Hoy ny Soratra Masina « Iza no hirahiko , ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho : Inty aho , iraho aho . » Isaia 6. 8
Ampifaliana indray ry fiangonana malala no hiarahabana antsika rehetra tonga miara-miombom-bavaka eto amin’ny anaran’ny Tompo. Miarahaba ny Vondrona Fototra Laika nahatratra ity andro fanateram-bokatra ity . Arahabainay ihany koa ianareo vahiny nisafidy manokana ny hiara iombom-bavaka aminay eto anio. . Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana.

Alahady 19 Jolay , Alahady VII manaraka ny Trinite ,. Alahady hitondrana am-bavaka ny VFL manerana ny sahan’ny FJKM ary mbola hibanjinantsika ny Lohahevitra hoe :« Manaiky ho iraka ny mpino » . Aorian’izao filazana ny raharahan’ny fiangonana izao dia hisy ny 5mn ho an’ny fahasalamana.

Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao

FOIBE FJKM

  • TPM Ambatonakanga / Komity faha 30 taona naha Mpitandrina an’Atoa RAZAFINDRAKOTO Andriambalohery Hasinarivo mivady, talen’ny TPM Ambatonakanga.
    Manasa ny Fiangonana hiara hiombom-bavaka sy hisaotra an’Andriamanitra noho ny faha 30 taona naha Mpitandrina :
    Alakamisy 23 Jolay amin’ny 9.30 maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
    Misy ny valopy fandraisan-tanana azo raisina ao amin’ny efitra Atsimo.
  • ONIFRA: ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny zanaky ny fiangonana eo amin’ny informatika ; ny “ Centre de Compétence” ao amin’ny Oniversite Ravelojaona dia manolotra fiofanana ho an’ny Débutant hatramin’ny Avancé amin’ny Excel ny 20 jolay hatramin’ny 24 jolay 2026 . Ny sarampiofanana dia 20.000 Ar.
    Manasa ny Fiangonana amin’ny fanompoam-pivavahana famaranana ny taom-pianarana 2025-2026 izay hotanterahina ny Zoma 24 jolay amin’ny 8ora maraina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga.

SPAA10Synodam-paritany Antananarivo Andrefana

  • FDL : Hotanterahina ny Alahady 26 jolay amin’ny 2ora tolakandro eny Antsahamanitra ny fanompoam-pivavahana ho fitrotroana am-bavaka sy fanirahana ireo Mpitandrina sy Mpampianatra eto anivon’ny FJKM, koa hasaina ampitiavana ny Kristiana hifanotrona amin’izany. Mangataka Diakona 25 avy eto amin’ny fitandremana hanatanteraka ny fanatazana ny Rakitra. Ny Sabotsy 25 jolay amin’ny 9ora maraina no fandraisana ny fandaminana eny Antsahamanitra. (Aoka iomana amin’izany VFIF sy VAV).
  • – SAAFF sivy trano : hotanterahina ny Alarobia 29 jolay amin’ny 2.30ora hatramin’ny 4.30ora ao amin’ny FJKM Imeritsiafindra Fiderana ny asa fampiorenana izay fanao isam-bolana ka hanasana ny mpino Kristiana rehetra.
  • – FJKM Ambavahaditokana : manasa ny Fiangonana hiara iombom-bavaka ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy fitokanana ny zava-bitan’ny Fiangonana ny Alakamisy 23 jolay amin’ny 9.30 maraina.
  • – FJKM Antaninandro Fihavanana : manasa ny Fiangonana hiara iombom-bavaka ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny Jobily faha-25 Taona ny Fiangonana ny Talata 21 jolay amin’ny 9.30 maraina.
  • – Ny Tarika “ Ny RAILOVY” : manasa ny mpianakavin’ny finoana hiara iombom-bavaka hisaotra an’Andriamanitra noho ny faha-70 taona ny tarika izay hotanterahina ny Alatsinainy 20 jolay amin’ny 4ora eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
  • Alahady ivon’ny herinandrom-bokatry ny VFL anio .
  • Ny rakitra voalohany anio, ho an’ny asan’ny Fiangonana , ny rakitra faha-II kosa hanohanana ny asan’ny VFL.
  • Mianatra Katekomena anio tolakandro .
  • Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.
  • Aza adino ny Fiofanana-IV ho antsika FDL ny Sabotsy 25 jolay amin’ny 8.30 maraina.
  • Amin’ny Alahady heriny anio dia hasaina ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo hihatrika ny fivoriana ankatoky ny fandraisana sy fiomanam-panahy mialoha ny firaisana latabatra amin’ny Tompo.
  • Anio tolakandro amin’ny 2ora30 dia misy ny fanompoam-pivavahana izay hokarakarain’ny “Chaîne d’Honnèteté” izay hanasana ny mpianakavin’ny finoana.
  • Raha sitrapon’ny Tompo dia hotanterahina ny Alakamisy 06 Aogositra ny fametrahana ny vato fototra ny FJKM Bevoay izay tsangambaton’ny faha-165 taona ny fiangonana. Koa izay Kristiana manana fiara tsy mataho-dalana ka manam-paniriana ny handeha ho any dia iangaviana hanatona ny Biraon’ny Fiangonana hatramin’ny Zoma 24 jolay ho avy izao. Hisy fandraisana anjara omen’ny fiangonana ho an’ny fiara izay handeha.

