“MANETRY TENA NY MPINO”
ALAHADY II ADVENTO
ALAHADIN’NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY FJKM
IVOM-BOKATRY NY SAMPANA SEKOLY ALAHADY “ANTOKY NY FAMONJENA”
“Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.”
Marka 9:37
Fotoan-dehibe ity alahady ity noho ny maha alahadim-bokatry ny Sampana Sekoly Alahady « Antoky ny Famonjena » azy. Fotoan-dehibe tokoa satria vanim-potoana nizarana loka ho an’ireo mpianatra Sekoly Alahady isan-tsokajy ary mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe “Manetry tena ny mpino” amin’izao alahady faharoa amin’ny Advento izao.
Ny Sampana Sekoly Alahady no nitarika sy nandrindra ny fanompoam-pivavahana.
Rabenasolo Landy no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nanao ny vavaka fangatahana ary nanolotra ny Tsodrano.
Ny Litorjia endriny faharoa no nanatanterahina ny fanompoam-pivavahana.
Ny Fanekem-pinoana laharana faharoa no nentin’ny Fiangonana nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Ny Perikopa voalahatra : Ohabolana 29:15-23 ; Marka 9:33-37 ; I Petera 3:8-12
Razafindrabe Tonny Ny Aiko Bam no nivavaka, mialoha ny namakian-dRanaivomanantsoa Jassiny Sitraky Ny Avo ny Testamenta Taloha sy Ramahandry Kanto, ny Testamenta Vaovao.
Nanao ny Tatitra Asa ny Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady, Razafindrasata Abel. Novakiany koa ny hafatry ny Sekoly Alahady Foibe, ary rehefa dia niara-niredona ny hira « Tano sy ampianaro ny finoana » teo am-pitsanganana ny fanakaviamben’ny Sekoly Alahady. Nahafinaritra loatra fa narahana fihetsika izany hira izany.
Nisy Fanoloran-jaza : Randriajoelison Tiantsoa Louane.
Asa Vavolombelona : Fizarana valisoa ho an’ireo mpianatra Sekoly Alahady isan-tsokajy.




FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA
Andrianifahanana Felana, mpampianatra Sekoly Alahady, no tompon’anjara.
Ohabolana 11:2b « Fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.» Izany no nakany lesona fampianarana sy hafatra.
Raha te ho hendry dia mila manetry tena. Izany hoe feno fitiavana sy feno fisaorana. Tsy mora anefa izany fa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no ilaina. Ny Fiangonana, ny Sampana, indrindra fa ny Sekoly Alahady dia manome fampianarana ho an’ny sokajin’olona rehetra. Koa dia tongava, mazotoa manao Sekoly Alahady.



TORITENY
“Manetry tena ny mpino”
Manambara hevitra roa ny Soratra Masina ao amin’ny Marka 9:33-37. Niresaka tamin’ny mpianany Jesoa rehefa avy tany Kapernaomy.
1) And. 33 : Jesoa “Mesia”
Tsy niaraka tamin’ireo mpianany akory Jesoa nefa dia nahafantatra fa niady hevitra teny an-dalana izy ireo. Hoy i Jean Calvin hoe “Dieu est omniprésent”.
Andriamanitra na Jesoa dia tsy voafetran’ny toerana sy ny fotoana. Jesoa dia Mesia, Imanoela koa no fiantso Azy, izay midika hoe “amintsika Andriamanitra”.
Ity Zaza tsenaina ity dia Andriamanitra tena Andriamanitra, mahita ny zavatra rehetra amin’ny fotoana rehetra. Mahita antsika ny Tompo amin’izay atao rehetra.
2) And. 36-37 : “Andriamanitra be fanetren-tena”
« Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy;… »
Mampitovy ny tenany amin’ny zaza Izy ka nahatonga Azy niverina zaza tety an-tany. Ny toetran’ny zaza, ara-teolojika, dia fankatoavana, finoana, fanetren-tena.
Isika olon-dehibe ve manana fanetren-tena tahaka ny zaza ? Rehefa te ho lehibe mantsy tsy te ho zaza intsony.
Ny tarazo ankehitriny dia ny fahazoan-toerana. Hita ao amin’ny Marka 10 :36-37 izany « Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo? Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny an-kavianao, any amin’ny voninahitrao. »
Ny atao hoe lehibe dia lehibe amin’ny fanompoana fa tsy amin’ny fananana voninahitra.
Fehiny :
– Jesoa Mesia dia tena Andriamanitra mahita antsika amin’ny fotoana sy toerana rehetra.
– Mesia be voninahitra Izy fa manana ny toetran’ny fanetren-tena.
‘Ndeha ary isika hanana ny toetran’ny fanetren-tena.



ASA VAVOLOMBELONA











TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Raharinoa Fenitra sy Rakotondrabe Manjaka
Nikirakira fafana : Randriamasimanana Andry Navalona
Nikirakira fanamafisam-peo : Rabiazamaholy Hery Lanto
Naka sary : Andriamampianina Faneva Harijesy
Nandray an-tsoratra : Rajaofetra Voahangy




































































