FJKM Amparibe Famonjena

Raharaha Alahady 14 desambra 2025

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo ary ny Fanahy Masina. Amena.

Tononina manokana koa izany ho an’ny Birao, Komity ary Sampana SEKOLY ALAHADY.

“MANANTENA AN’ANDRIAMANITRA.”

Hoy ny Soratra Masina: “SAMBATRA NY MASO MAHITA IZAY HITANAREO” Lioka 10. 23d

Advento faha-3 anio ary itondrana am-bavaka ny Sampana Sekoly Alahady manerana ny sahan’ny FJKM.

Manasa anao ary hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.

RAHARAHA AVY ANY IVELANY

FOIBE FJKM

Hotanterahina ny 14,15,16 Janoary 2026 ny andiany VOALOHANY amin’ny HERINANDRON’NY ASA SOSIALY ; natao indrindra hanatonan’ny fiangonana ny fiaraha-monina hitondrana vahaolana manoloana ny fahasalamana, fahantrana , ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny tsy fananan’asa.
Mandritra ny 3 andro dia hisy fizahana ara-pahasalamana sy fitiliana samihafa maimaimpoana. Fampisakafoanana maimaimpoana olona 20.000 mahery, tolotr’asa sy fampiohofanana momba ny fitadiavanasa, fitoriana filazantsara sy fanentanana an-kira ataon’ny antoko mpihira FJKM.
Ny toerana hanatanterahana izany hetsika izany dia ao amin’ny Kianja BAREA Mahamasina (ambany tribune sy ambony rihana).
Koa ho fiatrehana izany dia ireto no anentanana ny krisitana rehetra :
– asaina ampitiavana ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra hanolotra vary 1 kapoaka isan’olona sy vola 1000 ar (ny mihoatra tsy ferana) ka angonina isam-piangonana izany ka izay rehetra voahangona dia aterina aty amin’ny Foibe FJKM hatramin’ny 30/12/2025.
=> Eto Amparibe dia ireto ny Andro anangonana izany : Alahady 21 desambra ; ny Andro krismasy 25 desambra sy Alahady 28 desambra 2025 ;
– Miantso ireo zanaky ny fiangonana manana orinasa na fianakaviana mitady mpiasa handray anjara amin’ny tolotrasa mandritra io fotoana io. Antsoina ianareo voakasik’izany ho tonga hiara-hivory ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Talata 16 desambra 2025 amin’ny 12h–14h.
ISAIA 58. 6-8 : “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako:… Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao ianao? Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao.”

SPAA 10

FP Famaranana jobily faha-25 taona maha-Mpitandrina an’Atoa Ravelonanosy Mamy Tiana, Mpitandrina mivady ny sabotsy 20 des 2025 amin’ny 9ora sy sasany maraina ao amin’ny FJKM Salema Vaovao 67 ha.

SPAA10/ FDL (Fampatsiahivana)

Araka ny fandaminana dia hotanterahina amin’ny Alakamisy 18 desambra 2025 ny fihaonambe II FDL/SP hiarahana amin’ireo Mpitandrina sy Mpampianatra misotro ronono ary ireo vady navelan’ny maty izay hotanterahina ao Antsahamanitra.

Hanomboka amin’ny 9.30 ny fotoana. Mangataka Diakona 10 avy eto amin’ny fitandremana hanao ny asa fanompoana. Ny fotoana handraisana ny fandaminana dia ny Talata 16 desambra amin’ny 12ora antoandro.

SPAA – AFF 9 TRANO

Alarobia 17 desambra 2025 amin’ny 2ora sy sasany tolakandro ao FJKM Ambalavao Isotry : fampianarana, fampiofanana, fifampizarana.
Alarobia 28 janoary 2026 amin’ny 2ora sy sasany tolakandro eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena : fampianarana, fampiofanana, fifampizarana.

