« MANETRY TENA NY MPINO »
ADVENTO VOALOHANY
ALAHADY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO
« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. »
Kolosiana 3:12
Andro lehibe satria miditra amin’ny volana vaovao sy manitsaka taom-piangonana vaovao, taom-piasana vaovao isika, dia ny vanim-potoan’ny ADVENTO. Miova ny loko litorjika, isalorana ny loko maitso.
« Manetry tena ny mpino » no lohahevitra vaovao banjinina eo amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana desambra ity.
Ny Mpitandrina Rakotomanana H. Tahiry no nitarika ny fotoana sy nitory ny Tenin’Andriamanitra ; nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny voalohany no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekempinoana laharana voalohany no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra: Joba 22 : 21-30 ; Lioka 18 : 9-14 ; Kolosiana 3 : 12-15
Ny Diakona Randriamasinoro Diamondra no nanao ny vavaka sy namaky ny Testamenta Taloha ary nanohy namaky ny Testamenta Vaovao ny Diakona Andriamampianina Njaka.
Nanao ny anjara hirany, “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra”, ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena taorian’ny Toriteny.
Amin’ny maha alahady voalohany amin’ny volana dia nisy ny fitondrana amim-bavaka ireo nankalaza ny tsingerinandro nahaterahana tamin’ny volana novambra. Niisa 67 izy ireo.
Ny Jeremia 31:3 no Teny nomen’ny Fiangonana, nentina nampaherezana azy ireo : « Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao. »
Nisy ny firaisana Latabatra tamin’ny Tompo taorian’ny fanompoam-pivavahana.
Ny Hafatra dia ny Kolosiana 3 : 12 « Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. »




Andriantseheno Hanitra, mpampianatra Sekoly Alahady K1, no tompon’anjara. Joba 22 : 22 « Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.». Izany no nakany lesona fampianarana sy hafatra. Ilaina tokoa ve ny Tenin’Andriamanitra ? Horonan-tsary no nitondrany hafatra. Nisy vera iray nisy rano maloto ary vera iray hafa nisy rano madio. Ny vera nisy maloto dia noharina ho toy ny fo maloto misy fahotana ary ny rano madio kosa dia ny Tenin’Andriamanitra, manadio. Aoka haka tahaka an’ny Tompo isika, ny Tompo dia manetry tena. Izany ny lohahevitra vaovao amin’ity volana ity « Manetry tena ny mpino »



TORITENY
Nampahatsiahy ny Mpitandrina fa manitsaka taom-piangonana vaovao isika : ny ADVENTO.
Avy amin’ny teny grika hoe « adventis » izay hoe « fotoana fiomanana amin’ny fitsenana ny fiavian’i Jesoa » no hevitra teolojika.
Ny lohahevitra banjinina dia hoe « Manetry tena ny mpino ». Koa ny mpino izany dia manana fanetrentena eo am-piomanana ny fitsenana ny Mpamonjy.
Ahoana izany mpino manana fanetrentena izany ?
Ao amin’ny Kolosiana 3 : 12-15 (Perikopa) no ahitana azy
1) Mifandefitra sy mifamela heloka (And. 13)
Jesoa no modely. Jesoa, raha namela heloka dia tokony toa izay ny atao amin’ny namana
2) Mahay mifankatia (And. 14)
Fitiavana « Agape » ara-teolojika
Mitafy fitiavana ambonin’ny zavatra rehetra
3) Feno fisaorana (And. 15d)
Ny fisaorana eto dia « reconnaissance »
Manao toa ireo magy namangy sy nanao fanomezana ary niankohoka nitsaoka.
Moa feno fisaorana isika ?
Hoy ny ao amin’ny Kolosiana 3 : 15a « Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy,… »
Ny olona manana fiadanana (« shalom ») dia afaka miaina ireo zavatra telo ireo.


Nitendry orga : Rajaofetra Philippe sy ny Sampana Mpiangaly Zava-Maneno (SMZM)
Nikirakira fafana : Rakotondramboa Andry
Nikirakira fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova
Naka sary : Rakotondramboa Andry
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy




















