Hoy JESOA : “EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY, KOA MANDEHANA IANAREO DIA ATAOVY MPIANATRA NY FIRENENA REHETRA”Matio 28:18-19a.
Faly miarahaba anareo ry Fiangonan’Andriamanitra. Miarahaba anareo vahiny tonga tonga miara miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena ihany koa. Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanani Jesoa Kristy Tompo.
Alahady 1 Jona 2025, Alahady faha-6 manaraka ny PASKA, 43 andro taorian’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, fotoana iandrasantsika ny andro Pentekosta. Ibanjinantsika indray ny lohahevitra fitaizam-panahy vaovao manao hoe : “AN’NY TOMPO NY FAHEFANA”. Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.
RAHARAHA AVY ANY IVELANY
FFKM / KOMITY FOIBE
Ho fanokafana ny taom-pakalazana an’Andriamanitra noho ny faha-45 taona nijoroan’ny FFKM dia manasa ny fiangonana hiara hankalaza sy hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanompoam-pivavahana izay hotanterahina ny Alahady 01/06/2025 amin’ny 3ora tolakandro ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
Fanompoam-pivavahana noho ny faha-35 taonan’ny fikambanana – Alahady 15 jona 2025 amin’ny 9ora maraina eny amin’ny TPM Ivato.
SPAA 10
Manasa ny Fiangonana amin’ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fitrotroana am-bavaka ny Atoa RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo, Mpitandrina, izay mamarana ny andraikitra maha-Prezida Synodaly azy eto amin’ny SPAA10 fa notendrena ho amin’ny andraikitra hafa eo anivon’ny FJKM. izany FP izany dia hotanterahana ny Zoma 6 jona 2025 amin’ny 9ora sy sasany ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana.
Manasa ny fiangonana amin’ny fanompoam-pivavahana ivon’ny Jobily faha-200 taonan’ny Lycee Prive FJKM David Griffits – Sab 6 jona 2025 @ 9ora sy sasany ao amin’ny Lycee Prive FJKM David Griffits.
AUMONERIE REGIONALE ANALAMANGA
Manasa ny fiangonana hiara-hiombom-bavaka ny Alakamisy 5 jona 2025 ao amin’ny FJKM Salema Vaovao 67ha amin’ny 9ora sy sasany maraina, Izany moa dia fotoana hanatanterahana ny fandraisa-tanana ny Talem-paritry ny Aumonerie regional Analamanga Atoa Razafindramanitra Nestor, Mpitandrina, izay miasa miaraka amin’ny fanjakana eny anivon’ireo fonja eto Analamanga.
RAHARAHA ETO AN-TOERANA
Litorjia endriny 1 no anatanterahantsika izao Fanompoam-pivavahana izao.
Fanoloran-jaza : NY ZAZA ANDRIAMANORO SOAKOLO ANAIA, teraka ny 24 febroary 2025, zanak’Atoa ANDRIAMORO Tahiry sy Rtoa RABETOKOTANY Faniry Soa.
RAKITRA ANNIVERSAIRE ireo rehetra teraka volana MEY. Hitsangana ianareo ary hanatanteraka rakitra alitara. Rakitra roa no hotatazana ka samy atolotra ho fiainan’ny fiangonana.
Manasa ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra manatrika izao fotoana izao hiomana sy hiombona latabatra amin’ny Fanasan’ny Tompo.
Mianatra ny Katekomena anio tolak’andro manomboka amin’ny 2ora sy 15mn. Lesona : KRISTIANA ANDRIN’NY FIANGONANA. Zoky Lalaina Rabezandrina no hampianatra.
Fotoana mandritra ity volana JONA ity : – Hanomboka rapitso 2 – 9 Jona 2025 ny HERINANDRON’NY FANAHY MASINA. – Herinandrom-bokatra 2 no atrehana ity volana ity : Hasin’ny Famonjena sy ny Sampana Vokovoko Manga. – Alahady 22 jona 2025: Alahady Hetsika Malagasy noho ny Fetim-pirenena – Alahady 29 Jona 2025: Alahadin’ny Taranaka “MIVERINA AN-DOHARANO” araka ny Genesisy 17. 9.
