FJKM Amparibe Famonjena

Raharaha Alahady 15 Jona 2025

Ho aminareo hatrany anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.

Faly miarahaba anareo ry Fiangonan’Andriamanitra. Miarahaba anareo vahiny tonga tonga miara-miombom-bavaka aminay eto Amparibe Famonjena ihany koa. Faly miarahaba anokana ny raim-pianakaviana noho ity andro fetinareo ity.

Hoy ny TOMPO : “IZAHO NO ALFA SY OMEGA, HOY NY TOMPO ANDRIAMANITRA, ILAY ANKEHITRINY SY TALOHA ARY HO AVY, DIA NY TSITOHA” Apokalipsy 1. 8.

Alahady 15 Jona 2025, Alahadin’ny TRINITE.
Mibanjina hatrany ny lohahevitra fitaizam-panahy manao hoe “AN’NY TOMPO NY FAHEFANA”.

AORIAN’NY FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA DIA NY 5mn FAHASALAMANA.

Manasa anao ary hanaraka izao raharahan’ny fiangonana izao.

  • FFKM

    Sakafom-pifaliana ny 28 jona 2025 eny amin’ny Yandy By Pass, Tapakila 1 amin’ny vidiny 75.000 Ar.

  • FJKM Foibe

    Vita ny 14jona 2025 ny FP fisaorana an’Andriamanitra noho ny taom-piasana 2021 – 2025, ny fitondrana am-bavaka ny Synoda Lehibe XX, ny fametrahana ireo prezida synodaly 10 vaovao sy Tale SSAA eo anivon’ny Foibe ary fitokanana ny tranon’ny Filoha FJKM Rev. Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina, mivady.

  • FJKM Foibe – 50 TAONA SAMPANASA FIKAROHANA SY FANDALINAM-PINOANA

    Fanompoam-pivavahana ivon’ny Jobily, ny Alahady 22 jona 2025 – FJKM Soamanandrariny SPAA12 amin’ny 10 ora maraina

  • FJKM Foibe – Komity manangana trano ho an’ny Filoha FJKM teo aloha Rev. Dr. Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina mivady.

    Fanasana amin’ny sakafo maraina ”vatsy mahavelona” – Zoma 20 jona 2025 amin’ny7ora maraina ao amin’ny SAHA MIKANTO Avaratr’Antanimora – dinika sy hetsika enti-manohana ny famitana ny trano.

  • FJKM Foibe – Jobily faha 25 taona maha-Mpitandrina Atoa RAVELONANOSY Mamy Tiana, Mpitandrina, Mpanampy (teo aloha) ny TDF fa Preizida synodaly SP Antananarivo Andrefana izy ankehitriny.

    Sakafon’ny Jobily – Sabotsy 20 jolay 2025 Yandy by Pass . Misy tapakily 2 natolony antsika.

  • SPAA 10 – AFF

    Fihaonambe SSAAFK hatao ny 21 jona 2025amin’ny 9ora 30mn . Toerana : FJKM Ambohijafy Fanantenana. Handray fampihofanana hotanterahan’ny AFF SPAA. Hisy solo-tsakafo 2000 Ar /olona ary hisy tahirin-kevitra hamidy amin’io.

  • AUMONERIE PROTESTANTA BEFELATANANA BETLEHEMA VAOVAO / SAMPANA FIFOHAZANA

    Mangataka fiaraha-miasa amin’ny SAFIF / mpiandry eto Amparibe amin’ny asa sy fampaherezana tanterahana ny alahady 22 jona amin’ny9ora maraina.

  • SEKOLY ALAHADY

    Fanadinana foibe K6 – K10 : Lycee Andohalo ny alahady 22 jona 2025, Fotoana amin’ny 7ora sy sasany Fanadinana foibe K1 – K5 : eto amin’ny fitandremana ny alahady 29 jona 2025 amin’ny7ora sy sasany.

