Alahady 24 Novambra 2024

« IAINO NY TOE-PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA »
IVOM-BOKATRY NY ZANAKA AMPIELEZANA AMPARIBE FAMONJENA
ALAHADY FAHA 26 MANARAKA NY TRINITE
« Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay » I Tesaloniana 2 : 20

Alahady farany ibanjinana ny lohahevitra « Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra». Androany no natokana itondran’ny sahan’ny FJKM amim-bavaka ny Komitim-pirenena Miady amin’ny SIDA (KPMS). Notanterahina tao anatin’ny Asa vavolombelona ny fandraisam-pitenenan’ny solontenan’ny Zanaka ampielezana. Rajaonarison Sahondravololona, Filoha, no nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny Litorjia endriny faharoa sy ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentina nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana sy nanehoana ny finoana.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA
Randriambeloson Malalatiana no nanatanteraka ny fampianarana.
Ny Jaona 17 : 15 no nakany ny hafatra sy ny tsianjery : « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. »
Satrin’ny mpinamana ny hiaraka mandrakariva sy hifampiresadresaka matetika. Jesoa no namana tena tia antsika ary mitaona antsika hino sy handray Azy. FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ny perikopa voalahatra :
Salamo 34: 11 – 22 ; Marka 10: 17 – 27 ; 1 Timoty 6: 11 – 21
Randriamanana Clément Hery no nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny ;

Randriamanana Toky no namaky ny Testamenta taloha ;
Randriamanana Anja kosa no namaky ny Filazantsara ;
Milson Saholy no namaky ny Epistily.TORITENY
Ny Lioka 3 : 7-14 sy Jakoba 3 : 13-18 no nangalana ny toriteny.
Ny taranaka voataiza teto amin’ny Fitandremana Amparibe Famonjena dia tokony mibebaka, miasa ary hendry
Mba tsy ho taranaky ny menarana ianareo taranaka voafidy, dia meteza ho :
1 – Taranaka mibebaka. (Lioka 3 : 7-, 1 Pet.2 :9)
Mila mibebaka isika raha te ho voavonjy.
2 – Taranaka miasa. (Lioka 3 : 10 , 12, 14)
Mila manao asa fiantrana, tsy mangalatra ary mianina amin’ny karama, izany hoe manao ny marina.
3- Taranaka hendry (Jakoba 3 :13-18)
Ny olona hendry dia izay manaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Mangataka ny fitarihan’ny Fanahy masina.
Hafatra : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » Matio 6 :33ASA VAVOLOMBELONA
Fandraisam-pitenenan’ny Biraon’ny Zanaka ampielezana sy fanolorana ny rakitra nataon’izy ireo ho an’ny Mpitandrina mivady.TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Rabiazamaholy Hery Lanto sy Rabiazamaholy Mahery
Nikirakira fafana : Raoliarizaka Bakoly

Nikirakira ny fanamafisam-peo : Rakotovololona Lova sy Harentsoa Rova
Naka sary : Ravelojaona Harentsoa
Nandray an-tsoratra : Zanaharitsimba Toky

No Images Found!