FANASANA

TOPAZA : fanasana hanotrona azy ireo amin’ny fety fankalazana ny Noely 2025 izay hatao ny Alatsinainy 22 desambra 2025 amin’ny 9h30 maraina eny amin’ny TOPAZA Ambohipotsy.

Fikambanana Mpiara-Mamaky ny Baiboly : Semineran’ny Fianakaviana 15-19 desambra 2025 ao Antaninarenina.

TOHIVAKAN’NY FAHAMARINANA / CHAINE D’HONNETETE

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly, dia manasa ny fiangonana hanatrika ny famelabelaran-kevitra “Nahoana ny Kristiana no toa marisarisa amin’ny ady amin’ny kolikoly” atolotr’i Rév. Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina ny Alahady 07 desambra amin’ny 2ora 30 eto amin’ny Fiangonana.

RAHARAHA ETO AN-TOERANA

– Alahady natokantsika eto amin’ny fitandremana hitondrana am-bavaka ny Sampana Sekoly Alahady anio.

Asa vavolombelona :
1) Fizarana ny valisoa ho an’ny mpianatra Sekoly Alahady ;
2) Fandraisan-tanana sy fitsofan-drano ireo komity fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-165 taonan’ny Fiangonana mandritra ny taona 2026.

– Hisy ny asa sy fampaherezana hotanterahan’ny SAFIF aorian’ny fotoana.

– Rakitra roa no tatazana ka ny Voalohany ho amin’ny fiainan’ny fiangonana ary ny faha-II ho fanohanana ny Sekoly Alahady.

FANOLORAN-JAZA :
RAKOTOSALAMA Niriantsoa Léa
Teraka ny 04 Oktobra 2025
Ray : Rakotosalama Harivony Valery, Reny : Faraniaiko Zoe Rolande

FIANTSOANA FANAMBADIANA

FILAZANA MANJO

Ho an’ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana FJKM AF
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay no hampandrenesanay anareo ny fodiamandrin’i
RAKOTOARIVELO Noromalala
Ny alatsinainy 8 des 2025 rehefa nivahiny 62 taona teto an-tany
Hoy :
Ny zanany : RAMAROMANDRAY Soloniaina Malala sy Julia Ando ary RAMAROMANDRAY Tokiana sy Felana sy ny zanany avy.
Ny reniny : RAMANANTOANINA Lisiarisoa
Ny iray tampo amin’ny vadiny : RAMAROMANDRAY Naina sy Voahangy mianadahy avy
Ny Fianankaviana manontolo .
Ny fandevenana dia tontosa ny Alarobia 10 Desambra teny Ambohitrarahaba rehefa avy nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra teto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.

Ny famangiana dia efa tontosa.

TARATASY AVY AMIN’NY RAFITRA SY SSAAV

BIRAOM-PIANGONANA :
1) Fihaonana amin'ny biraon'ny rafitra rehetra ny ALAKAMISY 18 desambra 2025 amin'ny 6ora sy fahefany hariva ho fanehoana ny tetibolam-pandaharana 2026.
2) Fivorian'ny Mpihevidraharaha indroa miantaona :
a. Sabotsy 20 des @ 8ora maraina : MD tsy ara-potoana ho fandinihana sy fanapahan-kevitra mahakasika ny tetibolam-pandaharana 2026
b. Alahady 21 des @ 8ora maraina : MD ara-potoana
3) Fiarahabana taombaovao ho an'ny Zokiolona : ho fanomanana ny fiarahabana Zokiolona amin’ny fiandohan’ny taona dia hangatahina ianareo zokiolona 70taona mihoatra hanoratra anarana aty amin’ny biraon’ny fiangonana hatramin’ny Alahady 28/12/2025.
4) Fanombohana fianarana katekomena andiany MAHEFA : anio alahady 14 desambra 2025 amin'ny 2ora sy 15 mn. Entanina ireo kristiana 15 taona noho mihoatra hiroso no katekomena.

