ALAHADY FAHAROA AMIN’NY KAREMY
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY VOLANA
« MITARIKA HO AMIN’NY FANDINIHAN-TENA NY TOMPO »
Alahady 01 Marsa 2026
Salamo 37. 5
«Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.»

Fiantsoana sy Fiderana
Ity no alahady voalohany amin’ny volana marsa. Alahady faharoa amin’ny Karemy.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nanatanteraka ny fitarihana ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Lohahevitra fitaizam-panahy vaovao no banjinina dia ny hoe : «Mitarika ho amin’ny fandinihan-tena ny Tompo »
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no nanambaran’ny Mpianakavin’ny finoana ny finoany.
Ny litorjia voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Famakiana ny Soratra Masina
Ny Perikopa voalahatra : Fitomaniana 3. 37-45 ; Jaona 21. 15–19 ; 2Korintiana 13. 5–10.
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao ny hirany : «Tsy mahay mankasitraka».
Randrianandrasana Mamisoa H. no nanao ny vavaka mialoha ny Soratra Masina.
Andriamanampy Norosoa no namaky ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Diakona ireo.
Nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Nisy ihany koa ny fiarahabana ireo mpianakavin’ny finoana nahatratra ny tsingerinandro nahaterahany ny volana febroary.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Andriamampianina Naivo no nanatanteraka ny 5 minitra ho an’ny ankizy sy ny tanora.
Ny hafatra dia nalaina tao amin’ny Jaona 21. 15-17 : ”Moa tia Ahy va ianao?…Fahano ary ny ondriko”. Nambara ary fa tsy misy tian’Andriamanitra ho very ny ondriny fa tiany hanana ny filaminana sy ny fitiavana ao Aminy.
Toriteny

Noraisina ny 2Kor. 13. 5-10 hitondrana ny hafatra ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra.
Noresahina ny amin’ny karemy tao anatin’izao toriteny izao. Ny karemy moa dia fitodihana ny amin’ny fiainam-panahy, famerenana ny fifantohana ny fiarahana amin’ Andriamanitra sy ny fitodihana manontolo Aminy. Ahenao ny ara-nofo fa ampiakaro ny ara-panahy fifandraisana amin’Andriamanitra.
• « Diniho ny tenanareo…na tsia »
• « Izahao toetra ny tenanareo »
Ireo andinin-tSoratra masina roa hita eo amin’ny andininy fahadimy ireo no nangalana hafatra.
Paoly eto no miteny.
«Tsy fantatrareo angaha fa ao anatinareo i Kristy ? » izany hoe tsy miala ao anatintsika i Kristy fa miara-dàlana amintsika mandrakariva. Tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina teo amin’ny Batisa araka ny 1Kor. 3. 16 Izy. Manaraka izany dia nohamafisina tamin’ny alalan’ny ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo izany fiombonana amin’i Kristy izany araka ny Mat. 26. 26–27 ary avy eo dia mbola nohamafisin’i Paoly izany araka ny Gal. 2. 20.
Isika rehetra dia mandalo fizahan-toetra avokoa, koa eo no hitsapana ny fiorenan’ny finoantsika. Nefa na misy aza izany dia Andriamanitra dia tsy mba miala amintsika fa manohana antsika hahazo ny fandresena.
Noho izany, mila miorina tsara sy mifikitra tsara amin’ny finoana isika dia izay no ahazoana ny fandresena. Miorina tsara satria olona tsy nolavina.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen!
Hijery ireo raki-tsary rehetra

Nitendry orga
Rajaofetra Anthonio

Nikirakira fafana
Randriamasimanana Andrinavalona

Fanamafisam-peo
Rabemananoro Jonathan / Ramahery Yves / Rajaofetra Cédric

Naka sary
RAJAONARIVELO-ANDRIANAIVO Andrew Matthieu

Nandray an-tsoratra
Ravelojaona Harentsoa
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →



























