Ho aminareo anie ry Fiangonana malala ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo. Tononina manokana izany ny Birao, Komity sy Mpikambana rehetra ao amin’ny SAMPANA MPIANGALY ZAVA-MANENO.
Hoy ny Soratra Masina : « Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homein‘ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako na inona na inona.» Jaona 15. 16. Alahady XIX manaraka ny Trinite, ary manohy ny fibanjinana ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe « MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO". Alahady itondrana am-bavaka ny MAMRE manerana ny sahan‘ny FJKM.
Vahiny : Rtoa RASOLOMANANA Lanto Sitraka, Taona faha-4 TPM Ambatonakanga.
Hisy solotena VMFP hanao fanentanana, 5 minitran’ny fahasalamana.
Manasa ary anao hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.
RAHARAHA AVY ANY IVELANY
SPAA 10
Taratasy fisaorana noho ny fahatontosan’ny fivoriambe SPAA10 sy ny Tontolo andron’ny Prezida Synodaly ny 11–12 Oktobra 2025.
SPAA 10 – FARITRA ATSINANANA – SAMPANASA ASA FITORIANA FILAZANTSARA SIVY TRANO
Fotoana manaraka :
– Sabotsy 25 Oktobra 2025 amin’ny 9ora sy sasany – 3ora tolakandro – FJKM Mandrosoa Ambohijatovo : Vavaka sy fifadiankanina, Tetikandro 2026.
– Alarobia 29 Oktobra 2025 amin’ny 2ora sy sasany – 4ora sy sasany : FJKM Namontana Fialofana – Fampianarana sy fampiofanana ary fifampizarana.
SAMPANA VOKOVOKO MANGA FOIBE – KOMITY FAHA-20 TAONA RANTSANA MPAMILY
Anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taonan’ny Rantsana Mpamily dia hisy ny tsangambato Auto Ecole sy fividianana fiara izay mitentina 30.000.000 Ar, dia manentana ny mpikatroka Vokovoko Manga rehetra hifandray tanana amin’izany ezaka izany. Misy valopy tolo-tanana 05 ho an’ny SVM sy ny Fiangonana izay aterina hatramin’ny 05 Novambra 2025 ao amin’ny varavarana faha-506 FOIBE SVM.
Tel : Mvola 03812285 29 (Tolotra Andriamirado)
Filan-kevitra : Dr Tolotra 034 03 238 54 (Filohan’ny Komity)
FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY
Nandritra ny korontana niseho ny 25 Septambra 2025 lasa teo dia isan’izay voaroba ny birao FMBM teny Ampasapito. Very sy potika tamin’izany ireto : 22 portables, 6 desktop sy Baiboly miteti-bidy 100.Millions Ariary.
Manao antso fanohanana izy ireo ka izay maniry hanampy ny FMBM dia afaka manatona ny sekreteram-piangonana mandray ny andinindiny ifandraisana amin`ny tomponandraikitra.
MVola : 038 53 176 37 (Andriamihanta Solofo Desire)
Orange Money : 037 86 491 96 (Andriamihanta Solofo Desire Rabenifara)
AIRTEL Money : 033 46 114 16 (Rabenifara)
BANKY : FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY
BOA 00009 05000 1081730 0009 16
Ndeha haneho sy hijoro fa « Boky nodorana nefa tsy levona » ny Baiboly.
FANASANA :
FJKM ATSIMONIMAHAMASINA – ANTOKO MPIHIRA NY TSANTAN’IMAHAMASINA
Alahady 26 okt 2025 tolakandro ao amin’ny Auditorium Havoria Anosy. Tsy misy vidim-pidirana fa alaina ao amin’ny FJKM Atsimonimahamasina ny fanasana idirana.
FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY – SAMPATI
Concert klasika – Sabotsy 25 okt @ 4ora tolakandro.
RAHARAHA ETO AN-TOERANA
Fanompoam-pivavahana amin’ny endriny faha-roa no nanatanterahana izao fotoana izao, ary ny SMZM no mitarika sy mandrindra izao Fanompoam-pivanahana izao.
Rakitra 2 no notatazana ka ny (1) dia atolotra ho an’ny fiainan’ny Fiangonana; ny (2) dia atolotra ho fanohanana ny SMZM.
KATEKOMENA
Fanompoam-pivavahana amin’ny endriny faha-roa no nanatanterahana izao fotoana izao, ary ny SMZM no mitarika sy mandrindra izao Fanompoam-pivanahana izao.