HASIN'NY FAMONJENA :
ZOMA 19 desambra 2025 amin'ny 6ora sy fahefany hariva : antsan-kira Krismasy sy iangalian'izy ireo hira notsongaina tamin'ny sanganasa "LA CREATION" an'i Joseph Haydin.

SAMPANA TANINKETSA :
Ny Sampana Taninketsa dia faly manasa antsika Mpianakavin’ny finoana rehetra hiara-hiombona amin’ny Antsan-kira Krismasy sady fanokàfana ny fankalazàna an’Andraiamanitra noho ny faha-35 taonany ny Alahady 21 Desambra 2025 ho avy izao amin’ny 05 ora hariva eto amin’ny tananan’ny Fiangonana ihany. Comédie musicale, dihy ary hira fiderana fitsenana ny fahaterahan’ny JESOA KRISTY.

SAMPANA SEKOLY ALAHADY :
Fety Krismasy ''Jesoa no Fanantenana'' ny Andro Krismasy Alakamisy 25 desambra 2025 amin'ny 3ora tolakandro.

SAMPANA TANORA KRISTIANA :
Rindrankira ho fisaorana an'Andriamanitra noho ny taona 2025 – Alahady 28 desambra 2025 amin'ny 2ora sy sasany tolakandro.

KOMITY 165 Taona FIANGONANA :
Misaotra an'Andriamanitra isika fa tafajoro ny komity ary voafidy ireo birao hitantana izany komity izany. Fivoriana komity Talata 16 desambra 2025 amin'ny 06 ora hariva eto Amparibe.

DORKASY :
Fivoriana Talata 16 desambra 2025 amin'ny 1ora sy sasany – fianarana Baiboly sy famerenana seho krismasy.

SAMPATI :
Hotanterahina ny Zoma 19 desambra 2025 alina mifoha sabotsy 20 desambra 2025 eny amin’ny Green Park Antsampandrano Ilafy ny “Veillée de Noel” fanaon’ny Sampana izay hanasana ny Mpikambana rehetra, ny Ray aman-dreny, ny mpanohana, ny sakaiza sy ny Tily tranainy. Ny fandraisana anjara dia 12 000Ar . Ny fisoratana anarana dia any amin’ny Tonia hatramin’ny anio Alahady 14 desambra 2025.

STK Zokiny :
Ny fizarana valisoa ho an’ireo zanaky ny fiangonana afaka fanadinana ofisialy, nahazo diploma vaovao, nivoaka SEFALA, nahavita SETELA ary ireo Mpiomana ho Mpitandrina ny taona 2025 dia hotanterahina ny Alahady 21 desambra 2025 heriny anio. Ny taratasy fisoratana anarana dia azo raisina ao amin’ny efitra Atsimo ary ny fara-fisoratana anarana dia ny alarobia 17 desambra 2025.

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA :
Varotra rano Loharano Aina 1,5Litre amin'ny vidiny 4 000Ar.

TARATASY FISAORANA

FMKF : RAD Mpitandrina amperinasa, Mpitandrina misotro ronono, rtoa ramino, rafitra rehetra sy ny fiangonana manontolo tamin'ny fanohanana, fampihofanana, fitondrana am-bavaka sy noho ny fahatontosan'ny herinandrombokatra ny 24 – 29 nov 2025.

RFF : RAD Mpitandrina amperinasa, Mpitandrina misotro ronono, rtoa ramino, rafitra rehetra sy ny fiangonana manontolo tamin'ny fanotronana, fanohanana sy fitondrana ambavaka noho ny fahatontosan 'ny Concert 25 taona RFF OMALY SAB 12 DES 2025.

VAOMIERA FANANANA : noho ny fahatontosan'ny Fanadiovana faobe ny sabotsy 13 des 2025. Isaorana manokana ny raiamandreny Mpitandrina mivady sy ny Mpianatra Soratra Masina Fokontany.

Dia hahatsiaro am-bavaka sy hifanotrona ary hiara hanatanteraka ireo asan’ny Tompo ireo isika ry Fiangonana malala.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.