ALAHADIN’NY ZANAKA AM-PIELEZANA (FIZAAF)
“MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO”
FANOKAFANA NY TAON-JOBILIN’NY RANTSANA FANATANJAHANTENA SY FIALAMBOLY (RFF)


«
Fa Jehovah no avo indrindra» Salamo 47. 2a

Alahady fahaefatra amin’ny volana novambra, mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Mahandrasa ho avy ny Tompo”.

Alahady ivom-bokatra sy niarahana niombom-bavaka tamin’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana eto amin’ny Fitandremana, ka nanatanterahany ny fotoana.

Alahady nanokafan’ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly ny taon-jobily, 25 taona.

Razanakolona Saholinirina, Filohan’ny Fikambanan’ny Zanaka Am-pielezana, no nitarika. Ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry no nitondra ny hafatra.
Ny Litorjia endriny faharoa no nanatontosana ny fanompoam-pivavahana.
Ny Salamo 47. 6-9 no nentina nidera an’Andriamanitra.
Ny Fanekem-pinoana fahaefatra no notononin’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny Perikopa voalahatra : Mika 7. 7-10 ; Lioka 21. 5-11 ; I Jaona 2. 24-29.

Rakotonjanahary Vololoniaina sy Andrianilaina Koloina ary Randriamialison Ihanitra no nifarimbona tamin’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra masina.
Rakotoson Andrianasy Rova namaky ny tatitr’asan’ny FIZAAF.

Ny Rantsana Fanantenana sy Fialamboly no nanao anjara hira “Isika” taorian’ny toriteny.

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA

Randriamamonjy Hanitriniaina, mpampianatra ao amin’ny K10, FJKM Tranovato Ambatonakanga no tompon’anjara.

Ny Lioka 2. 49d no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
“…tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?”

TORITENY

Ny I Jaona 2. 24-29, no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra izay milaza ny fampahatsiahivan’i Jaona ny amin’ny fitiavan’i Kristy, fampitandremana amin’ny fampianaran-diso.

Ny andrasana amin’ny fihavian’ny Tompo dia ny tsy ho menatra : tomoera tsara amin’ny finoana an’i Kristy, mandehana tahaka ny zanaky ny fahamarinana.

Hafatra roa no nasongadina:
– Mifamatora ao amin’Andriamanitra ary mitoera ao Aminy (And.28) :
o Mila mifandray amin’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny vavaka;
o Tafatoetra: mamaka, tsy voahozongozona (être ferme);
o Tsy hihetsiketsika fa miorina mafy ao amin’ny finoana.

– Tsy mihodinkodina any amin’ny ratsy (And.29) :
o Ny fahamarinana tsy misy porofo (Alethéia).
o Ny marina azo hazavaina ary voasoratra (Justice) (Dikaios): ny marina amin’ny alalan’ny lalàna napetrak’Andriamanitra no tena zanany.
o Manao ny fahamarinana araka ny tokony izy ve ny zanak’Andriamanitra?

Fehiny:
Tariho amin’ny lalana tokony ho izy ny olona rehetra. Tomoera tsara ao amin’ny Tompo. Mandehana tahaka ny zanaky ny fahamarinana.

TENIN’NY MPITANDRINA

Ny Isaia 41. 10 no Teny natolotry ny Mpitandrina ho an’ny Zanaka Am-Pielezana :
“Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”

ASA VAVOLOMBELONA

Fanokafana araka ny fomban’ ny Fiangonana ny Jobily faha 25 taonan’ny Rantsana Fanatanjahantena sy Fialamboly. Nanao ny tatitra ny Filoha Rakotondramboa Johary.
Nanazava ny fandaharana mandritra ny taon-jobily ny Filohan’ny Komity Rajaonarison Tokinarivo.

NY TONDROZOTRA

“Ny finoana izay anananao dia hazony ho anao eo anatrehan’Andriamanitra”. (Romana 14. 22a)
“Atolory ankehitriny ny momba ny tenanao ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana” (
Romana 6. 19d) “Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.” (1Korintiana 15.15b).


Nisy ny Fandraisana ny Fanasan’Ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana.

IREO TOMPON’ANJARA
Ranaivo Fenitra
Nitendry orga

Rabako Tovohery
Nikirakira ny fafana

Rakotovololona Lova
Nikirakira fanamafisam-peo

Raharijaona Solofonirina
Naka sary

Raoliarizaka Bakoly
Nandray an-tsoratra

×

Fanomezana

« Samia manome araka izay efa nosaininy tao am-pony avy, fa tsy amin’alahelo na an-tery ; fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra. »

2 Korintiana 9:7

Misaotra noho ny fahamoram-ponao

Mampahery anay ny fanirianao hanohana ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena. Eo am-panomanana ny fomba fanomezana an-tserasera izahay, ary ho lazaina eto tsy ho ela izany. Mandritra izany dia azonao atao tsara ny manolotra ny fanatitrao amin’ny fotoam-pivavahana : isaky ny Alahady amin’ny 09:00 na ny Zoma hariva amin’ny 18:15.

Fanomezana

« Que chacun donne comme il l’a résolu en son cœur, sans tristesse ni contrainte ; car Dieu aime celui qui donne avec joie. »

2 Corinthiens 9:7

Merci pour votre cœur généreux

Votre désir de soutenir l’église FJKM Amparibe Famonjena nous touche beaucoup. Les moyens de don en ligne sont en préparation et seront annoncés ici très bientôt. D’ici là, vous pouvez remettre votre offrande lors des cultes : le dimanche à 9h00 et le vendredi soir à 18h15.

Fanomezana

“Let each man give according as he has determined in his heart, not grudgingly or under compulsion, for God loves a cheerful giver.”

2 Corinthians 9:7

Thank you for your generous heart

Your wish to support our church FJKM Amparibe Famonjena means a great deal to us. Online giving is being prepared and will be announced here very soon. In the meantime, you are welcome to bring your offering to our services: Sunday at 9:00 am and Friday evening at 6:15 pm.