FJKM Amparibe Famonjena

Raharaha Alahady 09 novambra 2025

Hoy ny Tompo amintsika anio: « Fiadanana no avelako ho anareo , ny fiadanako no omeko anareo, tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo .» Jao.14.27

Fifaliana ho antsika indray ry Havana ny mifanatritava eto an-tranon’Andriamanitra amin’ity anio ity koa manantitra ny arahaba ho antsika rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo, fiarahaba manokana ny Birao sy ny komity ar ny mpikambana aao amin’ny Gazety Taratry ny Famonjena nahatratra ity Alahady ivom-bokatra ity , miarahaba anareo vahiny tonga miara miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena ihany koa. Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana.

Alahady XXI manaraka ny Trinite, ny andro anio ,Alahady natokan’ny foibe FJKM hitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny Fananana FJKM na ny FIFA anio , mbola miaina ny.Lohahevitra hoe :« Mahandrasa , ho avy ny Tompo » .

Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.

RAHARAHA AVY ANY IVELANY

FOIBE FJKM/Komity fankalazana an’Andiamanitra noho ny fisotron-drononon’ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi mivady.

Manasa ny fiangonana sy ny Kristiana ho amin’ny fanompoam-pivavahana famaranana ny Jobily fisotron-dronono sy ny faha 40 taona naha Mpitandrina ny Filohan’ny FJKM teo aloha , IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , mivady ; ny Alahady 16 novambra amin’ny 2ora tolak’andro ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely.

TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY FIANGONANA – TDF

Hotanterahina ny alahady 16 novambra 2025 amin’ny 2h30 tolakandro ao amin’ny FJKM Ambonin’Ampamarinana ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny Anglisy karakarain’ny Foibe FJKM koa hasaina isika hanatrika izany.

Antso Misionera

Manao antso ho an’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo (MFT) telo taona farafahakeliny ho Misionera FJKM.
Toy izao ny fepetra takiana:
– Taratasy fanolorana sy fanamarinana maha MFT avy amin’ny Mpitandrina.
– Saran’ny fisoratana anarana sy vidin’ny boky fiofanana 20.000 Ar.
– Sary tapaka 2.
– Mandritra ny volana Novambra ny fisoratana anarana ao amin’ny Foibe FJKM varavarana 212.
– Hanomboka ny alatsinainy 8 desambra 2025 hatramin’ny 12 desambra 2025 isaky ny amin’ny 12 ora hatramin’ny 2ora ny fiofanana ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely.

SEKOLY ALAHADY FOIBE

Manasa ny fiangonana sy ny Kristiana ho amin’ny fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona naha Mpitandrina an’Atoa RAZAKARIVONY Charlot Praticien, Tonian’ny Sekoly Alahady, izay hotanterahina ny Sabotsy 15 novambra amin’ny 9.30ora ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.

SPAA 10

Ny Biraon’ny SPAA10, ny Mpitandrina mivady sy ny FJKM Ambohimandroso Alfa sy Omega dia manasa ny Fiangonana hiara hisaotra an’Andriamanitra noho ny fisotron-drononon’ny Mpitandrina RATSIRESY Gilbert, mivady ny Sabotsy 15 novambra amin’ny 9.30 ora.

RAHARAHA ETO AN-TOERANA

– Alahady natokan’ny Fitandremana hitondrana am-bavaka ny Gazety Taratry ny Famonjena sy Tranokala ny anio sady famarananay ny herinandrom-bokatra ihany koa.

– Hisaorana ny Tompo fa tontosa soamantsara ny fitsangatsanganan’ny Fiangonana izay notanterahina teny Ivato “MAHATALAKY PARK” omaly Sabotsy 08 novambra 2025. Ankasitrahana feno ny fiangonana manontolo sy ny Vaomieran’ny Fifandraisana tamin’ny fikarakarana sy ny fialana voly. Nahatratra 530 isika no niara nialavoly tamin’izany.

– Ny rakitra voalohany anio dia ho an’ny fiainan’ny Fiangonana, ny rakitra faha-II hanohanana ny asan’ny Gazety sy Tranokala.

– Mandritra ny fotoanan’ny Asa vavolombelona anio maraina no hamaranana ny faha-125 taonan’ny Sampana DORKASY.

– Misy ny Asa sy Fampaherezana izay hotanterahan’ny SAFIF aorian’ny fanompoam-pivavahana.

– Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.

– Hanomboka rahampitso Alatsinainy 11 novambra ny herinandrom-bokatry ny SAMPATI.

– Amin’ny Alahady heriny anio dia handray Evanjelistra isika dia ny Mpitandrina avy any BEVOAY Pst ANDRIANINA; Izy no hitondra ny hafatr’Andriamanitra. Toy ny mahazatra antsika dia hisy ny rakitra am-baravarana ho fanohanana azy.

– Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy famangiana ho fampaherezana ny fianakavian’Ilahy RAZAFIMBELO Andriatsilany Raymond iray tampo amin’I RAZAFIMBELO Tommy mivady izay hotanterahina eto amin’ny Fiangonana ihany aoka iomana amin’izany ny FDL, VFan, SVM, SAFIF.

