Alahady 15 Desambra 2024

“MANETRY TENA NY MPINO”
ALAHADY FAHA 3 AMIN’NY ADVENTO
IVON’NY HERINANDROM-BOKATRY NY FIKAMBANAN’NY MPITORITENY SY KATEKISTA ARY IREO VITA FIOFANANA (FMKF)
“Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany…”
Isaia 57 : 15-21

Ity no alahady fahatelo ao anatin’ny Advento ary ho an’ny Fitandremana eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena dia ivom-bokatra no sady famaranana ny herinandrom-bokatry ny FMKF na ny fikambanan’ireo Mpitoriteny sy Katekista ary ireo vita Fiofanana.
Mbola mibanjina ny lohahevitra fitaizam-panahy hoe : « MANETRY TENA NY MPINO » isika ankehitriny.
Niavaka ihany koa ny fotoana androany fa namaranana tamin’ny fombam-piangonana ny fankalazana ny faha 20 taonan’ny Vondrona Manambatra Fanomezam-pahasoavana (VMFP).
Nisy ny tsangambato natolotra ny Fiangonana nentina nanamarihana izany dia ny fanomezana FAFANA lehibe ho fametahana ireo peta-drindrina sy filazam-baovao samihafa miseho eto amin’ny Fiangonana.
Ny Filoha mpanampy ao amin’ny FMKF, Rasolofoson Voahirana no nitarika ny fanompoam-pivavahana.
Ny Mpitandrina eto an-toerana Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitory ny Tenin’Andriamanitra ary nanatanteraka ny vavaka fangatahana
Ny Fanekem-pinoana laharana fahatelo no notanterahan’ny Fiangonana nanambarany ny finoany an’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.
Ny Perikopa voalahatra : Isaia 57: 15 – 21; Lioka 14: 7 – 11; Kolosiana 2: 16 – 23.
Ireo Diakona nandray anjara : Rabenasolo Rija nanao ny vavaka mialoha ny vakiteny sy namaky ny Testamenta Taloha. Rakotozafy Tinà namaky ny Testamenta Vaovao.

FOTOANAN’NY ANKIZY SY TANORA
Rakotondramboa Hanitra, mpampianatra K4 no nanatanteraka ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Ny hafatra dia nalaina araka izay hita ao amin’ny Filazantsaran’i
Jaona 14: 30b ” Fa avy ny andrian’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy”.

TORITENY
Ny hafatra dia nalaina araka izay hita ao amin’ny Isaia 57 : 15-21

TENA TIA ANTSIKA ANDRIAMANITRA :
Ny bokin’ i ISAIA dia mizara telo lehibe :
Fizarana 1 : Toko 1- Toko 35
Fizarana 2 : Toko 36- Toko 39
Fizarana 3 : Toko 40- Toko 66
Ny Isaia 57 dia ao anatin’ny fizarana fahatelo izay manambara ny faminaniana ny amin’ny Teny soa mahafaly ho fanavotana sy famonjena ny zanak’Isiraely.
1°) Andriamanitra dia maneho ny Fahalehibiazany sy ny Voninahiny ary ny Fahamasinany. (and. 15a)
Izy no Ilay Andriamanitra Mpamorona , ilay hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay.
Izy ilay Tompon’ny hery sy fahefana rehetra any an-danitra ka hatrety an-tany.
2°) Andriamanitra manetry tena (and 15b)
Mijery ny fadiranovana Izy, hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo. Io Ilay Jesoa Kristy nidina ka tonga nofo ary nonina sy niara-belona tamintsika. Maneho ny Fanetrentenan’Andriamanitra izay nasehony tao amin’i Kristy
3°) Andriamanitra mamindra fo sy mandefitra amintsika (and 16-19)
Andriamanitra dia tsy mijery antsika araka ny haben’ny fahotantsika fa mandefitra sy mamindra fo .
“Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay”(and16), hoy Jehovah.

Ho an’Andriamanitra Irery ny Voninahitra. Amen!



ASA VAVOLOMBELONA

IMG_7007
IMG_7032
IMG_7030
IMG_7044
IMG_7043
IMG_7039
IMG_7038
IMG_7035
IMG_7036
IMG_7078
IMG_7058
IMG_7075
IMG_7061
IMG_7067
IMG_7073
IMG_7081
IMG_7083


IMG_7054
IMG_7051
IMG_7050
IMG_7048
IMG_7047
IMG_7046
IMG_7045



TOMPON’ANJARA
Nitendry orga : Raharinoa Fenitra
Nikirakira fafana : Rakotondramboa Andry
Nikirakira fanamafisam-peo : Harentsoa Rova
Sary : Rakotoarisoa Falimandimby
Nandray an-tsoratra : Rabako Tovohery

IMG_7009
IMG_7005
IMG_7023
IMG_7021
IMG_7026
IMG_7015
IMG_7013
IMG_7011
IMG_7003
IMG_7001
IMG_7000
IMG_6996
IMG_6995
IMG_6993
IMG_6983
IMG_6982
IMG_6978
IMG_6976
IMG_6964