FILAZANA MANJO Amin’ny finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesana : Ilazana : Fiangonana, Mpitandrina mivady, FDL, Vaomiera fananana, SAFIF, VMFP, GAZETY Taratry ny Famonjena. Ny maty RABEFIERANA Jacques Alain, ny Alarobia 28 mey 2025 tany La Reunion, teo amin’ny faha-68 taonany. Ny mampilaza : Ny vadiny : RANOROVOLOLONA Eleonore. Ny iray tampo aminy : RABEFIERANA Lucien sy Nivo miandahy avy sy ny zanaka aman-jafiny, ny fianakaviana manontolo. Fandaminana Fahatongavan’ny nofo mangatsiaka eny Ivato : Alatsinainy 2 jona 2025 amin’ny 2 ora tolakandro. Endrasana eny amin’ny Lot F 48 ter Ambohitromby Alasora. Fandevenana ny Alarobia 4 jona 2025 amin’ny 1 ora, entina eny amin’ny FJKM Mahatsinjo Alasora. Famangian’ny fiangonana : TALATA 3 jona 2025 amin’ny 12ora sy 30mn eny Alasora (tokatranon’i Zoky Lucien sy Nivo)
TARATASY AVY AMIN’NY SSAAV
FAMPAHAFANTARANA sy FIOMANANA ALAHADY TARANAKA 2025
Araka ny Tondrozotra 2025 dia natao ho zava-dehibe amin’ity taona ity ny fitaizana tanora sy ny FIANAKAVIANA. Mampatsiahy izany izahay ho antsika sampana sy fikambanana rehetra tena hanao ho laharam-pahamehana izany amin’ny programanasa rehetra.
Ao anatin’izany indrindra ny ALAHADY TARANAKA.
Fotoana : 29 jona 2025
Hisy ny fampianarana manokana mandritra ity volana ity hoentin’ny Mpitandrina ny amin’ny anjara toeran’ny TARANAKA eo amin’ny fiainana kristiana. Endrika miavaka no anatanterahanatsika izany amin’ity taona ity ka aoka samy hihaino sy handray tsara izay fampianarana sy fandaminana entin’ny Mpitandrina ho fiomanana Dieny izao dia aoka hiomana isa-taranaka amin’izany fiombonam-bavaka eto Amparibe izany ny amin’io alahady 29 jona.
Toy fanao isa-taona dia hizara fifaliana ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona kamboty eo amin’ny fiangonana ny SMZM ny alahady 15 jona 2025 izao.
Koa raha misy ankizy kamboty mbola tsy voaray anarana ka maniry hisitraka izany dia angatahana mba hanatona ny biraon’ny SMZM anio sy amin’ny heriny 8 jona aorian’ny FP. Mandray anareo eo antokotanim-piangonana ny birao SMZM.
SAMPANA TANINKETSA
Ho fanohanana ny fitoriana filazantsara tanterahan’ny Sampana sy ny asa fitaizana ny zanaky ny fiangonana, ny Sampana Taninketsa Amparibe Famonjena dia mikarakara mofomamy ho an’ny fetin’ny Ray amin’ny vidiny 20.000 Ariary. Miavaka ny amin’ity taona ity satria mandray anjara amin’ny fanamboarana ireo mofomamy ny Ankizy beazina.
Manantona ny mpikambana eo amin’ny Sampana ary mandray ny tapakila natokana ho amin’izan izay maniry handray anjara.
FIK MPITORITENY SY KATEKISTA ARY VITA FIOFANANA
Fiofanana isam-bolana mu Sab 7 jona 2025 @ 8ora maraina.
Loha-hevitra : Manalokaloka ny Fanahy Masina ny Intelligence Artificielle.
Tanterahan’ny Mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry.
HERINANDRON’NY FANAHY MASINA : 2 – 8 jona 2025
Hisy ny FP isa-kariva eto Amparibe manomboka ny alatsinainy 2 hatramin’ny zoma 6 jona 2025.
Manomboka amin’ny 6ora sy fahefany ny fotoana ny alatsinainy hatram alakamisy.
AOKA SAMY HIJERY AO AMIN’NY FAFANA SY NY TARATASY EFA NALEFA AMIN’NY MAILAKA NY SAMPANA SY NY VAOMIERA ARY IREO TOMPONANJARA REHETRA MANDRITRA ITY HERINANDRO FANAHY MASINA ITY.