ALAHADIN’NY MARARY HODITRA
FANOKAFANA NY FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHA 165 TAONAN’ NY FIANGONANA
ALAHADIN’NY FIRAISAN’NY SAMPANA
«MAHEFA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO»
Alahady 25 Janoary 2026
1 Jaona 2. 20
«Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin’Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.»

Fiantsoana sy Fiderana
Alahadin’ny Firaisan’ny sampana.
Alahady nanokafana ny faha 165 taonan’ny Fiangonana miaraka amin’ireo sampana dimy mankalaza an’Andriamanitra noho ny jobiliny, mbola nibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy eto amin’ny sahan’ny FJKM hoe: “Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo”.
Ny Diakona, Fanja Andrianasy no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry nitondra ny hafatra.
Fiarahabana apostolika : 1 Tantara 29. 10b-13. Hira FF13: Mihirà fihiram-baovao.
Ny Litorjia endriny faharoa no nanatontosana ny fotoana.
Ny Fanekem-pinoana faha-4 no nanambarana ny finoana.
Famakiana ny Soratra Masina
Ny Perikopa voalahatra : Isaia 65. 17-25; Lioka 5. 12-16; Asan’ny Apostoly 12. 11-17.
Faniah Rakotonarivo no nanantanteraka ny vavaka mialohan’ny famakiana ny Soratra Masina, Lanto Rabarijaona – STKZo no namaky Testamenta Taloha ary Randrianarison Manoa Navalona – SVM no namaky Testamenta Vaovao.
Ny RFF: “Ny Andriamanitra inoako” no nanao anjara hira taorian’ny toriteny.
Fotoana ho an’ny Ankizy sy ny tanora

Rakotozafy Tinà, mpampianatra K5, no tompon’anjara.
« Izaho no mofon’aina ,izay manatona Ahy tsy mba ho noana … » Jaona 6. 35a no nakany ny hafatra sy nisintonany ny lesona.
Nampitany ny momba ny vary sy kombam-bary ary ireo sedra natrehan’i Jesoa Kristy.
Notohizana tamin’ny hira FFPM 212:1.
Toriteny

Ny Lioka 5. 12-16 no nitondran’ny Mpitandrina ny hafatra: Ny amin’ny nahasitranana ilay boka.
Hafatra telo no nasongadina :
1.- Ny fiaiken’ilay heniky ny habokana ny amin’ny fahalemeny (And.12)
Miaiky ny amin’ny fahalotoany sy ny faharariany ilay boka: “Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”
2.- Ny fiorenana ny amin’ny finoana.
Ny fiankohofana: Credo (fanekem-pinoana) amin’ny alalan’ny fihetsika eto, dia milaza:
– Fanetren-tena;
– Fanekena sy finoana;
– Faharesen-dahatra ataon’ny olona anankiray.
3.- Mamelà ny Tompo hiasa: “Raha mety Ianao …” (And. Lio. 12)
Avelao ny Tompo hiasa amin’ny fombany, fa aza baikoana araka ny filanao.
4.- Omeo voninahitra Ilay nanasitrana anao (And.13)
Mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra. Manaova fanatitra.
Meteza hotarihin’ny Tompo sy ny Fanahy Masina.
Tsy mahazo manao fanatitra raha tsy madio sy voadio ary
Ataovy ny asan’ny Tompo. Mijoroa ho vavolombelona.
Ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Ho amintsika ny amin’izao taon-jaobily izao ny fanetren-tena sy ny fankasitrahana.
Asa Vavolombelona
Fanoloran-jaza: Andrianasolo Noam Hariniela Liyan.
Fanokafana amin’ny fomban’ny Fiangonana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 165 taonan’ny Fiangonana, miaraka amin’ireo sampana dimy hanao jobily sy fankalazana : SMZM- SVM- SAFIF- SLK – STAF.
Novakiana ny teny faneva..
“Fa tsara Jehovah, Mandrakizay ny famindrampony, Ary mihatra amin’ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinany… ka manangàna faneva ho tazan’ny ny firenena.” Salamo 100.5 ; Isaia 62. 10.
Natao ny hira faneva: Fa tsara Jehovah
Hijery ireo raki-tsary rehetra
Ireo tompon’anjara

Nitendry orga
Randriambeloson Sitraka – SMZM

Nikirakira fafana
Rabako Tovo

Fanamafisam-peo
Ramahery Hasina

Naka sary

Nandray an-tsoratra
Ravelojaona Harentsoa
Ireo Alahady hafa
Vaovao Mpiangonana
Jereo ny filazan-draharaha →









































