ALAHADY FANOMBOHANA NY KAREMY
ALAHADY IVOM-BOKATRY NY VONDRONA MANAMBATRA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA (VMFP)
«MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA»
Alahady 22 Febroary 2026
I Timoty 4. 14a-15b
«…ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao…, mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao»

Fiderana
Alahady voalohany amin’ny karemy izay ibanjinana ny Tompo sy fandinihantena. Alahady fahaefatra amin’ny volana febroary, mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Mampahafantatra ny asan’ny Tompo ny Soratra Masina”.
Alahady ivom-bokatra sy nitondrana amim-bavaka ny Vondrona Manambatra Fanomezam-pahasoavana (VMFP) niarahana tamin’ny Akafita.
Rabeson Fidy, Diakona, no nitarika. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Salamo 111. 1-3 no nentina nidera an’Andriamanitra.
Ny Fanekem-pinoana fahaefatra no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Famakiana ny Soratra Masina
Ny Perikopa voalahatra : II Mpanjaka 23. 21-25 ; Matio 21. 33-46 ; Romana 15. 1-4.
Rabefierana Lucien sy Rabefierana Nivo, samy Loholona, no nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Ny Sampana Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly (RFF) no nanao anjara hira taorian’ny toriteny.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rasolofoson Voahirana, mpampianatra ao amin’ny K1, no tompon’anjara.
Ny Salamo 44. 6-8a no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
” Fa tsy ny tsipikako no itokiako ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. Fa namonjy anay tamin’ny fahavalonay Ianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva”.
Nampifandraisiny ny lohavevitra “Mampahafantatra ny asan’ny Tompo ny Soratra Masina” sy ny andinin-tSoratra masina ary ny tantara mahakasika ankohonana kristianina iray, tany Rosia. Nafana ny fanenjehana ny kristianina tamin’izany fotoana izany. Namono sy nandroba ireo tokantrano kristianina tany Rosia ireo miaramila. Nanomana tetika ho an’ireo mpanafika ity ankohonana iray ity ary tsy nitsahatra nivavaka. Hafatra telo no nasongadina tamin’izany :
– Tena azo tsapain-tanana ny herin’ny vavaka;
– Tsy mahavonjy tena ny olona fa mila ny herin’Andriamanitra;
– Andriamanitra mahay manova olona.
Matokia an’Andriamanitra fa azo hianteherana Izy amin’ny zavatra ataontsika rehetra.
Toriteny

Ny Romana 15. 1-4, no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra izay misy fitsinjarana telo :
– Mampahafantatra antsika ny asan’i Jesoa ny Soratra Masina.
o Andriamanitra tokana miseho amin’ny endrika telo: Ray, Zanaka, Fanahy Masina
o Kristy tsy mitady izay maha mety Azy
o Marka 14. 36
o Jaona 5. 30
o Jesoa dia Andriamanitra zanaka nidina hisolo antsika.
–Mampahafantatra izay tokony ho fiainantsika sy hiainantsika ny Soratra Masina (And 1-2)
o Mitarika antsika hanaraka an’i Jesoa ny Soratra Masina.
o Aleo ampandeferina ny tenako, aleo atao izay hampandroso sy hahasoa ny rahalahy sy ny namana.
– Mampahery antsika hanana fanantenana ny Soratra Masina.
o Alahadin’ny VMFP androany, samy hafa ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana. Ny fanomezam-pahasoavana eto dia entina hampandrosoana ny rahalahin’ny Tompo.
o And. 4, noho ny amin’ny Soratra Masina dia manana fanantenana (Espérance): fanjakan’Andriamanitra, fiainana ao amin’ny Tompo.
o Manana toky fa Andriamanitra Kristy efa mampanantena valiny.
Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra, Amen!
Asa Vavolombelona
Nandray ny sakramentan’ny Batisa: Andriambolamanana Itsikiana Soa.
Ny Tondrozotra :
“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny Finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. (Jakoba 2 : 22) “Ary izaho kosa haneho Aminao ny fioako amin’ny asako”(Jakoba 2 : 18b).
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Irimanana Eninkaja

Nikirakira fafana
Raoliarizaka Bakoly

Fanamafisam-peo
Andriamahatana Rija

Naka sary
Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra
Rajaofetra Voahangy
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →




























































