Hoy ny Soratra Masina : « Miadia ny ady tsaran’ny finoana , hozony ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.» I Timoty 6. 12
Manantitra ny arahaba ho antsika rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo ry Havana , tononina manokana ho anareo vahiny tonga miara miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena izany. Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana.
Alahady III manaraka ny Trinite, ny andro anio. Lohahevitra vaovao indray no hiainana manerana ny sahan’ny FJKM amin’izao volana Jolay izao dia ny hoe :« Olom-boaantso ny mpino ».
Hotanterahina ny Alahady 13 Jolay amin’ny 2ora 30 tolakandro ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny fanompoam-pivavahana hisaorana an’Andriamanitra noho ny Jobily faha 25 naha mpitandrina an’Atoa RAVELONARIVO Mamitiana , Prezida synodaly Antananarivo Andrefana. Hasaina hiara iombom-bavaka amin’izany ny fiangonana manontolo.
SPAA10 – SAFIF
Hotanterahina ny 8-10 Jolay eny amin’ny FJKM Ambohimanandray Filadelfia ny isan-keritaonan’ny SAFIF /SP . Hanomboka amin’ny amin’ny 9.30 maraina ny fanompoam-pivavahana. Hasaina amin’n’izany ny SAFIF isam-pitandremana.
SPAA10 – FJKM ANTOBY AVARATRA
Hotanterahina ny Alahady 13/07 ny Alahadin’ny KD MAMINDRAINY Rovantsoa , mianakavy ao amin’ny FJKM Antoby Avaratra izay fiangonana miara mandroso . Mangataka ny fitrotroana am-bavaka ny amin’ny adidy hiantsorohana ary mandefa valopy miisa 10 ho fanohanana amin’ny endrika hita maso.
SPAA10 – FJKM BABAY OLIVA FIHAVAOZANA
Jobily faha 160 taona ny fiangonana izay hotanterahina ny Zoma 11/07 ka hanasana ny Mpitandrina sy ny solotenan’ny Fiangonana.Hanomboka amin’ny 9.30ora ny fanompoam-pivavahana izay hotarihan’ny SPAA10.
RAHARAHA ETO AN-TOERANA
Alahady voalohany amin’ny volana anio . Hisy ny fiarahana latabatra amin’ny Tompo aorian’izao fanompoam-pivavahana izao.Araka ny fandaminana dia hisy ny fiomanam-panahy mialohan’ny hirosoana amin’ny firaisana latabatra amin’ny Tompo .Hasaina avokoa isika MFT rehetra tonga miara miombom-bavaka eto ho amin’izany Fanasana Masina izany. Aorian’izany kosa dia asaina hijanona ny MFT eto amin’ny fitandremana hanatanteraka ny fivorian’ny MFT hitondrana ireo raharaha izay handraisana fanapahan-kevitra.
Ny rakitra anio dia ho an’ny fiainan’ny fiangonana.
Hisy ny rakitra tsingerin-taona ho an’ireo izay teraka ny volana Jona aterina ety amin’ny Alitara.
Mianatra ny Katekomena anio tolak’andro ny lesona anio : “Ny asa fitoriana ny filazantsara anatiny sy ivelany”.
Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.
Amin’ny Alahady heriny anio dia handray Evanjelistra isika dia ny Mpitandrina RAKOTONDRABE Harilanto mitondra ny PEV Antsalova SP BEMARAHA.Aoka hiomana amin’ny rakitra am-baravarana izay efa fanao ho fanohanana izany Evanjelistra izany.
Toy izao ny fandaharam-potoana manokana eto amin’ny Fiangonana mandritra ny volana Jolay : – Alatsinainy 7 hatramin’ny Alahady 13 Jolay : herinandrom-bokatry ny STK – Alatsinainy 14 hatramin’ny Alahady 20 Jolay: herinandrom-bokatry ny VFL – Alahady 27 Jolay fanompoam-pivavahana ivon’ny Jobily faha 125 Taona ny Sampana Dorkasy eto amin’ny Fitandremana.
