ALAHADY FAHATELO AMIN’NY KAREMY
Ivon’ny jobily fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-25 taonan’ny RFF
« MITARIKA HO AMIN’NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO »
Alahady 08 Marsa 2026
Isaia 40. 9(e)
«Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra.»

Fiantsoana sy Fiderana
Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fotoana androany nahafahana miombom-bavaka indray eto amin’ny tempoliny masina.
Alahady fahatelo amin’ny Karemy. Alahady ivon’ny jobily fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-25 taonan’ny RFF na ny Rantsana Fanatanjahan-tena sy Fialamboly, eto amin’ny Fitandremana FJKM Amparibe Famonjena. Andro iarahabana ny vehivavy noho ny andro iraisam-pirenenana ho an’ny Zon’izy ireo.
Mbola mibanjina ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe: “Mitarika ho amin’ny fandinihantena Ny Tompo” isika.
Rajaonarison Tokinarivo, Filohan’ny Komity fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-25 taonan’ny RFF, no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny litorjia faharoa fampiasa eto anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara no notanterahina.
Ny Mpitandrina Andriamisaina Lantosoa Triomphe no vahiny manokana nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Nisy ihany koa ny fotoana manokana nankalazana ny andro 8 marsa ho an’ny Zon’ny vehivavy.
Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy ny fotoanan’ny Asa sy Fampaherezana izay nosahanin’ny sampana SAFIF.
Famakiana ny Soratra Masina
Nanao ny vavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina ny Diakona Rakotoarimanana Mijoro. Namaky ny Testamenta Taloha Andriambelomanana Hiratra. Namaky ny Testamenta Vaovao Rafidison Hanitra.
Ny Perikopa: Testamenta Taloha : Salamo 50. 16-23. Testamenta Vaovao : Matio 5. 21-24 sy ny Asan’ny Apostoly 2. 29-39.
Mialoha ny nirosoana tamin’ny hafatra sy ny toriteny dia nohirain’ny Fiangonana ny FFPM hira 210: 1 “ Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao”.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Ramahandry Ny Rindra no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny Matio 5. 23-24 no nanompanany ny hafatra: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.”
Mazava ny hafatra nampitaina, dia ny ananantsika fo madio, tsy hanana alahelo na lolom-po amin’ny hafa. “Mitarika antsika amin’ny fandinihan-tena ny Tompo.”
Toriteny

Ny Mpitandrina Andriamisaina Lantosoa Triomphe no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Fotoana manokana ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-25 taonan’ny RFF androany, ka ny teny fanevan’izany sampana izany, araka ny Isaia 40 : 9(e) no nanompanany ny hafatra.
Teo am-piandohana dia niarahaba ny vehivavy ny Mpitandrina, noho ity andro natokana ho an’ny Zon’ny vehivavy ity ary niarahaba ihany koa ny RFF amin’izao taon-jobily izao.
1.- Asandrato mafy ny feonao.
Raha hiverenana ny tantara dia ny zanak’Isiraely tany amin’ny tany fahababoana no niantefan’izao teny faminaniana izao.
Raha tena jerena kosa anefa ny hevi-teny dia izao no tena heviny : “Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an’i Ziona sy i Jerosalema o! Asandrato mafy ny feonao”.
Misy olona izay notondroin’Andriamanitra manokana hilaza hafatra mahafaly ho an’i Ziona sy Jerosalema eto, ka ilay mpilaza hafatra mahafaly no antsoina mba hanandratra mafy ny feony.
Ho an’ny mpandinika Soratra masina dia heverina fa i Kirosy, ilay mpanompon’i Jehovah izay nitondra fanafahana ho an’i Isiraely, no niantefan’ny antso eto.
Eo amin’ny fotoana izay mahavery fanantenana ny zanak’Isiraely no niantsoana an’i Kirosy mba hiantso mafy sy hitondra Teny soa mahafaly ho an’i Ziona.
2.- Asandrato mafy ny feonao ka lazao ny antsam-panafahana.
Asaina milaza amin’ny zanak’Isiraely ny mpanompon’i Jehovah fa na any amin’ny fahababoana aza izy, na any amin’ny tany izay mahavery fanantenana anareo aza ianareo, dia fantaro fa tsy nilaozan’Andriamanitra ianareo, fa ho avy ny fanafahana ary Andriamanitra dia manatanteraka ny teny nomeny.
Misy fepetra anefa ho an’izay mampita ny hafatra:
a.- Tsy hanan-tahotra izy fa hiantso mafy. Milaza izany fa efa olona afaka izy ka manana fahasahiana miteny mafy, milaza ny hika ho fanafahana an’Isiraely.
b.- Misy hery manainga azy sy faharesen-dahatra amin’ny antso ataony, hilaza ny asan’Andriamanitra izay tsy maintsy tanteraka.
3.- Asandrato ny antsam-piderana ho an’Andriamanitra.
Indro Andriamanitrareo (and.9g) : milaza izany fa tsy nilaozan’Andriamanitra akory ny zanak’Isiraely.
Milaza ihany koa ny asa lehibe ataon’Andriamanitra. Andriamanitra dia nanao fanekena tamin’ny zanak’Isiraely: “Izaho no Andriamanitrareo ary ianareo no oloko” hoy Jehovah. Andriamanitra dia tsy nandrava sy tsy nivadika ny fanekeny tamin’ny olony.
Ilay mpilaza ny antso dia tsy maintsy hilaza ny asan’Andriamanitra, ilay asa fanafahana.
Ho an’ny RFF koa no miantefa izany antso ho amin’ny fanafahana izany, fa na dia ao anatin’ny fanavaozana aza ny firenena, dia mbola voageza sy ao anatin’ny fahababoana amin’ny endrika maro samihafa ny vahoaka malagasy, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanagejana ara-panahy eto amin’ny firenena fotsiny aza isika.
Tsy maintsy mijoro sy resy lahatra ary tsy matahotra manambara ny hafatry ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy.
Izay rehetra nanambarana ny Tenin’Andriamanitra dia meteza hisitraka izany fanafahan’Andriamanitra izany.
Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amen!
Asa Vavolombelona
Teo amin’ny Asa Vavolombelona dia nisy ny fanolorana certificat ireo sokajin’olona manokana nandalo tao amin’ny RFF, toa ireo Filoha nifandimby na ireo mpikambana nanorina ny sampana.
Noarahabaina koa ireo nanao ny teny faneva sy ny sary famantarana na ny Logo ary ny hira faneva.
Hijery ireo raki-tsary rehetra

Nitendry orga
Rabiazamaholy Hery Lanto

Nikirakira fafana
Rakotonarivo Kaloina

Fanamafisam-peo
Harentsoa Rova

Naka sary
Ramiadamanana Lovatiana

Nandray an-tsoratra
Rabako Tovohery
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →












































