Filazana manjo

Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny Fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, FDL :
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i RATOVELOMANANA Henri, Loholona
Hoy ny zanany : RATSIMIHAH Jeannine mianadahy avy sy ny zanany. Ny iray tampo aminy: RAKOTONDRAINIBE Fara, mianadahy avy
Fianankaviana manontolo.
Ny fandevenana dia tontosa ny Zoma 7 Novambra tany Villeneuve d’ascq rehefa avy nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny fiangonana Protestanta Lille.
Ny famangiana dia efa tontosa.

FIANTSOANA FANAMBADIANA

Hangatahina mba hitsangana ANDRIANJARA Ando Nantenaina sy RASOLOJAONA Heriniaina Noroseheno.

Atoa Ernould Andrianjara Gino sy rtoa Ranarison Hanitriniaina
Dia faly mampandre antsika Fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zanany
ANDRIANJARA Ando Nantenaina amin’I RASOLOJAONA Heriniaina Noroseheno
Izy dia zanak’I Rtoa Andriantseheno Lala harintsoa.
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Alahady 23 novambra 2025 amin’ny 2.30 tolakandro eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana voalohany.

TARATASY AVY AMIN’NY RAFITRA SY SSAAV

SAMPANA SEKOLY ALAHADY :  
- Antsoina ny fianakaviam-ben’ny Sekoly Alahady ho tonga amin’ny fivivoriambe II ny Sabotsy 15 novambra 2025 ho avy izao , izay hialohavan’ny fivorian’ny Komity amin’ny 8.30 maraina.
- Ampahafantarina ihany koa ny Ray aman-dreny sy ny mpianatra fa manomboka anio tolak’andro ny fianarana ny fety Krismasy izay hanasana ny rehetra.

SAMPANA TANIKETSA :
Antsoina ny mpikambana sy izay maniry hanatevin-daharana ny Sampana Taniketsa ho tonga amin’ny Fivoriam-be II ny Sabotsy 15 novambra 2025 amin’ny 10 ora maraina eto amin’ny Fiangonana.

VONDRONA FOTOTRA LAIKA :
Antsoina ny mpikambana sy izay maniry hanatevin-daharana ny Vondrona Fototra Laika ho tonga amin’ny Fivoriam-be II ny Sabotsy 15 novambra 2025 amin’ny 2 ora tolak’andro eto amin’ny fiangonana.

VAOMIERA AIM-PANAHY :
- Hampahafantarina isika fiangonana fa hotanterahina ny Alahady 16 novambra 2025 mandritra ny fotoanan’ny asa vavolombelona ny fizarana valisoa tamin’ny fahalalana Soratra Masina .Efa azontsika jerena ao amin’ny fafana ny valin’izanyfahalalana SM izany.
Ireo rehetra nandray anjara ankoatra izay voasoratra anarana eo amin’ny fafana kosa dia hahazo fanomezana avokoa amin’io alahady 16 novambra io ihany ka hiangaviana hanatona ny latabatra misy ny Vaomieran’ny Aim-Panahy eo an-tokontany manomboka amin’ny alahady 09 novambra izao hizarana tapakila .
-Antsoina ny Diakona , Loholona ary ny solotenan’ny Sampana ao amin’ny VAP ho tonga amin’ny fivoriana izay hotanterahina ny Alarobia 12 novambra 2025 amin’ny 6ora hariva eto amin’ny fiangonana.

ASA FITORIANA NY FILAZAN-TSARA (AFF) : Antsoina ny komity ho tonga hivory ny Alakamisy 13 novambra 2025 amin’ny 6ora hariva etgo amin’ny fiangonana.

VAOMIERA FANANANA :
Antsoina ny Diakona , Loholona ary ny solotenan’ny Sampana ao amin’ny VFAN ho tonga amin’ny fivoriana izay hotanterahina ny Alarobia 12 novambra 2025 amin’ny 6ora hariva eto amin’ny fiangonana.

KOMITY AKANY RAIMAMONJY :
Mampahafantatra antsika mpianankavin’ny finoana liana amin’ny fampanofana trano fa misokatra hatramin’ny Alahady 16 Novambra ho avy izao ny tolotra fampanofana ny ambany rihana RDC sy ny rihana faha 2 ny AKANY RAINIMAMONJY, izay manampaniriana ho amin’izany dia aoka hanatona mivantana ny Mpandraharahan’ny Akany amin’ny andavanandro na ny Biraon’ny KAR haka ny andinindininy rehetra.

RAFITRA REHETRA :
-Iangaviana ianareo mba hanolotra solotena 1 avy handrafitra ny Komity faha 165 Taona ny Fiangonana . aoka ho tonga aty amin’ny Biraon’ny Fiangonana hatramin’ny Sabotsy 22 novambra 2025 izany.

SAFIF : misaotra an’Andriamanitra noho ny fahatanterahan’ny heronandrom-bokatry ny Sampana. Mankasitraka ny mpianakavin’ny finoana tsya anakanavaka nitrotro am-bavaka sy nanotrona ary nanohana ny SAFIF;

MPIHEVI-DRAHARAHA : antsoina ny Diakona sy Loholona ary ny solotenan’ny SSA ho avy hihatrika ny fivoriana fiheveran-draharaha ny Alahady 16 novambra 2025 amin’ny 8ora maraina.

Dia hahatsiaro am-bavaka sy hifanotrona ary hiara hanatanteraka ireo asan’ny Tompo ireo isika ry Fiangonana malala.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.