I Petera 4. 14

« Sambatra ianareo raha haratsiana noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo»

Fiderana

Alahady ivom-bokatra sady ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 35 taonan’ny Sampana Lehilahy Kristiana (SLK) eto anivon’ny Fitandremana Amparibe Famonjena.

Alahady fahadimy manaraka ny Paska, ary mbola hibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM manao hoe: “MIASA AO AMIN’NY MINO NY FANAHY MASINA”.
Rakotovololona Lova, Filohan’ny Sampana Lehilahy Kristiana, no nitarika ny fotoana.
Ramanantsalama Lovasoa Hasina, Mpitandrina ao amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana vaovao sady Mpitantsoratry ny sampana lehilahy kristiana foibe, no nitory sy ny nizara ny hafatr’Andriamanitra.

Ny litorjia amin’ny endriny faharoa no notanterahina, ary ny fanekem-pinoana “constantinopla” na ny fanekem-pinoana laharana faharoa no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Famakiana ny Soratra Masina

Ny Soratra Masina niderana an’Andriamanitra: Salamo 146. 1-6.
Ny Perikopa voalahatra : Mpitsara 6.33-40 ; Jaona 6. 60-65 ; 1Petera 4. 12-16.

Ramananjoelina Naina, no nanatanteraka ny vavaka mialoha ny famakiana ny Soratra Masina; Rakotonarivo Haja no namaky ny Testamenta taloha, ary Ramahery Yves no namaky ny Testamenta vaovao sy ny Epistily.

Ny Sampana Taninketsa no nandray anjara hira tao aorian’ny toriteny, izay mitondra ny lohateny hoe: “Ray o! inty”.

Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Andriamasinoro Manjaka, mpampianatra Sekoly Alahady kilasy fahafito no tompon’anjara.
1 Petera 4. 16a : “Fa raha misy mijaly satria kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy……”

Tantara : i Mahaliana dia ankizy tena tia mivavaka, ary ny namany any am-pianarana dia mpangala-tahaka daholo rehefa manao devoir. Nalahelo izy satria noesoesoin’ny namany fa tsy mba nanao ny fanaon’ny ankizy mangala-tahaka. Indray andro niteny ny mpampianatra fa isa roapolo (20/20) na aotra (0/20) ihany no azo amin’ity fanadinana fanontaniana tokana ity. Samy nikaroka tamin’ny CHATGPT ny ankizy rehetra, fa i Mahaliana kosa tsy mba nanao izany. Na dia nalahelo fatratra aza izy dia ny anarany ihany no nosoratany tao anaty taratasim-panadinana. Nahazo isa 0/20 niampy fiantsoana ny ray aman-dreny daholo ny mpianatra rehetra satria fantatry ny mpampianatra fa nijery ny valiny tao amin’ny CHATGPT sy nifanoro valiny izy ireo; satria koa kilasy roa ambonin’ny fahaizan’ireo mpianatra ny fanontaniana napetraka taminy, fa i Mahaliana kosa dia nahazo isa 20/20 satria tsy nanisy valiny , Nitsotra tamin’ny tsy fahaizany izy.

Hafatra avy amin’ny tantara voalaza : Aza manaiky tarihana amin’ny ratsy na dia sarotra aza izany, satria kristiana, araka izay voalaza ao amin’ny 1Petera 4: 16a.
Nofaranana tamin’ny hira FFPM 784: 1-5 : “Jesoa be fitia“ sy vavaka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.

Toriteny

Tao amin’ ny Testamenta taloha, Bokin’ ny Mpitsara 6. 33-40, no nangalan’ny Mpitandrina, ny hafatra.
Tantara momba an’i Gideona ity Soratra Masina voalahatra ity. Nanaiky notarihin’ny Fanahin’i Jehovah, nitsoka anjomara ary nahataona ny vahoakan’Andriamanitra hiseho eo anatrehany.

1/- Miasa ao amin’ny lehilahy mahery ny Fanahy Masina ka mahomby sy mahataona olona maro izy.
Lehilahy mahery mahataona ny ankohonany, ny rahalahiny sy ny fiarahamonina hivavaka sy hanatona an’i Jesoa, hanao fivoriana masina. Mahataona ny lehilahy rehetra hiditra ao amin’ny sampana lehilahy kristiana, satria izay ny sitrapon’Andriamanitra.

Rehefa tsy manaiky hiasan’ny Fanahy Masina ny lehilahy dia lany amin’ny zava-poana ny heriny sy ny volany ary ny fahaizany. Rehefa manaiky hampaherezin’ny Tompo kosa dia mahomby eo amin’izay rehetra hatao.

2/- Miasa ao amin’ny lehilahy mahery ny Fanahy Masina ka mahatsiaro tena ho voantso sy ho tompon’andraikitra izy.
Ampiorenin’Andriamanitra ny finoantsika mba ho lasa tompon’andraikitra isika.
Tsy amin’ny alalan’ny famantarana na ny fahitana no hahatsiarovana ny maha-olom-boantso fa Ilay Andriamanitra izay niantso.

Rehefa hazavain’ny Fanahy Masina ny Soratra Masina dia miteraka fahatokiana feno, fahazoana antoka fa tena olom-boantso, tena nofidin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra, amin’ny alalan’ny Fiangonana izay maharitra mandra-pihavin’i Jesoa Kristy amin-kery sy ny voninahitra.

Antso avo : Ry lehilahy kristiana, efa nifidy anao i Jesoa ho tompon’andraikitra, hitaona ny lehilahy rehetra hiditra ao amin’ny sampana lehilahy kristiana sy ny zatovo lehilahy kristiana.
Miasà tahaka an’i Gideona mba ho tafavoaka ka hahomby, hanana fahasahiana hanome ny voninahitr’Andriamanitra.

Misehoa fa lehilahy mahery satria efa niasan’ny Fanahy Masina.

FANENTANANA
Nisy solontenan’ny Komity faha 165 taonan’ ny Fiangonana nilaza sy nanentana ny mpianakavin’ny finoana tsy ankanavaka, indrindra ny ankizy sy ny tanora, mba ho avy amin’ny hetsika ara-panatanjahan-tena, izay hatao etsy amin’ny kianjan’ IMahamasina, ny sabotsy 16 may 2026 ho avy izao.

Asa Vavolombelona

1/ Sakramentan’ny Batisa: Ny zaza Rajaonah Notahiana Rayden.

2/ Sampana Lehilahy Kristiana : Fizarana takelaka ho mari-pankasitrahana ho an’ireo filoha nifandimby, ireo mpikambana nahafeno 10 taona mihoatra, ary ireo nanome ny hira faneva sy ny sary famantarana.

Noho ny maha alahady fahadimy azy dia nisy ny Asa sy Fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.

Hijery ireo raki-tsary rehetra

Ireo tompon’anjara

Nitendry orga

Nitendry orga

Rabiazamaholy Mahery

Nikirakira fafana

Nikirakira fafana

Rakotonarivo Kaloina

Fanamafisam-peo

Fanamafisam-peo

Rajaofetra Cédric

Naka sary

Naka sary

Rakotondramboa Andry

Nandray an-tsoratra

Nandray an-tsoratra

Rahajarizafy Bakoly

Ireo Alahady hafa

Vaovao Mpiangonana

Jereo ny filazan-draharaha →