“MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA”
ALAHADY FAHAROA MANARAKA NY PASKA
ALAHADY NANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
“Ary Jesoa feno ny Fanahy Masina…” Lioka 4:1a

Alahady voalohany amin’ny volana aprily ibanjinana lohahevitra fitaizam-panahy vaovao, eto amin’ny sehatry ny FJKM, dia ny hoe : « Mitari-dalana ny Fanahy Masina».
Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra.
Ny litorjia amin’ny endriny voalohany no nentina nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny fanekem-pinoana laharana voalohany no niarahan’ny Fiangonana nanonona, nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena no nanao anjara hira taorian’ny Toriteny.
Ireo teraka ny volana aprily no nanatitra rakitra tsingerinandro teny amin’ny alitara.
Alahady voalohany amin’ny volana, koa nisy ny fiombonana latabatra amin’ny Fanasan’ny Tompo.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Diakona avy ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana no tompon’anjara. Rajaofetra Eric no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny. Rajaofetra Bakoly kosa no namaky ny Soratra masina.
Ny Perikopa voalahatra : Ezekiela 43 : 1-9 ; Lioka 4 : 1-13 ; Asan’ny Apostoly 16 : 6-10.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
TORITENY

Tao amin’ny Asan’ny Apostoly 16 : 6-10 no nakana ny fampianarana.
Niompana tamin’ny fampianarana momba ny Fanahy Masina ny toriteny.
Ny nitarihan’ny Fanahy Masina an’i Paoly sy Silasy mahakasika ny asan’ny Tompo no nitondrana ny fampianarana.
Navoitra tamin’izay ny mahasarobidy ny Fanahy Masina sy ny ataon’ny mpino manoloana ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Andriamanitra no namorona ny olombelona, Jesoa no mpamonjy ny olombelona ary ny anjara asan’ny Fanahy Masina kosa dia mampahery, mitari-dalana, manolo-tsaina ary misolo vava ny mpino.
Ho setrin’izany dia mila manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina isika amin’ny asan’ny Tompo sy izay rehetra ataontsika.

FAMARANANA
– Niarahana nanonona ny Tondrozotra :
“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Rom.14 : 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana”(Rom.6 : 19d)
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Kor. 15:15b)

– Natolotry ny Mpitandrina ny Tsodrano.
– Nohiraina teo am-piravana ny FFPM 625 : 5.
– Nitohy avy hatrany tamin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo ny fotoana.

IREO TOMPON’ANJARA
Rabiazamaholy Mahery
Nitendry orga

Rakotonarivo Kaloina
Nikirakira ny fafana

Rajaofetra Cédric
Nikirakira fanamafisam-peo

Rakotoarisoa Falimandimby
Naka sary

Zanaharitsimba Toky
Nandray an-tsoratra

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.