
Hoy ny Soratra Masina : « Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’I Kristy , fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray ; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.» Kolosiana 3. 15
Manantitra ny arahaba ho antsika rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo ry Havana , miarahaba manokana anareo Birao sy komity ary mpikambana STK rehetra nahatratra ity andro fanateram-bokatry ny sampana ity . tononina manokana ho anareo vahiny tonga miara miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena ihany koa izany . Ho aminareo hatrany anie ny Fiadanana..
Alahady IV manaraka ny Trinite, ny andro anio, Alahady natokan’ny FJKM hitondrana am-bavaka ny STK .Miaina hatrany ny loha hevitra iombonan’ny FJKM hoe :« Olom-boaantso ny mpino » isika.
Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.
RAHARAHA AVY ANY IVELANY
RAHARAHA ETO AN-TOERANA
- Alahady natokana hitondrana am-bavaka ny STK ny andro anio sady famaranana ny herinandrom-bokatry ny Sampana . Tonga mivahiny eto amintsika ny Mpitandrina RAKOTONDRABE Harilanto mitondra ny PEV Antsalova SP BEMARAHA. Aoka hiomana amin’ny rakitra am-baravarana izay efa fanao ho fanohanana Evanjelistra isika.
- Ny rakitra voalohany anio dia ho an’ny fiainan’ny fiangonana , ny rakitra faha-II kosa hanohanana ny asan’ny STK.
- Mianatra ny Katekomena anio tolak’andro ny lesona anio : “Ny Jodaisma”,
- Mitohy toy ny mahazatra ny fotoanan’ny Sampana mandritra ny herinandro.
- Hanomboka rahampitso Alatsinainy 14 Jolay ny herinandrom-bokatry ny VFL.
- Amin’ny Alahady heriny anio mandritra ny fotoanan’ny Asa vavolombelona no hitsofan-drano ireo komity fandraisan-tanana ny Mpitandrina mianankavy.
- Amin’ny Alahady heriny anio amin’ny 8ora maraina dia antsoina ny MD fiangonana ( Diakona , Loholona ary solotenan’ny Sampana ) ho tonga hihatrika ny fivoriana isam-bolana. Aorian’ny fanompoam-pivavahana kosa dia antsoina ny MFT hihatrika ny fivoriana ankatoky ny fandraisana sady fanomanam-panahy.
FILAZANA MANJO
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, VFL
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i :
RASOANANDRASANA Seraphine
Ny Talata 8 Jolay rehefa nivahiny 95 taona teto an-tany
Hoy
ny taizany sy ny zafiny : RAKOTONIRIANA Kristian Donné mivady, mianadahy avy sy ny zanany
Fianankaviana manontolo.
Ny fandevenana dia tontosa ny Sabotsy 11 Jolay lasa teo teny Ambohidroa Antehiroka tao aorian’ny fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana.
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, SA , VMFP
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i :
RAKOTOBE Eric
rehefa nivahiny 43 taona teto an-tany
Hoy
Ny Rainy : RAKOTOBE Andrianome Willy
Ny Reniny : RAVAHIARIVONY Evelyne Nina
ny zanany : RAKOTOBE Bosalama Mijoro mianadahy
Fianankaviana manontolo .
Ny fandevenana dia tontosa ny Sabotsy 12 Jolay teny amin’ny fasan-drazany teny Lazaina tao aorian’ny fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Ranivo Maritiora Lazaina Avaradrano.
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, BPG, FDL, V.VOLA , V. FANANANA , SLK , SAFIF , GAZETY TAFA ,VFL ,VMFP
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i
RADANIELINA Mparany
Ny Alarobia 9 Jolay 2025 rehefa nivahiny 62 taona teto an-tany
Hoy
Ny vadiny : RADANIELINA RATSIMBA Nivoharilala
ny zanany : RADANIELINA Miharintsoa sy Tanjona mianadahy avy
Ny iray tampo aminy : RABEFIERANA Lucien sy Nivo
RABE Harimanana sy Rachel , mianadahy avy sy ny zanaka aman-jafiny
Fianankaviana manontolo .
Ny fandevenana dia tontosa ny Sabotsy 12 Jolay teny amin’ny fasan-drazany teny Antanetibe Alarobia Ambatomanga tao aorian’ny fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra teto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena .
Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM AF , BPG , FDL ,V.VOLA , SLK , VFL, VMFP, DORKASY.
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i :
RAMAMONJISOA Chantal Aurelie
Ny Alakamisy 10 Jolay 2025
Hoy
Ny zanany : ANDRIAMALANTOMANGA Tsilavina sy Ando mianadahy avy
Ny iray tampo aminy : RABE Harimanana sy Rachel , mianadahy avy sy ny zanaka aman-jafiny
Fianankaviana manontolo .
Ny nofomangatsiakany dia ho entina miala ao amin’ny tranony aoAmparibe Lot VF 1 anio Alahady 13Jolay amin’ny 12.30ora , ho entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny EKAR Masindahy Josefa Mahamasina mialoha ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny antampon’Ambohimalaza.
Ny famangian’ny fiangonana ireo fianakaviana nidonan’ny manjo ireo dia efa tontosa avokoa.
TARATASY AVY AMIN’NY SSAAV
Dia hahatsiaro am-bavaka ireo asan’ny Tompo hankininy amin’ny Fiangonana ireo isika ry Havana ary hifanome tanana hanatanteraka sy hifanotrona mandrakariva amin’izany.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

