy ary ireo fandinihan-tena hiantsoan’ny Tompo ny Fiangonana ?
1.- Miaiky ny fahadisoana sy fahotana eo anatrehan’ny Tompo.
Nitondra ny hazofijaliana sy ny fahotantsika Jesoa Kristy. Amin’izao vanim-potoan’ny lalan’ny hazofijaliana, ny karemy sy fandinihan-tena izao dia miantso antsika hahay hiaiky ny fahotantsika sy ny tsy fahatanterahantsika eo anatrehan’ny Tompo ny Tenin’ny Soratra Masina : “raha miaiky marina tokoa ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny helotsika sy ny fahadisontsika rehetra”.
Ny Bokin’i Ezra 9. 6-7, izay milaza ny amin’ny fahaiza-miaiky ny fahadisoana, ny fahotana eo anatrehan’Andriamanitra.
Hira : Hain’ny Tompo atao
Hain’ny Tompo atao ny mamindra fo aminao fa ny andrasan’ny Tompo aminao dia ny hibebaka, hifona.
2.- Mibebaka sy mifona eo anatrehan’ny Tompo.
Misy elanelany ve ny hoe mahay mihaiky ny fahotana sy ny fahadisoana sy ny hoe mahay mifona sy mibebaka ?
Dingana roa samy hafa ny fihaikena sy ny fifonana. Ezra 9. 3-5
– Miaiky ianao fa diso
– Mifona ianao ka mibebaka
Hira : Jesoa no Tompo
3.- Mihaino ny feon’ny Tompo.
Ary rehefa voavela heloka isika dia mahaiza mihaino an’Andriamanitra. Ny Tompo rehefa mamindra fo sy mamela heloka dia mitarika antsika amin’ny lalana marina. Marka 4. 23-24, “Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hiaino.”
Misy dingana telo ny hoe mihaino : 1. Mandre => 2. Mihaino => 3. Mankatoa.
Hira : Mandehana ka torio
4.- Mijoro ho vavolombelon’ny Filazantsara.
“Dia mandehana ary ka ambarao ilay famonjena nanavotany anao”.
Marka 4. 21-22, Lioka 8. 16. Rehefa miaiky ny fahadisoana ianao dia mifona sy mibebaka dia namela anao ny Tompo dia mihaino ny Tompo ianao dia mandehana ka torio, mijoroa ho vavolombelona, meteza ho toa an’ilay jiro eo ambonin’ny vata famarana.
Hira : Ray ô, inty aho
Hafatra : ny Apokalypsy 21. 1-8
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amen!
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Sitraka RANDRIAMBELOSON

Nikirakira fafana
RAKOTONARIVO Kaloina

Fanamafisam-peo
Harentsoa Rova sy RABIAZAMAHOLY Hery Lanto

Naka sary
ANDRIANANDRASANARINAIVO Mihaja

Nandray an-tsoratra
ZANAHARITSIMBA Toky
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →














