Rakitra 2 no notatazana ka ny (1) dia atolotra ho an’ny fiainan’ny Fiangonana; ny (2) dia atolotra ho fanohanana ny SMZM.
FIANTSOANA FANAMBADIANA
Noho ny fiangonana nitaiza :
Atoa RASON Hans Raymond sy Rtoa RAHARINTSOA Josiane mivady ;
Rtoa RAZAFINDRAMIARANA Claire Aimee, Mpitandrina
dia faly mampandre ny fiangonana ny fanamasinana ny fanambadian’ny zafiny, zanany :
Atoa RASON Nantenaina Mathieu sy Rtoa RAKOTOMANDIMBY Ny Evasoa Fanantenana
Rtoa RASOARIJAONA Voahangilalao Rachel, Atoa FIDIARIJAONA Nomenjanahary Rakotomandimby sy Rtoa RABEMANANTSOA Lydia mivady
Ny fanamasinana ny fanambadian’izy ireo dia kasaina hotanterahina ny Sabotsy 25 Oktobra 2025 amin’ny 10ora maraina ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely
Fiantsoana faha-2
TARATASY AVY AMIN’NY RAFITRA SY SSAAV
FIVORIAN'NY MFT : Alahady 26 okt 2025
Anehoana ireo katekomena horaisina ho Mpandray ny Fanasan'ny Tompo ny volana novambra. Antsoina ireo ray aman-dreny hanatrika ny Fanompoam-pivavahana ary ho tonga amin'izany fivorian'ny Mpandray ny Fanasan'ny Tompo izany.
SAFIF
Herinandrom-bokatry ny Sampana Fifohazana ny 20 – 26 okt 2025.
SAMPANA VOKOVOKO MANGA – RANTSANA FANANTENANA
Manasa ny mpikambana rehetra ary ny mpianakavin'ny finoana ho tonga amin'ny Hetsika ara-panatanjahantena izay hotanterahana ny sab 25 okt 2025 manomboka amin'ny 8ora maraina eny amin'ny Sekoly Paul Minault Androhibe.
Asaina ny sampana rehetra eto Amparibe handray anjara ka hisoratra anarana amin'ny SVM : foot, pétanque, basket.
SAMPANA TANORA KRISTIANA – ZOKINY
Hanatanteraka fitsidihana sy fanohanana ny TPM Mandritsara isika ny 27 okt – 1 nov 2025. Ny Mpitandrina sy ny STK Zokiny ary ny Vaomiera Asa Vavolombelona no handeha amin'izany. Ampifaliana no andraisana ny fanampiana atolotsika ireo mpiomana ho Mpitandrina sy Mpandraharaha rehetra any. Horaisin'ny STKZokiny ixnay anio alahady sy @ Alahady heriny anio eo antokotanim-piangonana.
HASIN'NY FAMONJENA
Antsoina ny fianakaviamben'ny Hasin'ny famonjena hanatrika ny fivoriambe faharoa izay hotanterahana ny sab 25 okt @3ora tolakandro eto Amparibe.
SAMPANA MPANAZAVA SY TILY
Lasy fiofanana LAKANOMBANA
Antsoina ny sampana mena, ny mpiandraikitra, ny komitim-pivondronana, tranainy ary ireo raiamandreny amin'ny hetsi-panabeazana '' LAKANOMBANA'' izay hatao ny 24 – 26 okt 2025 eny Ilay Nazareta Tsilazaina Alasora .
Zavatra entina : Baiboly, fihirama, fitaovam-panoratana, fitaovam-pidiovana, sac de couchage. Tsy mitondra fitaovam-pihinanana sy tente.
Aoka hisoratra anarana sy hanefa ny saran-dasy @ vaomiera fanabeazana (Atsanjy Kanty) hatramin'ny alarobia 22 okt 2025.
VAOMIERA
ASA VAVOLOMBELONA : Fivoriana fanao isam-bolana TALATA 21 OKT 2025 @ 6ora hariva eto Amparibe.
FANANANA : Fivoriana fanao isam-bolan ALAROBIA 22 OKT 2025 @6ora hariva eto Amparibe.
Dia hahatsiaro am-bavaka sy hifanotrona ary hiara hanatanteraka ireo asan’ny Tompo ireo isika ry Fiangonana malala.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