FILAZANA MANJO
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, SA, SAMPATI, SMZM Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i : RASOARISOA Lucie Ny Alakamisy 25 Jona rehefa nivahiny 81 taona teto an-tany Hoy ny zanany : RAKOTONDRABE Haja Manjaka mivady, mianadahy avy sy ny zanany Fianankaviana manontolo . Ny fandevenana dia tontosa ny Sabotsy 28 Jona lasa teo teny Ambohibary Sambaina tao aorian’ny fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Fladelfia Antsirabe. Ny famangiana dia hotanterahina anio aorian’ny fivorian’ny MFT eto amin’ny fiangonana ihany.
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, SA, SVM, GAZETY TAFA Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i : RAZAFINDRAKOTO Josiane Charline Ny Alahady 29 Jona rehefa nivahiny 69 taona teto an-tany Hoy ny zanany : RAKOTONARIVO HARIFENO Velojaona sy RAKOTOARISOA Dina mianadahy avy sy ny zanany Fianankaviana manontolo . Ny fandevenana dia tontosa ny Zoma 4 Jolay lasa teo teny Mahazina Ambohimanga tao aorian’ny fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Amboara Ambohimanga . Ny famangiana dia efa tontosa.
TARATASY AVY AMIN’NY SSAAV
Gazety Taratry ny Famonjena
Efa mivoaka ny Gazety volana Jolay ary efa azontsika raisina ao amin’ny tompon’andraikitra izany . Entanina isika hanjifa sy hamaky izany Gazetin’ny Fiangonana izany fa maro ireo Artikla mahaliana sy sahaza ny sokajin-taona tsirairay toy ny Vatsim-panahy sy ireo fitaizam-pinoana isan-karazany.
SVM
Toy ny mahazatra antsika rehefa Alahady voalohany amin’ny volana dia misy ny ranomboakazo ara-pahasalamana amidin’ny Sampana koa mandraisa anjara amin’ny izany fa sady ho an’ny fahasalamana no fanohanana ny Sampana izany.
STK
Faly manasa ny tanora rehetra ho tonga hanatrika ny conference mitondra ny lohahevitra hoe : “Ny Kristiana sy ny vola” izay ho entin’ny Mpitandrina RARIJASON Hery anio tolakandro manomboka amin’ny 2.30 eto amin’ny fiangonana.
VFL
Hotanterahina ny Sabotsy 12/07 amin’ny 6ora maraina ny didimpoitra faobe izay fanao isan-taona , koa izay manan-janaka maniry ho amin’izany hasoavan-jaza izany dia anio no fara fisoratana anarana. Hotanterahina ny Sabotsy 12/07 eny Mahatony Isoavimasoandro tananan’I Rtoa RABEMILA Anna ny fiaraha-mihosina izay fanaon’ny Sampana. Hanomboka amin’ny 11 ora ny fotoana . samy manao izay hahatongavana eny ny mpikambana , samia mitondra fitaovam-pihinanana sy sakafo ary rano sahaza.
Vaomiera Fifandraisana
Antsoina ny mpikambana ( Diakona ; Loholona ; solotenan’ny SSAA miara dia aminy) ho tonga hivory ny Alarobia 09/07 amin’ny 6 ora hariva ao amin’ny efitrano Vahatra.
Vaomiera Asa Vavolombelona
Antsoina ny mpikambana ( Diakona ; Loholona ; solotenan’ny SSAA miara dia aminy) ho tonga hivory ny Alarobia 09/07 amin’ny 6 ora hariva eto amin’ny tananan’ny Fiangonana.
RFF ( Rindra Fanatanjahan-tena sy Fialamboly)
Misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fahatontosan’ny fanompoam-pivavahana fitondrana am-bavaka ny firenena sy fangataham-pitahiana ho an’ireo hanala fanadinana andiany faha 23. Mankasitraka feno an-dRtoa RAMINO Vololona , ny Mpitandrina RAHARIJAONA Solofonirina mivady , ny Mpitandrina RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry mivady, Ny Antoko mpihira Anjomara , ny mpikambana sy ny mpanohana ary ny mpianakavin’ny finoana tsy ankanavaka tamin’ny fanotronana sy ny fitrotroana am-bavaka.