Rtoa RASEHENOARISOA Marline, dia faly mampandre antsika fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany :
RAHARIRIAKA Toky amin’i RAMANANJATOVO Tatiana Alice
Zanak’Atoa RAMANANJATOVO David sy Rtoa RAKOTOMALALA Sophie.
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Sabotsy 8 Aogositra amin’ny 10ora maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana voalohany.

Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, FDL, VFIF, VFA, VFL, RFF.
Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i
RANDRIANASOLO RAVALISAONA Toussaint Ignace
Ny Sabotsy 11 jolay rehefa nivahiny 66 taona teto an-tany
Hoy ny vadiny :RAVALISAONA RAMANANTENASOA Fanja Claudine
Ny zanany RAVALISAONA Tahiry , mianadahy avy
Ny iray tampo aminy : RAJAONARISON Jean Dieu Donné sy RAHARISOLO Georgine sy ny zanaka aman-jafiny , mianadahy avy. Ny fianakaviana manontolo.
Ny fandevenana dia efa tontosa ny Alarobia 15/07 teny amin’ny fasan-drazany teny Ampanefy Atsimondrano tao aorian’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny EKAR Md Francois d’Assise Andravoahangy .
Ny famangian’ny fiangonana dia efa tontosa

Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, SMZM.
Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i
RAKOTONDRABE Emile Henri Lalao
Ny Alakamisy 15 Jolay rehefa nivahiny 67 taona teto an-tany
Hoy ny vadiny : RAKOTOARISOA ViolettePatricia
ny zanany :
JOELINIRINA Arimalala sy Domoina , mianadahy avy
Ny iray tampo aminy : RAKOTONDRABE Haja Manjaka sy Holy sy ny zanany mianadahy avy. Ny fianakaviana manontolo.
Ny fandevenana dia efa tontosa ny Zoma 17/07 tenyamin’ny fasan-drazany teny Ambatofahavalo tao aorian’ny Lamesa fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao Amboditsiry.
Ny famangian’ny fiangonana dia efa tontosa.

  • K 165 FG
    Ny sakafom-pifaliana izay nokasaina hotanterahina anio Alahady 19/07 dia hahemotra amin’ny Alahady 20 septambra 2026.
    Antsoina hijanona vetivety aorian’ny fanompoa-mpivavahana ny solotena avy amin’ny sampana mihira rehetra eto amin’ny fiangonana fa misy dinika hifampizarana.
  • SAMPATI :
    Antsoina ny fianakaviamben’ny SAMPATI ho tonga hanatrika ny fivoriambe tsy ara-potoana ny Sabotsy 25 jolay amin’ny 3ora tolak’andro. Mandritra izany no hananganana ny Komity faha-65 taona, fitsofan-drano ny lasy ary famandrian-toerana ho amin’ny lasy .
    Toy izao ny fandaharam-potoana ny lasy isam-bondrona :
    Vondrona TILY : sampana mavo sy ny sampana mena , 01-06 aogositra any Moramanga.
    Sampana maintso : 01-07 aogositra 2026 any Andasibe.
    Vondrona MPANAZAVA : 08-13 aogositra any Andasibe.
    Fihaonambe SAMPATI : 12-14 aogositra any Ambatondrazaka.
  • VAP : antsoina hivory anio aorian’ny fanompoam-pivavahana ny Diakona sy Loholona ary solotenan’ny sampana ao amin’ny VAP.
  • VFAN : antsoina hivory amin’ny Alarobia 22 jolay amin’ny 6ora hariva ny Diakona sy Loholona ary solotenan’ny sampana ao amin’ny VAP.

Dia hahatsiaro am-bavaka sady hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ireo asan’ny Tompo apetrany hotanterahintsika fiangonana ireo isika ry Havana.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra