ALAHADIN’NY BAIBOLY
ALAHADY FAHA V MANARAKA NY EPIFANIA
«MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA»
Alahady 08 Febroary 2026
Lioka 4. 40
«Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo Aminy; ary dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.»

Fiderana
Alahady faharoa amin’ny volana febroary, nibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampahafantatra ny asan’ny Tompo ny Soratra Masina ». Alahady fahadimy manaraka ny Epifania ary koa alahadin’ny Baiboly.
Ny Diakona Razafindrakoto Tatamo no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Mpitandrina misotro ronono Robel Bruno kosa no nanao ny vavaka fangatahana sy nanolotra ny Tsodrano. Ny Mpitandrina eto an-toerana moa voatery nandao, nandeha namonjy fotoana tany amin’ny FJKM Ambondrona, noho ny fahafolo taona maha Filohan’ny FFP an’ny Mpitandrina Rabemanantsoa Solofo.
Ny Litorjia endriny faharoa no notanterahina ary ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Famakiana ny Soratra Masina
Ny Perikopa voalahatra : Salamo 33. 1-11 ; Lioka 4. 38-41 ; 1 Petera 1. 22-25.
Ny Diakona Rajaonarison Mbola no nivavaka mialoha ny namakiany ny Testamenta Taloha ary ny Diakona Randriamihamina Lobo no namaky ny Testamenta Vaovao.
Nanao ny anjara hirany, “Tompo ô, tena miavaka Ianao”, ny Sampana Taninketsa eto Amparibe Famonjena (STAF) taorian’ny Toriteny.
Noho ny maha alahady faharoa azy dia nisy ny Asa sy fampaherezana taorian’ny fanompoam-pivavahana.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rabiazamaholy Léa no tompon’anjara.
Ny Ohabolana 30. 5 « Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy.» no nitondrany ny fampianarana sy hafatra.
Tantara : Nianatra tany an-tanan-dehibe i Mino. Sarotra ny fiainana ka nanao asa an-tselika izy. Nitantara ny fahasahiranany rehetra tamin’ny reniny izy. Ka hoy ny reniny hoe : misy vilany roa :
Ny iray voalohany misy karaoty sy atody izay miaraka andrahoina. Ny vilany faharoa kosa nampangotrahina rano ary nasiana vovo-kafe.
Rehefa masaka ary ny karaoty izay mafimafy fony manta, dia lasa nalemy, ary ny atody kosa lasa mafy. Ilay kafe indray nanome loko ny rano sady manitra.
Ka iza amin’ireo ianareo ? Ilay mafy lasa malefaka, sa ilay malemy lasa mafy mijoro tsara, sa ilay tsara loko sy manitra ?
Toriteny

« Mampahafantatra ny asan’ny Tompo ny Soratra Masina »
Inona no ambaran’ny Soratra Masina ?
Ny Lioka 4 : 38-41 no noraisin’ny Mpitandrina. Ao no ahitana ny fahamarinana mahakasika ny fanasitranana nataon’i Jesoa tamin’ny rafozambavin’i Simona Petera sy olona maro hafa koa.
1.- Ireo karazan’olona nositranin’i Jesoa.
– Lioka 4. 38 : Nangataka an’i Jesoa i Simona Petera hanasitrana ny rafozambaviny. Ny voambolana mazava eto dia hoe « nangataka ».
Jesoa dia nampianatra izany. Hoy Izy ao amin’ny Matio 7. 7 « Mangataha, dia homena ianareo;… » ; Matio 7. 11 « Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy ? ». Ny vavaka nampianarin’ny Tompo no tena vavaka fototra « Omeo anay isan’andro… ». Jesoa dia tena nampianatra ny mpianany hangataka amin’ny Rainy. Ny mangataka amin’ny Tompo na ny mivavaka, amin’ny hevi-teny, dia fifaneraserana amin’Andriamanitra.
– Lioka 4. 40 : Ireo olona rehetra hafa dia tonga nanatona an’i Jesoa. Aza manalavitra an’i Jesoa fa manatona Azy. Izay mila vonjy, izay mangataka fahasitranana dia manatona an’i Jesoa .
Marka 1. 32 : « Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany Aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka. » ; Efesiana 2. 13 « fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. »
Mila manatona ny Tompo isika, managataka Aminy ary mino fa Izy manasitrana.
2.- Jesoa Kristy mpanasitrana (And. 39)
Rehefa niteny Simona Petera dia tsy nohainoin’i Jesoa Kristy fotsiny.
Rehefa miantso ny Tompo isika dia manatrika Izy ary tonga dia miasa avy hatrany. Tsy mangatak’andro ny Tompo, fa tonga dia manome valimbavaka.
And. 40 « …nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy. ».
Ny olona rehetra dia samy manana ny aretiny.
Manatona, mangataha ary minoa.
Mihaino Izy, mandray an-tanana, miasa.
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra, Amen!
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Irimanana Eninkaja

Nikirakira fafana
Raoliarizaka Bakoly

Fanamafisam-peo
Andriamahatana Rija

Naka sary
Ramahery Hasina

Nandray an-tsoratra
Rajaofetra Voahangy
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →




