Litorjia endriny faha-2 no anatanterahantsika izao Fanompoam-pivavahana izao. Alahady ivom-bokatry ny Antoko Mpihira Hasin’ny Famonjena. Mahatsiaro azy ireo am-bavaka isika.
Rakitra roa no hotatazana ka (1) atolotra ho fiainan’ny fiangonana ary ny (2) dia fanohanantsika ny HF.

Asa vavolombelona : fanamarihana sy fiarahabana ary fitondrana ambavaka ny RAIMPIANAKAVIANA noho ny FETIN’NY RAY anio 15 jona 2025.

FANOLORANJAZA
1-) ANDRIAMBOLAMANANA ITSIKIANA SOA, teraka ny 22 feb 2025 zanak’Atoa ANDRIAMBOLAMANANA Tiana Nandrasana.
2-) RAZAFIMANDIMBY Tiana Adriana Hasin-jazamarolahy, teraka ny 9 aprily 2025 zanak’Atoa RAZAFIMANDIMBY Manda Andriantsilavo sy RAMANIRAKA Malala Irina.

Mianatra ny Katekomena anio tolak’andro amin’ny 2ora 15mn. Lesona : Ny Fiangonana reforme.

FIANTSOANA FANAMBADIANA
1.- Natsangana ny alahady 15jona 2025
Atoa sy Rtoa isany : Andriamihaja Davida, Rajaonarison Nirina, Ratsimba Jocelyn William, Razafimalala Hanta Liva dia faly mampahafantatra ny fiangonana ny fanamasinana sy fitsofan-drano ny fanambadian’i ANDRIAMIHAJA Safidiniaina Mandresy sy RAHANTANIRINA Aniah Prisca.
Ny Fanamasinana sy fitsofandrano ny fanambadiana dia kasaina hotanterahana ny Sabotsy 5 jolay 2025 amin’ny 9ora sy sasany maraina eto amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.
Fiantsoana 1

2.- NOHO NY FIANGONANA NITAIZA
Atoa sy Rtoa isany : ANDRIAMAHATANA Rado sy Michelle, SMANIOTTO Didier sy Yvonne.
Dia faly mampahafantatra ny fiangonana ny fanamasinana sy fitsofan-drano ny fanambadian’i SMANIOTTO Benjamin sy ANDRIAMAHATANA Johanna.
Ny Fanamasinana sy fitsofandrano ny fanambadiana dia kasaina hotanterahana ny Sabotsy 5 jolay 2025 amin’ny 2ora sy sasany tolakandro ao amin’ny Eglise Catholique Saint Laurent de Beire Le Chatel Dijon France.
Fiantsoana 1

FILAZANA MANJO
Ny nodimandry : RAOELIJAONA Henri Jean Marcel, 8 jona 2025, 74 taona
Ny mampilaza : Ny vadiny : RAHOLDINA Vololontsoa Rahariniaina
Ny zanany : RAOELIJAONA Maminiaina Lucas sy Ludovic ary Tsanta
Ny fianakaviana manontolo
FANDAMINANA
Fandevenana efa tontosa tany Anjeva Gara ny Alarobia 11 jona 2025 taorian’ny FP tao amin’ny EKAR Md Louis Fenomanana.
Famangian’ny fiangonana efa tontosa

  • FIVORIANA ANKATOKA

    Antsoina ny MFT REHETRA ho amin’ny fivoriana ankatoky ny fandraisana ny alahady 22 jona 2025.

  • ALAHADY TARANAKA SY HETSIKA GASIGASY

    Alahady 29 jona 2025, miakanjo miavaka amin’ny maha-Malagasy. Hisy seho sy varotra sakafo Malagasy maro. Misy valopy aterina isa-taranaka ety amin’ny alitara.

  • SAMPANA MPIANGALY ZAVA-MANENO

    Toy fanao isa-taona dia hizara fifaliana ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona kamboty eo amin’ny fiangonana ny SMZM ny alahady 15 jona 2025 eny am Akany.

