Alahady 24 Novambra 2024

“IAINO NY TOE-PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA”
IVOM-BOKATRY NY ZANAKA AMPIELEZANA AMPARIBE FAMONJENA
ALAHADY FAHA 26 MANARAKA NY TRINITE
“Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay” I Tesaloniana 2 : 20

Alahady farany ibanjinana ny lohahevitra « Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra». Androany no natokana itondran’ny sahan’ny FJKM amim-bavaka ny Komitim-pirenena Miady amin’ny SIDA (KPMS). Notanterahina tao anatin’ny Asa vavolombelona ny fandraisam-pitenenan’ny solontenan’ny Zanaka ampielezana. Rajaonarison Sahondravololona, Filoha, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Litorjia endriny faharoa sy ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentina nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana sy nanehoana ny finoana.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA
Randriambeloson Malalatiana no nanatanteraka ny fampianarana.
Ny Jaona 17 : 15 no nakany ny hafatra sy ny tsianjery : “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy.”
Satrin’ny mpinamana ny hiaraka mandrakariva sy hifampiresadresaka matetika. Jesoa no namana tena tia antsika ary mitaona antsika hino sy handray Azy. FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny perikopa voalahatra :
Salamo 34: 11 – 22 ; Marka 10: 17 – 27 ; 1 Timoty 6: 11 – 21
Randriamanana Clément Hery no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny ;

Randriamanana Toky no namaky ny Testamenta taloha ;
Randriamanana Anja kosa no namaky ny Filazantsara ;
Milson Saholy no namaky ny Epistily.TORITENY
Ny Lioka 3 : 7-14 sy Jakoba 3 : 13-18 no nangalana ny toriteny.
Ny taranaka voataiza teto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena dia tokony mibebaka, miasa ary hendry
Mba tsy ho taranaky ny menarana ianareo taranaka voafidy, dia meteza ho :
1 – Taranaka mibebaka. (Lioka 3 : 7-, 1 Pet.2 :9)
Mila mibebaka isika raha te ho voavonjy.
2 – Taranaka miasa. (Lioka 3 : 10 , 12, 14)
Mila manao asa fiantrana, tsy mangalatra ary mianina amin’ny karama, izany hoe manao ny marina.
3- Taranaka hendry (Jakoba 3 :13-18)
Ny olona hendry dia izay manaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Mangataka ny fitarihan’ny Fanahy masina.
Hafatra : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » Matio 6 :33ASA VAVOLOMBELONA
Fandraisam-pitenenan’ny Biraon’ny Zanaka ampielezana sy fanolorana ny rakitra nataon’izy ireo ho an’ny Mpitandrina mivady.TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto sy Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova sy Harentsoa Rova
Naka sary : Ravelojaona Harentsoa
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

No Images Found!