ALAHADY PASKA
“VELONA NY TOMPO”
NANAOVANA VOKA-DEHIBE
“Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay” Daniela 6 : 27b

Alahady Paska, Andro fandresena sy fahavelomana ary ivon’ny Voka-dehibe.
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ramatoa Rakotomanana Andy no nanao ny vavaka ary notohizany tamin’ny famakiana ny Soratra masina.
Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nanatontosaina ny fanompoampivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nanana anjara hira androany.
Ny sampana mpihira rehetra no niara-niredona nihira nandritra ny fanatanterahan’ny Fiangonana ny Rakitra alitara.
Nofaranana tamin’ny fiaraha-niombona latabatra masina tamin’ny Tompo ny fotoana.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY TANORA
Mpampianatra

Rakotonirina Voahangy no tompon’anjara. Ny Daniela 6 : 27b “fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay” no nangalana ny hafatra.
Tsy misy maharitra ny zavatra rehetra. Raha nisy fahamaizana nandoro tany Californie, Etazonia tamin’ny fiantombohan’ny taona 2025 tany dia tsy naharitra izany fa levon’ny rano ; ny rano dia mety ho ritran’ny masoandro, ny masoandro dia takon’ny zavona, ny zavona aelin’ny rivotra, ny rivotra voasakan’ny havoana, ny havoana mety trongisin’ny olombelona ary ny olombelona mety maty. Jesoa Irery ihany no maharitra mandrakizay, efa resiny ny fahafatesana. Resiny ny fahafatesana, mpandresy izy ary izy no ivelomantsika.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Daniela 6 : 26-29 ; Matio 28 : 1-17 ; Apokalypsy 2 : 8-11.

Mpitandrina
TORITENY
Mpitandrina

Amin’ity Paska ity dia manana hafatra ho antsika ny Tompo ka ny Matio 28. 1-17 no nakana izany.
Nandresy ny fahafatesana ny Tompo. Velona Jesoa Kristy ka miteny amin’ny Fiangonana hoe :
1. “Finaritra, Fiadanana”
“Ary indro Jesoa nifanena tamin’ny mpianany ka nanao hoe : Finaritra” Matio 28. 1a.
Midika izany fa miombona fo sy fanahy amintsika Jesoa. Manatona anao Andriamanitra ka velomy ny fifamatoranao Aminy.

2. “Aza matahotra”
“Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ny vehivavy hoe : Aza matahotra hianareo” Matio 28. 5
“Dia hoy Jesoa taminy : Aza matahotra“ Matio 28. 10
Io teny “aza matahotra” io matetika dia misy tohiny manao hoe “Indro Aho momba anareo”. Araka izany dia sady momba antsika Andriamanitra no mampandresy antsika.

3. “Mandehana ka mitenena”
“Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy.” Matio 28. 7a
Maniraka ny olom-boavonjy ny Tompo. Mandehana ambarao ny Filazantsara sy ny famonjena ary ny fandresena.

FAMARANANA

Niarahana nanonona ny Tondrozotra.
Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
Nitohy avy hatrany tamin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA
Rabiazamaholy Mahery, Ranaivoson Jacky
Nitendry orga

Raharijaona Nantenaina
Nikirakira ny fafana

Harentsoa Rova, Rabemananoro Jonathan
Nikirakira fanamafisam-peo

Andriamampianina Faneva
Naka sary

Zanaharitsimba Toky
Nandray an-tsoratra

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.