  • SAMPANA TANINKETSA

    Azontsika raisina eo antokotanimpiangonana ny mofomamy ho an’i dada, izay asa-tanan’ny ankizy taninketsa.

  • SAMPANASA ASA FITORIANA FILAZANTSARA

    Noho ny fetin’ny Ray dia manasa ny RAY rehetra ny alatsinainy 16 jona 2025 amin’ny 6ora hariva ao amin’ny Akany Rainimamonjy : handray fampianarana ianareo ray ”ny fahefan’ny ray amin’ny maha-mpitarika kristiana azy ” na l’autorite du père en tant que leader chretien”. Efa manomana fiara iombonana ny AFF hanatitra aorian’ny fivoriana. Iangaviana hanatona ny AFF ireo rehetra maniry hanatrika izany fotoana izany mba hisoratra anarana anio 8 jona sy ny amin’ny alahady 15 jona.

  • SAMPANA MPANAZAVA SY TILY – HERIN’NY FAMONJENA

    Vavaka ho an’ny mpanala fanadinana : Manasa ny ankizy, tanora sy ny mpianakavin’ny finoana rehetra izay hiatrika fanadinam-panjakana na fanadianana ifindrana kilasy fa toy ny fanao isa-taona dia hisy ny fitondrana am-bavaka ho an’ny mpiatrika fanadinana rehetra ny alahady 15 jona 2025 amin’ny 3ora tolakandro. Hisy ny asa sy fampaherezana hotanterahan’ny SAFIF.

  • RFF ( Rindra Fanatanjahan-tena sy Fialamboly)

    Toy ny fanao isa-taona dia hisy ny Vavaka ho an’ny tanindrazana sy fangataham-pitahiana ho an’ny mpanala fanadianana hatao ny alarobia 25 jona 2025 amin’ny6ora sy sasany hariva eto Amparibe Famonjena.

  • VAOMIERA

    FANANANA : fivoriana isam-bolana ALAKAMISY 19 JONA 2025 amin’ny 6ora hariva eto Amparibe.

  • SAMPANA VOKOVOKO MANGA – FANDAHARANA HERINANDROM-BOKATRA

    16 – 22 JONA 2025 ==> Alatsinainy 16 jona amin’ny 6ora hariva : FP iarahana amin’ny AFF sy iombonana amin’izy ireo noho ny fetin’ny Ray ary andraisana ny fampianarana hoe “ny fahefan’ny ray amin’ny fitarihana”. ==> Talata 17 jona amin’ny 6ora hariva : FAMPIANARANA “Ray aman-dreny manoloana ny fiahiana ny ankohonana” Past Rakotomanana Tahiry ==> Alarobia 18 jona amin’ny 3ora tolakandro : Antsa-kira anasana ny SVM FJKM Atsimonimahamasina, SVM FJKM Ambohitrinimanga, SVM FJKM Ambodihady, “RANTSANA MIDERA NY TOMPO” ==> Zoma 20 jona amin’ny 6ora : FP sy fampianarana “fahefan ‘ny zanak’Andriamanitra manoloana ny asan’ny devoly” Past Ndriamanantena RAKOTOARIMANANA, Tonia SVM Foibe. ==> Sabotsy 21 jona : Randonnee eny Ambohidratrimo tanterahan’ny mpikambana rehetra ==> Alahady 22 jona : – Maraina : Ivon’ny ALAHADY MANGA – Tolakandro amin’ny3ora : ANTSA-PIDERANA IARAHANA AM KT AMBATOVINAKY SY ANTOKO MPIHIRA NY AFAKA


Dia hahatsiaro am-bavaka ireo asan’ny Tompo hankininy amin’ny Fiangonana ireo isika ry Havana ary hifanome tanana hanatanteraka sy hifanotrona mandrakariva amin’izany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra