ALAHADY PASKA
– VOKA-DEHIBE 2026 –
« MPANDRESY NY TOMPO »
Alahady 05 Aprily 2026
Lioka 24. 6a
«Tsy ato Izy fa efa nitsangana ;.»

Fiantsoana sy Fiderana
Alahady niavaka noho ny maha andro Paska azy sy voka-dehibe. Tamin’ny 08 ora sy sasany maraina no nanomboka ny fanompoam-pivavahana fa tamin’ny 08 ora maraina dia nisy fanomanam-panahy izay nifandrimbonan’ireo Sampana mpihira eto amin’ny Fitandremana. Nanao vavaka ny Mpitandrina ary nifandimby nihira ny STK, RFF, Ha.Fa, Rantsana Fanantenana sy STAF.
« Mpandresy ny Tompo » no lohahevitra vaovao banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana aprily ity. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra ; nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana voalohany no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Famakiana ny Soratra Masina
Ny Perikopa voalahatra : Joba 19. 23-27 ; Lioka 24. 1-12 ; 1 Korintiana 15. 50-58
Ramatoa Rakotomanana Andy no nanao ny vavaka sy namaky ny Soratra Masina.
Nanao ny anjara hirany « Jereo nareo » ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena taorian’ny toriteny.
Rakitra naterina teny amin’ny alitara no notanterahina, natokana manontolo ho an’ny voka-dehibe. Mandritra izany dia novakiana ny vokatra voaray, noelanelanina feon-javameno sy hiran’ny Sampana mpihira.
Amin’ny maha alahady voalohany amin’ny volana dia nisy ny fitondrana amim-bavaka ireo nankalaza ny tsingerinandro nahaterahana tamin’ny volana marsa. Niisa 83 izy ireo.
Ny Isa. 41. 10 no Teny nomen’ny Fiangonana, nentina nampaherezana azy ireo : « …Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.»
Niisa 930 ny mpiangona niara niombom-bavaka tamin’ity alahady ity.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Randrianarisoa Radonavalona, mpampianatra Sekoly Alahady K6, no tompon’anjara.
Gen. 12.2b «Ary ho fitahiana tokoa ianao».
Ampahany amin’ny tantaran’i Davida no nisintomany ny lesona.
Nanao fanasana ngeza be i Nebokadnezara Mpanjaka, nahita soratra teny amin’ny rindrina izy nefa tsy hainy namaky koa nanao antso avo amin’izay mahay mamaky izy.
Nanolotra an’i Daniela, izay hendry sy mahay ary manana fahalalana, ny reniny mba hanolo-tsaina ny Mpanjaka.
Ary ianao mba ahoana ?
Toriteny

Noraisin’ny Mpitandrina ny Lioka 24. 1-12.
Paska 2026 ! Paska fandresena !
« MPANDRESY NY TOMPO »
Rehefa miresaka hoe « mpandresy », « mandresy » dia misy ady izany. Tsy afaka ny hiteny hoe mpandresy raha tsy misy ady.
Eto an-tany dia tsy maintsy misy ady atrehi
na, ady izay samy manana ny endriny.
Aiza moa izany no mitady fandresena raha ady tokoa ny fiainana ?
Ny Paska dia milaza fandresena avy amin’i Jesoa Kristy ho an’izay mpanaraka Azy, izay manana Azy.
Ao amin’ny Lioka 24 dia misy fandresena telo sosona fara-faha keliny :
1-. Fandresena ireo olana iainana isan’andro (And. 1-2-3)
Ny teny hoe « izy » eto dia midika ho vehivavy maromaro. Ny olana amin’izy ireo dia ny vato.
Raha jerena any amin’ny Mar. 16 : 3, ny olana dia hoe iza no hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana. Ny olana indray avy eo
dia efa voakodia ny vato ary tsy nahita ny fatin’i Jesoa tao izy ka natahotra.
Ny ady atrehinao ve dia ho lehibe noho ny vatolampy ?
2-. Fandresena ny tahotra sy ny ahiahy (And. 4)
Natahotra sy niankohoka izy telo vavy, very hevitra noho ny zava-misy : voakodia ny vato ary tsy tao intsony ny fatin’i Jesoa. Ary nisy roa lahy tao, nanao akanjo manelatrelatra, nilaza fa tsy ao intsony i Jesoa fa efa nitsangana. Moa ve tsy hoatra ny anaty sarimihetsika izany ?…
Raha raisina ny teny hebreo hoe « Goël » mahakasika ny tantaran’i Joba, izay tena nisedra ny mafy, « Goël » dia teny manondro voalohany ny « mpanavotra ». Ny olona manana olana, ny olona miatrika ady mafy dia Andriamanitra no manafaka.
Ny andavan’androntsika (fahasalamana, fitaizana, asa, sns…) dia feno horohoro sy tahotra, izay isika sy Andriamanitra ihany no mahalala. Ny Tompo mandresy ny tahotra sy horohoro amin’izao Paska izao.
3-. Fandresena ny fahafatesana (And. 5b-6-7)
And. 5b : tsy tompon’ny teny farany intsony ny fahafatesana
And. 6 : tsarovy ny teny fampaherezana
And. 7 : fandresena ny fahafatesana
Misy « degrés » ny atao hoe fahafatesana ao amin’ny « dictionnaire de la Bible ».
Fahavalo fara tampony indrindra izay tena fahorian’ny zanak’olombelona ny fahafatesana. Tsy misy izay tsy matahotra ny ho faty. Maro ny ohabolana malagasy manambara izany.
Tsarovy anefa fa ny fahafatesana dia fahavalo efa resy teo amin’ny hazo fijaliana (1 Kor. 15), koa raha ny fahavalo fara tampony no efa resin’i Kristy dia tsy tokony hatahotra.
Ny fahatahorana dia tsy mitovy amin’ny alahelo. Ny alahelo dia mitomany noho ny fahatsiarovana ny lasa, ka hoe tsy hahita intsony. Koa ho an’izay mino anefa dia fiadanana sy fahasambarana kosa satria mitoetra ao amin’ny mandrakizay. « …ny fahafatesana no hahazoako tombony. » hoy Paoly Aposoly (Fil. 1. 21b). Fandresena ny fahafatesana ny Paska. Resy tsy manana fahefana intsony.
Mitondra fandresena ho anao ny Tompo (ao anatin’ny fahotana).
Mitondra fandresena amin’ny tahotra sy ahiahy Izy.
Mandresy ny fahafatesana izay mino Azy.
« Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika. » (Rom.8 . 37-39)
Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra.
Tenin’ny Mpitandrina
- Fiarahabana sy fifampiarahabana noho ny Paska izay manana lanjany manokana amin’ny lalam-pamonjena. « …Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ; » 1 Kor. 5.7. Izany no Teny nomena, nentin’ny mpianakavin’ny finoana nifampiarahaba.
- Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana.
- Ny Hafatra nomen’ny Mpitandrana dia noraisiny tao amin’ny Kol. 2. 6-7 « Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao Aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana. »
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno SMZM

Nikirakira fafana
Razafimaharo Kanto

Fanamafisam-peo
Rajaofetra Cédric

Naka sary
Raharijaona Nirina

Nandray an-tsoratra
Rajaofetra Voahangy
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →


































